Ornella · Febroary, 2013

Lahatsoratra farany an'i Ornella tamin'ny Febroary, 2013

Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa

  18 Febroary 2013

Voasazy sivy volana an-tranomaizina ilay mafàna fo ao Hong Kong tamin'ny Alakamisy noho ny nandoroany sy nandrovitany sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantaona nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe , nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho fanoherana ilay sazy mavesatra..

Mozambika : An'aliny Ny Trà-Boina Noho Ny Habetsahan'ny Orana

  08 Febroary 2013

Nilatsaka nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana Janoary ny orana ary nandrava ny afovoany sy ny ilany atsimon'ny firenena, tany Mozambika. An'aliny ny olona nafindra toerana ary 45 no maty araka ny tatitra. Raha mbola mitombo ny trà-boina sy ny faharavàna, dia niantso firaisankina sy naneho ny hatezerany manoloana ny halatra sy ny fandrobàna misy ny vondron'ny mpiserasera amin'ny aterineto.

Ady Amin'ny ” Jadona Mahery Vaika” Any Amin'ny Faritra Fitrandrahana Arintany Any Okraina

  05 Febroary 2013

Tany Severnyi, tanàna ravan'ny fitrandrahana arintany ao atsinanan'i Okraina, ilay bilaogera ao amin'ny Donetsk Stanislav Kmet (mpampiasa ny LJ frankensstein), rehefa nandefasan'ny vondronà mponina mailaka izay mangataka ny hanampiana azy ireo mba hisintonanana ny sain'ny olona ho any amin'iio fitrandrahana tsy ara-dalàna io, izay mitady handrava ny tranon-dry zareo.

Côte d'Ivoire : Voampanga Ho Nanao Heloka An'Ady i Charles Blé Goudé

  05 Febroary 2013

Taorian'ny fisamborana azy tany Ganà, Charles Blé Goudé, ilay antsoina hoe ny jeneralin'ny làlambe sady havana akaikin'ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo, dia voaheloka tamin'ny 21 Janoary noho ny heloka an'ady vitany. Nampikoriana ranomainty ( na "kilo-octets" no marimarina kokoa) tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoarianina io fisamborana azy io satria tao anatin'ny fotoana fanandratana ny fampihavanam-pirenena any Côte d'Ivoire no nisehoany.

Koety: Mitokona Tsy Misakafo Ilay Mafàna Fo Tsy Manana Zom-Pirenena.

Nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina tao am-ponja ilay mpikatroka mafàna fo tsy manana zom-pirenena Abdulhakim AlFahdi, ny 16 Janoary teo, rehefa nandray ny saziny roa taona an-tranomaizina. Nampangain'ny fitsarana fa namely mpitandro filaminana iray tamin'ny hetsi-panoherana natao tamin'ny volana Marsa teo ity mafàna fo ity. Nolazain'ilay mpikatroka mafàna fo fa noforonina mba hiampangàna azy ity fanenjehana ity noho ny hafanam-pony ara-politika amin'ny fangatahana ny zon'ny vondrom-piarahamonin'ireo tsy manana zom-pirenena any Koety