nirinandrea · Aogositra, 2011

Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Aogositra, 2011

Costa Rica: Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty, Foto-pinoana ary Zon'ny vehivavy

  29 Aogositra 2011

Ny Alahady lasa teo , 14 Aogositra 2011, no nisy ny Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty tao San Jose renivohitra nahatonga fanoherana mahery vaika avy amin'ny filazam-baovao sy ara-pinoana noho ireo hira sy seho an-tsehatra mahery setra lazaina ho manohitra ny fiangonana. Ilay adihevitra nafana dia samy nandrakotra ny filazam-baovaom-bahoaka sy ny haino aman-jery avokoa satria ny mponina dia naneho hevitra tao amin'ilay dikanteny Costa Ricain amin'ity hetsi-panoherana nalaza eran-tany ity.

Rosia: Ireo Bilaogera Nahatsiaro ny Fitsingerenan'ny faha 20 taonan'ny Fanonganam-panjakana ny Volana Aogositra

Akon  27 Aogositra 2011

Ny 19 Aogositra 2011, Ny Rosiana dia nankalaza ny faha 20 taona nanomboka tamin'ilay "August Putsch," ( Fanonganam-panjakana ny Volana Aogositra) "coup d'etat" tsy nahomby, notarihin'ny manampahefana vitsivitsy avy tao amin'ny KGB sy andianà miaramila izay nanohitra ny fandaharan'asam-panovan'i Gorbachev sy ny fanapariahana ny fahefana any amin'ireo Repoblika Sovietika. Notarihana ho eny an-dalambe ny mponina mba hiaro ny demokrasia , ary mahatsiaro ny ezaka nataony ireo bilaogera .

Tonizia: ” Mitaky Fitsarana Mahaleotena ny Vahoaka”

“Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka" io no hevi-dehibe nohindrahindraina tato ho ato teny amin'ny araben'i Tonizi. Afef Abrougui nijery ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera taorian'ilay famotsorana ireo minisitra roalahy sady namana akaiky an'ilay lehilahy matanjaka Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ary nahatonga antso hanaovana hetsi-panoherana maro hatrany ny famotsorana azy.

Trinite & Tobago: Fahatsiarovana An'i Profesora Julian Kenny

  21 Aogositra 2011

Ny Talata lasa teo, 9 Aogositra,Trinité sy Tobago dia very tia tanindrazana iray. Julian Kenny, Profesora momba ny valan-javabohary tao St. Augustine Augustine ao amin'ny Oniversite an'i West Indies, fa efa nisotro ronona, natoralista, Senatera tsy miankina teo aloha tamin'ny Parlemanta fahadimy sy fahaenin'ny Repoblikan'i Trinité sy Tobago, mpanoratra , mpanao lahatsoratra an-gazety, mpaka sary sy nahazo ny Medaly lehibe Chaconia (Volamena ) noho ny fiarovana ny tontolo iainana , maty teo amin'ny faha 81 taonany. Ilay vaovao mampalahelo dia niparitaka be teo noho eo tamin'ny alalan'ny filazam-baovao ara-piarahamonina, miaraka amin'ireo mpianatra teo aloha nandefa lahatsoratra ho fanomezam-boninahitra noho ny lova navelany.

Zambia: Mitaraina sy Mandoka Amin'ny Làlana Elektronika

  15 Aogositra 2011

Dear Zambia ( na Ho an'i Zambia) dia tsy toy ny Vohikala mahazatra anao izay ny votoatiny dia ireo manampahaizana sady mpikaroka siantifika no mametraka azy ao andamosina ao. Mifanohitra amin'izay, ny ao anatiny dia novokarin'ireo Zambiana voan'ny tsika'ombalahy noho ny zavatra tsy manjary eto amin'ny firenena, na, koa , ireo tsy manan-javatra tsara hambara mihitsy mikasika zavatra iray sarobidy, indrisy.

Espana : Mpanao Gazety Nosamborina Ary Fihetsiketsehana Voasakantsakana

  14 Aogositra 2011

Ny hetsi-panoherana Espanola 15 m izay nahangona olona an'arivony teny an-dalambe hangataka rafitra ara-demokratika kokoa dia tonga tamin'ny dingana iray vaovao. Nanapa-kevitra ny manampahefana ny 2 Aogositra fa handràra ny fihetsiketsehana rehetra ary nampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hivorivory. Rakotra fanehoan-kevitra sy fampitam-baovao avy amin'ny mponina ny tambajotram-piarahamonina.

Bangladesh: Faha-40 Taonan'ilay Fampisehoana Ho An'i Bangladesh

  11 Aogositra 2011

Ilay 'Fampisehoana ho an'i Bangladesh', Fampisehoana fitadiavam-bola nokarakarain'i George Harrison sy Ravi Shankar 1 Aogositra 1971, dia zavatra izay tsy fantatry ny maro. Bilaogera avy ao Bangladesh no nankalaza ny faha 40 taonan'io seho io ary niteny tamin'izao tontolo izao hoe maninona io no misy lanjany ho an'i Bangladesh

Korea Atsimo : 41 No Maty Tao Anatin'ny Tondra-drano Mahery Vaika Sy Fihotsahan'ny Tany

  07 Aogositra 2011

Oram-batravatra be no namely an'i Korea Atsimo nandritra ny andro maro nifanesy, nahatonga firotsahana tany, tondra-drano ary fahatapahan-jiro. Farafahakeliny 41 ny olona maty ary 12 no mbola tsy hita hatramin'izao. Nandritra ilay loza voajanahary, Koreana Tatsimo maro no nizara fanavaozam-baovao, sary maro ary toro-hevitra mahasoa ho an'ireo tra-doza tamin'ny alalan'ny Twitter.

Taratasy Iray Avy Ao Shina Ho An'ilay Norveziana Mpamono Olona

  06 Aogositra 2011

Maro ireo mponina ao Shina no tsy mahazo ny zava-doza nataon'i Anders Behring Breivik tao Norvezy. Saingy kosa tsy dia miraharaha ny antony nanosika azy sy ny foto-kevitra nijoroan'i Breivik. Eo imason'izy ireo, Norvezy dia paradisa, any ny olona no miaina amin'ny fahafaha-mividy ambony ary tsy mila ny hiatrika ny fahasahiranana ara-pivelomana. Ahoana no mahatonga izany?