The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Pissoa Momba ny mpandika teny

RSS ho an i Pissoa

mikasika an i Pissoa

60 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 2007-11-9

Teraka tany Madagasikara, ary nonina sy nianatra tany hatramin'ny faha-20 taona. 3-4 taona izay nifindra eto Afrika Atsimo, mbola mianatra ihany.

imailaka Pissoa

2008-08-19

Pakistan

Nanao tatitra ny nolazain'ireo filazam-baovao iraisam-pirenena taorian'ny fialan'ny filoha Pakistaney Musharraf i Kamla Bhatt.

Paragoay : Sary tamin'ny fandraisan'ny filoha ny fahefana ao amin'ny FlickrSary post

Tamin'ny faha-15 Aogositra lasa teo no nanao fihanihanana i Fernando Lugo, Eveka Katolika taloha ary lasa filoham-pirenena ao Paragoay. Nampientana ny vahoaka paragoaiana, na ny any an-toerana na ireo monina any ivelany izao fandraisan'ny filoha ny toerany izao. Misy sary ao amin'ny flickr ho an'ireo tsy afaka nanotrona ny lanonana tany ...

Olympics

Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.

Kazakhstana : ny lalao Olympika tamin'ny blaogy

Olympics
 Nangingina ny resaka politika teo anivon'ireo mpitoraka blaogy avy any Kazakhstana noho ny lalao Olympika. Mahasorena an'i Alim Atenbek ny fanamiana nanaovan'ny ekipa avy ao Kazakhstana [ru]: Officials always want to make a buck on everything, and the Olympiad is not an exclusion. The government allocated 68 milion tenge for 226 kits ...

Fifaninanana horonan-tsary ao amin'ny You TubeVideo post

Namoaka horonan-tsary hampielezana ny fifaninanana amin'ny filazam-baovao avy amin'ny firairay ny sampana Citizen News ao amin'ny You Tube. Horonan-tsary amin'ny teny Anglisy, latsaka ny 3 minitra ny faharetany, ary mikasika olona iray eo amin'ny fiaraha-monina izay heverina fa tokony ho fantatry izao tontolo izao ny momba azy no ho raisin'izy ...

2008-08-18

Olympics

Araka ny kajikajy nataon'i Margarete, avy ao amin'ny The foreigner's guide to living in Slovakia dia fahafolo i Slovakia amin'ny isan'ny medaly isan'olona tamin'ny lalao Olympika, raha i Slovenia no voalohany.

Brazil

Nisy nanokatra blaogy vaovao : Bronze Brasil 2008 ho fananihaniana ny vokatra azon'ireo atleta Braziliana tamin'ny lalao Olympika ao Beijin. “Toa rava tanteraka ny nofinofintsika handresy ny record amin'ny lalao Olympika noho izao fahazoantsika ny medaly alimo faha-5 izao. Medaly alimo 5. Andro 6 no nilalaovana. Mety ho tanteraka ny nofinofy. Antsika ny alimo”.

Shina : mampalahelo ny tongotr'i Liu

Olympics
Voatery niala an-daharana ilay mpihazakazaka kalaza, tompon-daka eran-tany amin'ny 110 metatra misy fefy tamin'ny lalao Olympika tany Athena, Liu Xiang androany maraina (ora any Shina) noho faharariana tamin'ny tongony. BEIJING (AP) — Defending Olympic champion Liu Xiang of China pulled out of the 110-meter hurdles Monday, walking away from the blocks ...

2008-08-15

Cote d'Ivoire

Mikasa hikarakara “Blogcamps” ao Abidjan [Fr] i Théophile Kouamouo, mba hihaonan'ireo mpitoraka blaogy any an-toerana, hifampizarany ny traikefany sy hampianarana izay liana amin'ny fitorahana blaogy.

Hehy

Nataon‘i Owen ao amin'ny Lex Libertas ireo hatsikana folo voalohany mikasika ny Kôminisma avy amin'ny fifaninanana tamin'ny aterinteto, izay nandefasan'ny be sy ny maro ny hatsikana ankafiziny.