The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Pissoa Momba ny mpandika teny

RSS ho an ny Pissoa

momba ny mpandika teny

mikasika an'i Pissoa

57 Lahatsoratra ·

Nanomboka nandika tamin'ny 2007-11-9

Teraka tany Madagasikara, ary nonina sy nianatra tany hatramin'ny faha-20 taona. 3-4 taona izay nifindra eto Afrika Atsimo, mbola mianatra ihany.

imailaka Pissoa

2008-06-11

Uganda

Hoy i Moses Paul, miresaka ny famoretana ny mpanao gazety ao Oganda : “Nametraka rafitra vaovao ny governemanta ka mampiseho fomba iray indray hamehezan'ny fanjakana ny fampahalalam-baovao. Tsy vao voalohany io amin'ny fomba tsy manaraka ny lalam-panorenana ataon'ireo manam-pahefana ao amin'ny governemantan'ny Filoha Museveni mba hanafoana ireo fampahalalam-baovaovao tsy miankina amin'ny fanjakana.”

Meksikô : fitarainan'ny mponina amin'ny fampiasana ny taniny any CopalaVideo post

Any Copala [en], tanana atsimon'i Acapulco ao amin'ny faritanin'i Guerrero any Mexico no nakana ity horonan-tsary ity, miampanga ny nangalan'ny ben'ny tanana [President of Municipal] Gonzalo Gallardo Garcia, mpikambana ao amin'ny antoko Green Ecological [es] ny tanin'i Isabel Pisa sy Fabiola Abarca. Valan-java-boaary natao hiompiana voay moa no nolazaina hoe ...

2008-06-10

Rosia : Ny fahalalahan'ny mpanao gazety

Nisy ady hevitra mahaliana mikasika ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety any Rosia tao amin'ny New York Time amin'ny teny Rosiana, ao amin'ny Live Journal. Mahery ny 1000 ny hevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy Rosiana hita tao amin'ny lahatsoratr'i Clifford J. Levy izay nadika tamin'ny teny Rosiana. Nadika amin'ny teny Anglisy ny 45 ...

2008-05-21

South Africa

Vonona hiatrika ny 2010 ve i Afrika Atsimo, izay mankahala mpiavy ?“, hoy i Bomseh, mpitoraka blaogy avy any Kenya - monina ao Afrika Atsimo. “Manaitra ary toa tsy mampino ny mahita ny fivoaran'ny fanafihana ireo vahiny ao Johannesburg sy ny faritra manodidina ao amin'ny faritanin'i Gauteng. Mihanaka tahaka ny doro tanety ny habibiana vokatry ny fankahalana, tahaka ny nitranga tao Kenya tsy ela akory izay ; amin'izao fotoana izao dia mananika ny 100 ireo mpiavy maty noho io korontana io, anjatony hafa no naratra ary maro no nifindra toerana.”

2008-04-16

Israely : Ny fampiasan'ny tovovavy finday amin'ny fiarahan'olon-droa

Milalao Afo : Ny fampiasan'ny tovovavy palestinianina any Israely Finday [ANG - PDF] [Playing With Fire: On the domestication of the mobile phone among Palestinian teenage girls in Israel] no lohatenin'ny tahirin-kevitra iray nosoratan'i Hiyam Hijazi-Omari sy Rivka Ribak. Ny fampiasan'ireo tovovavy any Israely ny finday moa no nanaovan'izy ireo ...

2008-04-09

Afghanistan : Atrikasa voalohany amin'ny fitorahana blaogy tao Kabul

Nahatontosa ny atrikasa voalohany teo amin'ny tantaran'izy ireo ny Fikambanan'ny Mpitoraka Blaogy ao Afghanistan [Afghan Association of Blog Writers] (Afghan Penlog) rehefa nisedra tsy fahampian'ny vola sy ny herin'aratra. Tamin'ny 3-4 Aprily no natao tao Kabul io atrikasa io niaraka tamin'i Nasim Fekrat sy Masoumeh Ebrahim [Fa], mpitoraka blaogy mavitrika ...

2008-04-06

Liban, Mivarotra Rivotra

Misy tranga iray ity mety (na tsia) mampiseho izay mety hampiasan'ny Libaney ny talentany amin'ny hevitra tsy dia mahazatra hahazoana vola sy hampisehoana ny "fitiavan-tanindrazana". Ramatoa Rasha Najjar no nahita ny hevitra hoe angonina amin'ny tavoahangy ny rivotra ary alefa any ivelany. Novokarina ary ny "rivotra avy any Liban" voatahiry ...

Mamelana ny Voninkazo any Japana

Tonga indray ny lohataona any Japana, nomarihin'ny vonin'ny “cerisiers” voalohany tamin'ity taona ity. Mila tsy ho andrin'ny mponina ny hamoahana ho fivelaran'ireo voninkazo, sy hanamarihany ny andro tsara hanaovana ny fitsangatsanganana eny anivon'ny vonin'ny “cerisiers” (hanami). Ampahafantarina rehefa milaza toetr'andro moa ny famonin'ny “cerisiers” (sakura zensen) - izay mikisaka mianavaratra ...

2008-03-28

Iran : Arovy ny zavaboaryPhotos post

Namoaka sary maro maneho ny ala any amin'ny faritra avaratry Iran i Okay4u, mpitoraka blaogy avy any Iran. Azo atao toerana mahafinaritra ho an'ny fizahan-tany io faritra io araka ny nolazainy saingy tsy rarahin'ny mpitondra Iraniana.

Arabeyes : Tsy Rototra tamin'ny Fifindran'i Magdi Allam ho Katolika ny Mpitoraka Blaogy

Maro ny olon-dehibe nifindra Katolika ary nataon'ny Papa Benedict XVI Batemin'ny tamin'ny faran'ny herinandron'ny Paka teo. Isan'ny natao Batemy tamin'izany i Magdi Allam, Silamo, teratany Ejypsianina, nonina tao Italia nandritra ny antsasaky ny fiainany mahery, ary fantatra koa fa mpitsikera ny "Silamo iringiriny". Na dia "Silamo be" aza no nilazan'ny ...