nirinandrea · Jolay, 2011

Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Jolay, 2011

Kolombia: Fahafatesan’ Ilay Mpihira Joe Arroyo

  31 Jolay 2011

Kolombiana mpihira salsa i Álvaro José Arroyo González, fantatra amin'ny anarana hoe Joe Arroyo, nodimandry ny 26 Jolay tao Barranquilla. Tao amin'ny Twitter, bilaogy maro sy vohikala maro no nanehoan'ireo mpitia azy ny fahatsiarovana ny fiainany sy ireo hirany

Kolombia: 201 Taona Nahazoana Fahaleovantena

  28 Jolay 2011

Araka ny efa nambaranay tamin'ny lahatsoratra farany, Kolombia dia nankalaza ny andro nahazoany fahaleovantena ny 20 Jolay lasa teo. Ny aterineto, araka ny efa nampoizina, dia sehatra iray nanehoana hevitra maro sy tranga samihafa noho ny fireharehana hoe teraka tao amin'izany Firenena izany ka hatramin'ny resaka kiana ara-politika.

Kiobà: Ho Fiarovana ny “Las Damas”

  27 Jolay 2011

Manohy hatrany manavao ny lahatsorany ireo Kiobana mpitoraka bialogy mikasika ny fanafihana farany tao Las Damas de Blanco (The Ladies in White Ireo Vehivavy Mitafy Fotsy), ka nisy tamin'ireo mpikambana no voalaza fa nizaka "fanafihana ary daroka an-kerisetra nataon'ny olona mpikambana ao amin'ny Mpitandro Filaminam-Panjakan'i Castro, ka taitra hatramin'ny fiangonana

Pakistana: Mangataka Hitsaràna Ny Raharaha Saleem Shahzad

  27 Jolay 2011

Maro ireo niahiahy ny sampam-pitsikilovana eto amin'ny firenena ho ao ambadik'io fakàna an-keriny sy famonoana an'i Shahzad tamin'ny May 2011, tompon'andraikitry ny biraon'ny Asia Online na Azia anaty aterineto. Ny vaomieram-pitsarana napetraka hanadihady momba ilay vono olona dia nitaraina noho ny tsy fahampian'ny fanampiana tonga, ary betsaka ireo matahotra ny hanoheran'ny olona ny valim-pitsarana.

Shina: Ento Any Amin'ny Faritra Ambanivohitra Ireo Bokinao

  23 Jolay 2011

Yu Jianrong, Sinoa manampahaizana malaza amin'ny fampandrosoana ny any ambanivohitra sy ny fanoherana ara-tsosialy miainga avy any fototra, dia namoaka fanentanana tselatra mba hizaràna boky efa niasa ho an'ireo tanàna ambanivohitra tany ampiandohan'ny volana Mey.

India: Mombai Niaina Tontolo Andro Feno Horohoro

  21 Jolay 2011

Androany hariva baomba telo no nifanesy nipoaka tao anatin'ny tsena fivarotana be olona mifamahoaho tao Mombai. Haingana ny famoahan'ny mponina ny vaovao any amin'ny fampielezam-baovao sosialy ary mifanolotra fomba hifanampiana. Tamin'io andro io no nahitanay ezaka matotra avy amin'ny mponin'ny aterineto izay nampiasa fomba fampitam-baovao toy ny Google sy Ushahidi niaraka tamin'ireo mpandefa Tweet

Pero: Fitokonan'ny Mpitatitra Tao Lima: Fampielezan-Kevitra Ho Fanoherana Ny Ben'ny Tanàna?

  20 Jolay 2011

Ny ben'ny tanànan'i Lima, Susana Villarán avy ao amin'ny antoko politika Hery Sosialy ho an'ny Fanapariahana [es], dia efa nahita karazana fanakianana maro sahady tao anatin'ny enim-bolana nitondrany. Ny fitokonana nataon'ireo mpiasan'ny fitaterana ny 13 jolay no isan'ny raharaha goavana miandry ny ben'ny tanàna. Bilaogera sy mpampiasa Twitter maro no nizara ny fahitan'ny olona, fanadihadiana maro, sary sy famakafana nandritra ilay fitokonana.