The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Pissoa Momba ny mpandika teny

RSS ho an ny Pissoa

mikasika an'i Pissoa

57 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 2007-11-9

Teraka tany Madagasikara, ary nonina sy nianatra tany hatramin'ny faha-20 taona. 3-4 taona izay nifindra eto Afrika Atsimo, mbola mianatra ihany.

imailaka Pissoa

2008-12-17

Cuba ,
Jamaica

Mamahana avy any Jamaika, Annie Paul no milaza an'i Muntadar al-Zaidi (Ilay mpitoraka kiraroan'i Bush) ho ny  “Olon'ny taona”, fa “izy no nanana aingam-panahy (mampisy aingam-panahy) indrindra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay”, ary nanamarika ihany koa: “Fa tokony deraina tamin'ny valinteniny fohy ihany koa i Bush…” Manana izay lazainy ihany koa ny Review of Cuban-American Blogs sy Yohandry's Weblog (ES).

2008-10-10

Trinidad & Tobago

Tantaran'i Now is Wow Too, mpitoraka blaoby avy ao Trinidad eto ny resadresaka nifanaovany tamin'ny mpivarotra voanio iray.

2008-10-08

Tanzania : Narahin-dranomaso ny Eid

Inona no eritreretr'ireo mpitoraka blaogy Swahili avy ao Tanzania manoloana ny loza nitranga tamin'ny fankalazana ny Eid Al Fitr ? Olona 20 mantsy no maty tamin'ny fankalazana ny Eid Al Fitre tao amin'ny toeram-pikoranana natokana ho an'ny tanora ao Tabora, afovoan'i Tanzania. Raha ny tombatombana dia tanora 7 ka hatramin'ny ...

2008-09-22

Macedonia

Nizara rohin'ny mpitoraka blaogy roa izay naneho horonan-tsary maro maneho ny fanararaotam-pahefana ao amin'ny faritra iray ao Skopje i Razvigor ;-) dia i Komunikacii [MKD] sy Panta Rei [MKD].

2008-09-20

Iran

Araka ny lazain'i Emroozema [Fa], mpitoraka blaogy avy ao Iran  dia 600000 ihany no nolazain'ny Filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadineja fa marary noho ny fidorohana zava-mahadomelina ao Iran. Araka ny voalazan'ny tompon'andraikitra hafa nefa, hoy ihany ity mpitoraka blaogy ity dia mananika ny 3 tapitrisa ny isan'ny marary noho ny zava-mahadomelina ary latsaky ny 19 taona ny ampahatelony.

2008-08-26

Palestina : Hafaliana noho ny namotsorana ireo voafonja

Hafaliana no nitsenan'ny palestiniana ny famotsorana ireo voafonja 199 tany Israely. Tamin'ny Alatsinainy no nambara ny famotsorana azy ireo, ary mety nokendrena hifanindry amin'ny fahatongavan'i Condoleezza Rice any Israely. Efa imbetsaka moa no nahemotry ny mpanatanteraka Israeliana ity famotsorana ireo voafonja ity ary nanao fifidianana telo izy ireo mikasika ity raharaha ...

Shina : Androany no entina eny amin'ny fitsarana ilay raharaha namonoana mpitandro filaminana

Olympics
Androany no hatao ny fitsarana an'i Yang Jia, rehefa nahemotra noho ny lalao olympika. Niditra tao amin'ny tobin'ny mpitandro filaminana ao Shangai izy tamin'ny volana iny, ary namono mpitandro filaminana 6. Araka ny voalaza dia noho ny tsy fahamarinana nataon'ireo mpitandro filaminana sy ny herisetra nataon'izy ireo tamin'ny Yang Jia ...

Iran

Namoaka lahatsoratra mitsikera ny governemanta any Iran ao amin'ny blaoginy i Ali Akbar Javanfekr, mpanolotsainan'ny filoham-pirenena any an-toerana. Tranga iray tsy mahazatra ao Iran izao.

Olympics

Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.

2008-08-22

Senegal

Mitokona ny mpianatra ao amin'ny Oniversite any Dakara, Senegal noho tsy ny nandohavan'ny fanjakana ny vatsim-pianarana. “Raha miady mafy any Beijing ireo atleta avy amin'izao tontolo izao mba handresy ny zava-bita tsara indrindra eo amin'ny fanatanjahan-tena, dia miezaka kosa ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Cheikh Anta Diop ho tompon-daka amin'ny fitoraham-bato”, hoy i Seneblog [fr].