nirinandrea · Janoary, 2013

Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Janoary, 2013

Mpampanoa Lalàna Mikaroka Izay Hikaravasiana Mafy Ireo Vehivavy Saodiana Manao Hetsi-panoherana

Ny Asabotsy 05 Janoary lasa teo, ny fianakavian'ireo voafonja tsy mbola voaheloka dia nahavita nikarakara hetsi-panoherana kely tao an-tananan'i Buraida, Arabia Saodita ho fangatahana ny famotsorana ireo gadra. Vetivety ihany ireo mpanao hetsi-panoherana, izay vehivavy sy ankizy ny ankabeazany, dia efa voahodidina polisy ary nosamborin'izy ireo, satria moa tena voararan'ny lalàna mafy ny fanehoana hevitra ankalamanjàna