nirinandrea · Aogositra, 2012

Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Aogositra, 2012

Rosia : Miala Any Ny “Pussy Riot” & Ny Fitsarana Ao Rosia

Akon  18 Aogositra 2012

Ny 2 Aogositra, efatra andro talohan'ny fitsarana ny Pussy Riot , dia nisy fiakarana fitsarana hafa indray tao Yekaterinburg, ilay foibem-paritry ny Urals. Tsy tahaka iry namany malaza be, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny olona ity fitsarana ity, na tanaty aterineto izany, na teny anaty fampahalalam-baovao, noho ny fahitana azy ho toy ny mari-pamantarana fotsiny ny tsy fetezana eo amin'ny fitondrana ny lalàna sy ny filaminana ao Rosia.

Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro

  11 Aogositra 2012

Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny amin'ny fomba fiainan'ny mponina amin'ny firenena iray izay mety hitarika voka-dratsy lehibe amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.

MENA : Mandray Ny Ramadany

Vao nanomboka indrindra ny Ramadany, volana fahasivy ao amin'ny tetiandron'ny Silamo. Io dia fotoana ifadian'ireo Silamo hanina manomboka ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, mba hanakaikezana kokoa an'Andriamanitra ary Hankalazana ny fahasoavany. Manerana izao tontolo izao, ireo Silamo dia nanao izay hakàna ny fanahin'ilay volana anaty sary maromaro, nizara azy ireo tanaty karazana vohikalam-pifandraisana sosialy isan-karazany