Iran
Namoaka lahatsoratra mitsikera ny governemanta any Iran ao amin'ny blaoginy i Ali Akbar Javanfekr, mpanolotsainan'ny filoham-pirenena any an-toerana. Tranga iray tsy mahazatra ao Iran izao.
2008-08-26
Namoaka lahatsoratra mitsikera ny governemanta any Iran ao amin'ny blaoginy i Ali Akbar Javanfekr, mpanolotsainan'ny filoham-pirenena any an-toerana. Tranga iray tsy mahazatra ao Iran izao.
Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.
2008-08-22
Mitokona ny mpianatra ao amin'ny Oniversite any Dakara, Senegal noho tsy ny nandohavan'ny fanjakana ny vatsim-pianarana. “Raha miady mafy any Beijing ireo atleta avy amin'izao tontolo izao mba handresy ny zava-bita tsara indrindra eo amin'ny fanatanjahan-tena, dia miezaka kosa ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Cheikh Anta Diop ho tompon-daka amin'ny fitoraham-bato”, hoy i Seneblog [fr].
2008-08-21
Nambaran'i Pablo Flores fa ho avy ny andiany faharoa amin'ny fihaonan'ny Ceibal ao Montevideo, any Orogoay [es]. Fihanonana, tsy ofisialy, ataon'ireo mpahay informatika moa izy ity mba hamoronana rindrankajy “open-source” ho amin'ny solosaina XO.
Mampihomehy sady mahavery hevitra ny fahitan'ny mponina ny nandevonan'ny afo ny trano tao amin'ny antenimiera androany. Tsy mampino, fa tena misy mihitsy nefa ireo faly noho ny nandevonan'ny afo ilay trano.
Resahin'i Zeinobia ato ny fihetse-pon'ny mponina :
They are happy seriously happy in a way you can’t imagine , of course ...
2008-08-20
Araka ny nolazain‘i Kourosh Ziabari dia naverin'ny Yahoo mail ao amin'ny lisitry ny firenena ao amin'ny takelaka fisoratana anarany i Iran rehefa nalany tao nandritra ny volana maromaro.
2008-08-19
Na dia kely aza ny fandraisana anjaran'ireo Libaney amin'ny lalao Olympika any Beijing, dia tsara marihina fa in-dray mandeha ihany no tsy nanana solo-tena tamin'ny lalao Olympika i Libanona hatramin'ny 1948. Ny fandraisan'anjaran'i Libanona amin'ity lalao ity no resahin'i Ajnabiya ao amin'ny lahatsorany farany.