Lahatsoratra farany an'i nirinandrea
14/05/2013
Tafatafa Tamin'i Makaila Nguebla, Tsadiana Mpanao Gazety, voaroaka Avy Ao Senegal Ho Any Ginea
Noroahan'ireo manampahefana senegaley ho any Ginea ny 8 may 2013 teo ilay mpanao gazety Makaila Nguebla. Nanazava mikasika io izy nandritra ny tafatafa iray natao taminny
12/05/2013
Orinasa Mpanao Labiera Manaisotra Ny Fangiazam-pananan'ny Federasiona Panameana Momba Ny Baolina Kitra
Nanaisotra ny fangiazam-pananan'ny Federasiona Panameana Momba Ny Baolina Kitra ny Baru Brewery taorian'ny bitsika iray niteraka resabe nalefan'ny Filoha Ricardo Martinelli tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter.
23/02/2013
Naàton'ny Fitsarana Braziliana Ilay Taratasy Fanesorana Ireo Vazimba Teratany Tao Guarani-Kaiowá
Nahazo fanohanana goavana tamin'ilay tolona natao hanoherana ny fanalàna azy ireo tamin'ny taniny ilay fanentanana faobe tanaty aterineto izay valin'ilay antso nataon'ireo vazimba teratany ao Guaraní-Kaiowá tao Pyelito Kue ao Mato Grosso do Sul dia. Ny faran'ny volana Oktobra 2012 lasa teo,nanapa-kevitra ny fitsarana ao Brazila ny hanafoana ilay didy fanesoràna azy ireo amin'ny taniny. Na dia izany aza anefa,mbola mitohy ny tolona mandra-panamarika mazava tsara ny faritry ny tanin'izy ireo.
29/01/2013
‘Fifidianana Carousel ‘ Areti-mifindran'ireo Fifidianana Kyrgyz
Nifarana hatreo ilay fampielezan-kevitra feno fitsabahana sy nandreraka tao Kyrgyzstana, izay efa ho telo volana izay satria efa voaisa ireo vato ho an'ny fifidianana monisipaly dimy natao ny 25 Novambra. Kanefa taorian'ny valim-pifidianana, lahatsoratra iray avy amin'ny mediam-bahoaka no namela marikivy tao ambavan'ny rehetra.
23/01/2013
Mpampanoa Lalàna Mikaroka Izay Hikaravasiana Mafy Ireo Vehivavy Saodiana Manao Hetsi-panoherana
Ny Asabotsy 05 Janoary lasa teo, ny fianakavian'ireo voafonja tsy mbola voaheloka dia nahavita nikarakara hetsi-panoherana kely tao an-tananan'i Buraida, Arabia Saodita ho fangatahana ny famotsorana ireo gadra. Vetivety ihany ireo mpanao hetsi-panoherana, izay vehivavy sy ankizy ny ankabeazany, dia efa voahodidina polisy ary nosamborin'izy ireo, satria moa tena voararan'ny lalàna mafy ny fanehoana hevitra ankalamanjàna
14/11/2012
Miatrika Sazy Henjana Kokoa Ireo Mpaka Vady An-keriny Ao Kyrgyzstan
Na dia heloka aza ny fakàna vady an-keriny ao Kyrgyzstan, dia mbola betsaka ireo lehilahy manohy maka an-keriny ireo tovovavy iriany ho vady. Vao tsy ela akory izay,namoaka lalàna ireo parlemantera tao Kyrgyz noho ny tery vay manta nataon'ireo fikambanam-behivavy. Ary ankehitriny ny fakàna an-keriny tovovavy sy ny fanerena azy ireo hanambady dia heloka be vava mitovy amin'ny halatra ondry iray ihany koa .
18/08/2012
Rosia : Miala Any Ny “Pussy Riot” & Ny Fitsarana Ao Rosia

Ny 2 Aogositra, efatra andro talohan'ny fitsarana ny Pussy Riot , dia nisy fiakarana fitsarana hafa indray tao Yekaterinburg, ilay foibem-paritry ny Urals. Tsy tahaka iry namany malaza be, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny olona ity fitsarana ity, na tanaty aterineto izany, na teny anaty fampahalalam-baovao, noho ny fahitana azy ho toy ny mari-pamantarana fotsiny ny tsy fetezana eo amin'ny fitondrana ny lalàna sy ny filaminana ao Rosia.
11/08/2012
Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro
Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny amin'ny fomba fiainan'ny mponina amin'ny firenena iray izay mety hitarika voka-dratsy lehibe amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.
Manomboka Mametraka Ny Toerany Amin'ilay Lalao Olaimpika Ao Londona i Amerika Afovoany
Herinandro taorian'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika tao Londona, i Amerika Afovoany dia saika nahazo medaly iray kanefa nisy niavaka ihany. Vavolombelon'izany ireo tambajotra sosialy ary milazalaza amintsika ny mombamomba ny zava-bitan'ireo avy any Goatemalà, Honduras, ary Nikaragoa.
05/08/2012
MENA : Mandray Ny Ramadany
Vao nanomboka indrindra ny Ramadany, volana fahasivy ao amin'ny tetiandron'ny Silamo. Io dia fotoana ifadian'ireo Silamo hanina manomboka ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, mba hanakaikezana kokoa an'Andriamanitra ary Hankalazana ny fahasoavany. Manerana izao tontolo izao, ireo Silamo dia nanao izay hakàna ny fanahin'ilay volana anaty sary maromaro, nizara azy ireo tanaty karazana vohikalam-pifandraisana sosialy isan-karazany






























RSS ho an i nirinandrea




Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa