Global Voices teny Malagasy » Roland Rakotomalala

Iran: ny mpibilaogy sy ny raharahan’ny « kadradraka ».
Herinandro lasa izay, namoaka sary ny gazety « The Columbus Dispatch » ao Chicago : mampiseho an’Iran ho toy ny lavaka feno kadradraka. Nahatonga ady hevitra mazamazana teo amin’ny mibilaogy iranianina, indrindra moa fa ireo monina eto Amerika avaratra.

Ny Iranianina toy ny kadradraka

Ny bilaogy “Iranian Truth” dia mihevitra fa toe-zavatra mavesatra izany: “Raha dinihana dia misy fanimbazimbanana ny maha-olona hatrany mialoha ny tantaran’ny famonona olona anarivony, ny ady sy fampijaliana toy ny famonona tany Cambodge, Serbia sy Bosnia nandritry ny ady an-trano tany Yougoslavia , ny famonona tany Armenia sy ny Holocauste”. Dia nandefa lahatsoratra fanoherana izany ity amin’ny tompon’andraikitra amin’ny dispatch ity mpibilaogy ity.

Sarisary mpanavakavaka tany Iran:

Karnangir dia tsy mitovy hevitra amin’izany: noho ny ady hevitra nateraky ny sary tao amin’ny “The Columbus Dispatch” dia nanao fanadihadihana tsotsotra tao amin’ny gazetim-panjakana iranianina “Kay” izay voatendrin’ny filoha farantampony. Inona no vokany? Anjaranao ny mitsara. Hoy ihany ity mpanoratra: misy ny mpibilaogy iranianina no nahatsiaro tena ho voaompa tamin’ny Columbus Dispatch. Toy izany ihany koa ny NIAC (National Iranian American Council).

Fanompana ny tera-tany monina eto Etazonia sy ny fananganana tsy fitiavana azy ireo izany. O ry zareo? Tonio ny saina. Tsy misy manompa anareo ho kadradraka. Nisy olona iray naneho ny heviny hoe firenena miteraka olana goavana eto amin'ny faritra atsinanana. Afovoany io I Iran. Misy mandà izany ve?

Ry zareo sy isika:

Hoy Nik Ahanghosar mpibilaogy sy mpanao sary malaza:

“Ny fahafahana miteny dia tsy midika akory fahafahana manoratra izay rehetra mandalo an-tsaina. Tsy azo atao ny manompanompa ny firenena hafa. Ny fahafahana dia hevi-dalina miovaova araky ny toerana sy fiaviana ary ny finoana isan’izany, ny fomba amam-panao isan-karazany.

Hoy koa ny mpibilaogy “Iran writes”: hitondra antsika aiza moa ny fanerena an’ny Columbus Dispatch hifona. Hamarana ny adi-hevitra ve izany? Isika no foto-mpihavian’izao rehetra izao. Raha mbola mihevitra isika fa mitovy sy miray hina amin’izay rehetra iranianina, anisan’izany Ahmadinejiad sy Khomeiny: henonareo ve ny nambaran’i Ahmadinejiad isan’andro? Tsy mahatezitra anareo ve izay? tsy kiriko ve ianareo? Tsara kokoa no ireo sarintsary ireo ve ny tarehintsika asehony? Tsy misy iray amintsika no hanaiky ho iray hevitra aminy. Saingy izany no zava-misy, ary toy izany ireo fahitan’izao tontolo izao azy, na tiantsika na tsia. Mazava ho azy fa toy izany no fahitan’ny Amerikana antsika ary tsy mahagaga izany. Raha tiantsika ny ho hajaina amin’ny maha-iranianina antsika dia tsy maintsy mendrika haja isika rehetra ary mendrika ny zavatra ataontsika rehetra amin’ny maha-iranianina antsika.

