Ornella · Jolay, 2013

Lahatsoratra farany an'i Ornella tamin'ny Jolay, 2013

Mijoro Hiaro Ilay Hazo Oak 600 Taona i Serbia

  28 Jolay 2013

Niteraka fikorontanam-bahoaka ilay drafitr'asa fanafoanana ny saha maitson'i Gezi any Istambul herinandro vitsy lasa izay, efa niatrika ady mitovy amin'izany ny vahoaka Serba. Nisy tetikasa fanamboarana làlambe natao hamonoana ilay hazo oak (chêne) 600 taona tao afovoan'i Serbia, fa taorian'ny andro maro nanaovana hetsika fanoherana dia nilefitra ihany ny governemanta ka nanova ny làlan'ilay tetikasa fanorenana mba hamonjena ilay oak.

Kambodza : Sarintany Mampiseho Ireo Faritra Tratran'ny Fahatapahan'ny Herinaratra

  06 Jolay 2013

Nahatonga tselatr'afo tamin'ny aterineto ny fahatapahan'ny herinaratra ankapobeny ka nahatonga adihevitra momba ny fipetraky ny herinaratra ao amin'ny firenena. Mangataka fanazavana momba ny fiverimberenan'ny fahatapahan-jiro tato anatin'ny volana vitsy lasa ny vahoaka. Nanao sarintany mampiseho ireo toerana iharan'ny fahatapahan'ny herinaratra ao amin'ny tanànan'i Phnom Penh City ny Urban Voice.

Nepal : Mpanao Gazety Voasambotra Fa Namoaka An-Gazety Ny Fiainana “Firaisana Ara-nofo” Tao Aminà Sekoly Iray

GV Mpisolovava  04 Jolay 2013

Mpanao gazety Nepale telo voaheloka ho namoaka vaovao mahatezitra sy manala baràka tamin'ny aterineto no voasambotra tamin'ny herinandro teo. Nentin'ny mpitandro filaminana hotanana vonjimaika izy ireo taorian'ny fitarainana napetraky n y manampahefana avy ao amin'ny Oniversitem-panjakana zay nitory azy ireo ho namoaka lahatsoratra momba ny fampiasan'ny mpianatra zazavavy baranjely ho solonà filahiana.