The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Pissoa Momba ny mpandika teny

RSS ho an ny Pissoa

momba ny mpandika teny

mikasika an'i Pissoa

56 Lahatsoratra ·

Nanomboka nandika tamin'ny 2007-11-9

Teraka tany Madagasikara, ary nonina sy nianatra tany hatramin'ny faha-20 taona. 3-4 taona izay nifindra eto Afrika Atsimo, mbola mianatra ihany.

imailaka Pissoa

2008-08-13

Arabia Saodita : Fanandevozana ao amin'ny helodrano Persika

Tapa-bolana lasa izay dia nanao fitokonana sy fenehoan-kery ireo tera-tany Bangladeshy miasa ao Koety noho ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo sy ny faharatsian’ny lalana mifehy ny asany. Taorian’io fitokonana io dia mahery ny 200 ny mpiasa noroahina tamin'ny asany. Ny hevitry ny mpitoraka blaogy Saodiana roa mikasika ny endriky ...

2008-07-07

Palestina : Nomena loka, avy eo nampijaliana ny mpanao gazety Mohammed Omer

I Mohammed Omer dia mpanao gazety mbola herotrerony avy o Rafah, any Gaza. Vao herinandro maromaro lasa izao dia nahazo ny loka "Martha Gellhorn Award" izy noho ny fanadihadiana nataony mikasika an'i Gaza, raha vao 24 taona monja. Tamin'ny fiverenany nefa dia notazomin'ny Shin Beit i Omer, ary tapak'andro taorian'io ...

2008-07-05

Beijing : Fepetra vaovao hiadiana amin'ny fandotoana ny tontolo iainana

Olympics
Araka ny nolazain'i Danwei dia namoaka lalanan'ny fifamoivoizana vaovao ny ao Beijing izay ampiharina mandritra ny lalao Olympika. Ankoatra ny fepetra hafa, dia ny fiara mitondra laharana miafara amin'ny isa tsy an-kasa ihany no afaka miriaria manomboka ny faha-20 Jolay hatramin'ny faha-20 Septambra 2008. Araka ny vinavinan'ireo tompon'andraikitra moa dia ...

Iran : Homelohina ho faty noho ny blaogy ?

Tamin'ny Alarobia teo dia nanaiky ny parlemanta iraniana ny hiadiana hevitra mikasika ny volavolan-dalana izay "hanamafy kokoa ny sazy ho an'izay manohitohina ny filaminan-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina". Araka io volavolan-dalana io moa dia ho atao isan'ireo heloka mety hampiarana ny fanamelohana ho faty ny "fanaovana tranokala na blaogy manindraindra ny ...

2008-07-04

Tunisia

Mizara ny tantara mahatsiravina nahazo azy i Tunisianbelle, ny nisavana azy sy ny nandrovitana ny akanjony, ary niafara tamin'ny fahatarany tamin'ny fiara-madinina novonjeny … izany rehetra izany noho ny fomba fiakanjony fotsiny.

2008-06-18

Sina : Topi-maso amin'ny sary sikotra eny amin'ny zaridaina Olympika

Olympics
Asehon'i Safin an-tsary ao amin'ny FunEnclave ireo sary sikotra eny an-jaritaina ao Sina, tafiditra ao amin'ny fanomanana ny lalao Olympika atao any Beijing. Hoy ny mpamaky iray, patch01 : Mety mahafinaritra ho an'ireo mpizaha-tany koa, heveriko fa tsy hitolagaga ireo fianankaviana 30000 izay nifindra noho ny fikarakarana ny lalao .........

2008-06-16

Kenya

Fanampim-baovao avy amin'ny mpiasa an-tsitra-po ao amin'ny AVIF any Kenya : Vaovao tapatapany avy aty amin'ny Mercy Home hampahafantarana anareo mikasika ny fitsidihana ataonay, ary mba hanehoana fa nanampy sy nanatsara ny fiainan'ireo vehivavy ato amin'ny Mercy Home ny vola fanampiana natolotrareo.

Irak : Mainty - Lokon'ny hirifiry

Efa zatra mitondra fitafiana mainty ny vehivavy Irakianina amin'izao - lokon'ny alahelo sy fisaonana hoy ny voalazan'ny Inside Iraq. Misy ihany nefa eny anivon'ny haizina eny vehivavy milaza fa manao fitafiana volon-tany, maitso na mavokely mihitsy aza ! Araka ny voalazan'i Correpsondent Jenan dia : Black is the favorite color for ...

2008-06-12

Cedric Kalonji : Kongo (RDK) an-tsaryPhotos post

I Cedric Kalonji dia mpilaza vaovao ao amin'ny Radio Okapi, ary mpanoratra ny blaogy mety malaza indrindra avy ao Kongo. Fa ankoatra ny asany ao amin'ny radio sy ny fitorahana blaogy dia mpaka sary matihanina koa i Kalonji. Nandritra ny andro maromaro izay dia mitety ny sary apetrany ao amin'ny Flickr ...

2008-06-11

Uganda

Hoy i Moses Paul, miresaka ny famoretana ny mpanao gazety ao Oganda : “Nametraka rafitra vaovao ny governemanta ka mampiseho fomba iray indray hamehezan'ny fanjakana ny fampahalalam-baovao. Tsy vao voalohany io amin'ny fomba tsy manaraka ny lalam-panorenana ataon'ireo manam-pahefana ao amin'ny governemantan'ny Filoha Museveni mba hanafoana ireo fampahalalam-baovaovao tsy miankina amin'ny fanjakana.”