Hamid Tehrani

Maoritania.:Tsy fahaizana sa fanajana ny fomba amam-panao ?
Ny atao hoe “tsara sy meva”dia arakarak’izay maso mijery: Ny vehivavy nofosana sy matavy dia maro mankafia eto Maoritania; araka ny maha-nofosana azy no hilazana azy hoe “manja”.Ny olona vaventy dia heverina ho mpanankarena .Noho izany ,misy tokoa ireo izay mampiasa fomba tsy marim-pototra mba ho manja kokoa araka ny heviny na koa hiseho ho manan-karena: ny fanatavezan sesi-mototra toy ny fanerena ny vehivavy hitelina couscous roa kilao miaraka amini’ny dibera 2 vera, indray homana. <o:p></o:p>

<o:p> </o:p>

Ny fanatavezana ny maoritanianina vavy no nahatonga ny lahatsoratry i Naomed (Politique au Sénégal) izay novalin’ny mpamaky iray hoe: “tsy azo omen-tsiny ry zareo satria izany no fomba nanabeazana azy”

Nanontany tena ary Naomed (Archiblog) hoe ny tsy fahaizana sy ny fomba amam-panao dia ampy hanome rariny an’izy ireo.

“Les comportements condamnables sont légions dans nos sociétés dont une bonne partie sont légitimés par la tradition et la culture. Je cite en vrac : l'exploitation exacerbée opérée sur les jeunes bonnes et encore plus sur les petits talibés esclaves de leurs marabouts, l'excision, les mariages précoces et arrangés… Tout cela est profondément ancré dans notre culture, parfaitement conforme à nos moeurs. Jusqu'à un certain point, la corruption et la patrimonialisation du pouvoir accompagné du népotisme sont aussi inscrits dans les traditions.

Nous ne sommes pas responsables de l'éducation que nous avons reçue, c'est indéniable, mais jusqu'à quel point pouvons nous nous réfugier derrière cette éducation pour justifier nos actes ?”

Ny fanao tsy mendrika dia maro tokoa eo amion’ny fianantsika ary ny fomba entim-paharazana no entina iarovana an’izany. Ohatra: ny tsindry hazo lena sy ny fanararaotana ny mpanampy an-trano sy ny fanandevozana ireo mpianatra kely (talibe), ny “excision”, ny fanambadiana ankaterena diso tanora loatra. Tafaletika lalina amin’ny fombantsika izany ary mifanojo tanteraka amin’ny fanao entim-paharazana, toy izany koa ny kolikoly, ny didi-jadona ny fanodikodinam-pahefana izay anaty ny fomba nentim-paharazana.

Na ekena aza fa tsy tompon’andraikitra amin’ny fanabezana voarainy izy ireo, hatra’aiza koa no tokony anekena izany ho fiarovan-tena amin’ny eloka tontosa. Tantitsika tokoa ny fanohizana ny fomba eloka be vava raha toa ka eo anivon’nty tanintsika sy raha toa ka olona iray fiaviana amintsika.

Dia hoy ihany I Named: raha fanao tsy mendrika no arovany ny fomba nentim-paharazana sy ny fanabeazana, rariny izany raha ampiarina eraky ny tontolo iainana. Izay soa ho antsika dia tokony ho soa ho any rehetra ho sarotra amintsika izany ny hitsara ny fanandevozana sy famarotana olona izay nampiarina tamin’I Afrika. Ny fanandevozana dia fomba mafy orina taloha. Maro tokoa ny fokonolona niorina tamin’izany amin’ny tany Afrikana, ka mifanaraka amin’ny fomba amam-panao tamin’izany fotoana izany. Ny faran-tenin’I Naomed dia ny fanoherana ny fomba fampiasana ny mpanampy an-trano, izay toy ny fanandevozana tokoa ary asehony ny tsy maha-maripototra ny fiarovana izany nentim-paharazana

Tsy misy amela ny elokin’ireo nanantanteraka izany fanandevozana izany: azo leferina ve ny fanararaotana misarisary fanandevozana ampiarina amin’ny talibe kely sy mpanampy an-trano satria hoe “noho ny fanabeazana taloha sy ny nentim-paharazana izay mbola tsy hita izay maharatsy azy”

Mialy Andriamananjara