nirinandrea · Novambra, 2011

Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Novambra, 2011

Ejipta : Fanaingan-tsoroka Revolisionera Tamin'ny Fametraham-pialanà Kabinetra

Ny Kabinetran'i Dokotera Essam Sharaf dia vao avy nanontany raha afaka ny hametra-pialana izy ireo ary ny Supreme Council for Armed Forces(SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana dia mbola eo an-dalam-pandraisana fanapahan-kevitra na ho ekena ilay fametraham-pialana na tsia. Ho an'ireo mafàna fo sy mpanao hetsi-panoherana niady tamin'ny polisy sy ny miaramila ao anatiny sy ary manodidina ny kianja Tahrir efa ho telo andro izao , dia tsy nitondra zava-baovao teo ambony latabatra ilay vaovao. Ny zavatra tena nangatahan'izy ireo dia ny hialan'ny SCAF eo amin'ny fitondrana ary hanome ny fahefana amin'ny governemanta sivily.

Filipina : Nosamborina Ilay Filoha Teo Aloha

  23 Novambra 2011

Ilay Filohan'i Filipina teo aloha Gloria Arroyo dia napetraka eo ambany 'fanaraha-maso ao amin'ny hopitaly' taorian'ny niampangana azy tamin'ny fanakorontanana fifidianana. Fanehoan-kevitra anaty aterineto maro no nahatonga ilay tenifototra #ArroyoArrest ho iray amin'ireo lohahevitra malaza indrindra eran-tany.

Però : Ny Grevin'ny Tantsaha Ao Andahuaylas

  21 Novambra 2011

Talata, 8 Novambra, dia nanamarika ny andro faha enina amin'ny grevin'ireo mpamboly izay manohitra ny lahasa fitrandrahana ao amin'ny faritr'i Andahuaylas, ao Apurímac, faritr'i Peroa. Nanao fanadihadiana tamin'ny alàlan'ny Twitter ireo mponina koa satria moa mbola nitohy ilay grevy.

Etazonia : Fanesorana Tampoka Ny Hetsi-panoherana Bodoy ny “Wall Street”

  20 Novambra 2011

Ny marainan'ny 15 Novambra, Ireo mponina avy ao Etazonia dia taitra tamin'ilay vaovao nilaza fa ny polisy dia nandroaka ireo mpanao hetsi-panoherana bodoy ny "Wall Street" ao amin'ny Zuccotti Park tsy nisy fampandrenesana mialoha akory. Toy ny mahazatra, betsaka ny hevitra izay nifamahofaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tambazotra ara-sosialy.