nirinandrea · Janoary, 2012

Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Janoary, 2012

Global Voices Amin'ny Teny Frantsay : Ny Safidin'Ireo Mpandika Teny Ny Taona 2011

Ny taona 2011, ireo mpandika teny an-tsitrapo ao amin'ny Global Voices izay miteny Frantsay dia nahavita nandika lahatsoratra an-jatony ary nampahafantatra ny vaovao manerana izao tontolo izao ary tianay ny hiteny hoe "Misaotra!". Nanontanianay hoe inona ny fandikàna nanamarika azy ireo indrindra, nandritra iny taona lasa iny. Ireto ny safidin'ireo mpandika teny Frantsay!

Peroa : Mozika Krismasy Afro-Peroviana

  20 Janoary 2012

Ny Krismasy, fankalazana iray izay nentin'ny Espaniola tao Peroa tany amin'ny fanombohan'ny taonjato faha enina ambin'ny folo, dia neken'ireo vondrom-piarahamonina samihafa tao amin'ny firenena tsikelikely nandritra ny taona maro. Iray amin'ireny indrindra , ny vondrom-piarahamonin'ny mainty hoditra, izay saiky niara-tonga tamin'ireo Eropeana, sady Kistianina mafàna fo, no nahavita nampiditra ny maha-izy azy tao amin'ilay fety, naneho ny zavatra niainany manokana tanaty asa famoronana ara-javakanto natao ho fanomezam-boninahitra ilay fety.

Rosia : Tsy Nahavita Nifankahazo Ny Mpanohitra Tao Saint-Petersbourg

Ireo hetsi-panoherana talohan'ny fifidianana ny volana Desambra 2011 dia ahitàna karazany roa : 'Mpanohitra matihanina' sy ireo mponina velom-panahiana. Tao Moscou, ireo karazany roa ireo dia nahavita nivondrona mba hanomana ny iray amin'ireo hetsika am-pilaminana isan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tao Saint-Pétersbourg, na izany aza, ilay famoriam-bahoaka dia nivadihan'ny iray tamin'izy ireo. Maria Lelyuk dia nanadihady ny fanehoan-kevitr'ireo mponina.