GlobalVoices anaty

Nancy

Momba ny mpandray anjara · 79 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 07/10/2010

RSS ho an i Nancy RSS ho an i Nancy
imailaka Nancy

Lahatsoratra farany an'i Nancy

19/05/2013

Efraín Ríos Montt Voaheloka Ho Namono Olona Sy Nanao Heloka Bevava Tamin'ny Olombelona

Tohin'ny lahatsoratra

Voaheloka ho namono olona sy nanao heloka bevava tamin'ny olombelona i Efraín Ríos Montt mpanao didy jadona taloha tany Goatemalà. Voaheloka 80 taona an-tranomaizina ilay Jeneraly 86 taona. Io didim-pitsaràna ohatra io no mpisava làlana ho an'ireo tsy fifanarahana rehetra mbola misy ankehitriny eto ambonin'ny tany..

Mpitarika Vaovao Ho An'ny Mpilalao Cricket West Indies

Tohin'ny lahatsoratra

Nampahafantarin'ny Komitin'ny mpitantana ny lalao Criket any Indies Andrefana ny ekipany ho any amin'ny Champions Trophy an'ny Filankevitra Iraisam-pirenena ho an'ny lalao Cricket (ICC) , saingy izay tena maresaka ao amin'ny faritra dia ny fanapahan-kevitra hanoloana an'ilay St. Lucian Darren Sammy amin'i Dwayne Bravo teraka tany Trinidad ho mpitarika ilay ekipan'ny Andro Iray Iraisam-pirenenane - One Day International (ODI).

Hongria : Mpanao Politika Namono Vady, Alika Jamba No Meloka

Tohin'ny lahatsoratra

Novelesin'i József Balogh, mpanao politika iray amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna Hongroa ny vadiny ary tsaboina any amin'ny toeram-pitsaboana. Nambarany fa naronjon'ny alika jamban'ny fianakaviana izy, nefa ilay vehivavy nilaza fa novonoin'ilay mpanao politika izy. Mandinika ny momba ireo memes sy ny adihevitra nahatonga io olana io i Marietta Le.

29/04/2013

Gresy : Fahadisoam-panantenan'Ireo Tsy Misy Taratasy Ara-Dalàna Migadra

Tohin'ny lahatsoratra

Naparitaka tao amin'ny Twitter ny tantaran'ny hadisoam-panantenana, rehefa avy nitsidika ny tobin'ny mpitandro filaminana any Drapetsona any Piraeus , toerana misy ireo mpifindra monina tsy nahazo alàlana maherin'ny 100 miaina amin'ny toerana tsy mendrika sy haizina ireo mpanao politika, mpanao gazety ary ireo mpikatroka mafàna fo mpanohitra ny fanavakavahana. Isan'ireo mpitsidika sy nitatitra izany i Maria Sidiropoulou, mpanoratra ao amin'ny GV.

26/04/2013

Video Lahatsoratra
VIDEO: Radiom-Bahoaka Any Ginea-Bisao Ho an'ny Vahoaka Fa Tsy Politika

Tohin'ny lahatsoratra

Misy zavatra tsara ataon'ny radiom-bahoaka any Ginea-Bisao ankoatra ny fandefasana hirahira amin'ny onjam-peo, araka ny nolazain'ny fanadihadiana " Ny Feon'ny vahoaka". Radio izay namonjy ain'olona nandritra ny fihanaky ny valan'aretina kolerà, niady tamin'ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, ary nanohitra ny fanavakavahana ara-taovam-pananahana, tamin'ny fampiraisana ireo vondrom-piaraha-monina misy ao an-toerana manodidina ny harenan'ny mozikan'i Ginea-Bisao.

15/04/2013

Brezila : Miatrika Famaky Ny Hazo Tranainy

Tohin'ny lahatsoratra

Nandrahona ny hihanika sy hipetraka eny ambonin'ireo hazo tranainy efa zato taona ny mponina ao Porto Alegre any atsimon'i Brezila mba hiarovana azy ireo tsy ho ravan'ny tetikasa fanitarana ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014.

14/04/2013

Lesona Ho An'i Okraina Ny Fanatanjahantena Kroaty

Tohin'ny lahatsoratra

Betsaka no tokony hianaran'i Okraina izay misy mponina 45 tapitrisa amin'i Kroasia, izay manana mponina mahery kelin'ny 4 tapitrisa raha resaka fikarakaràna hetsika ara-panatanjahantena ho an'ny ankizy no resahana.

08/04/2013

Fikarohana Lalam-baovao Ho Fampihenana Ny Fahantrana

Tohin'ny lahatsoratra

Ny zavatra tadiaviana dia ny vahaolana ho fampihenana ny fahantrana satria efa manakaiky ny 2015 fetra farany ho an'ny Tanjon'ny Taonarivo ho a'ny Fampandrosoana napetraky ny Firenena Mikambana na UN Millenium Development Goals (MDG). Vondrona maro no mitady làlam-baovao mba hahita valiny.

Sary Lahatsoratra
Fahatsiarovana ny Fahafolo Taonan'ny Ady Tany Iraka

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny herinandro lasa teo no nanamarihana ny fahafolo taona nanambaran'ny fitondrana George W. Bush ny ady tany Iraka, ampahany amin'ny ady ataony amin'ny asa fampihorohorona. Naneho ny heviny ny mpiserasera amin'ny aterineto any Amerika.

07/04/2013

Zimbaboe: Nosamborin'ny Mpitandro Filaminana Ny Sangany Amin'ny Mpiaro Ny Zon'Olombelona

Tohin'ny lahatsoratra

Iray andro taorian'ny nankatoavan'ny Zimbaboeana an-tapitrisa ilay lalàm-panorenana vaovao izay hiafara amin'ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka atsy ho atsy amin'ity taona ity, dia voasambotra ilay mpiaro ny zon'olombelona malaza, Beatrice Mtetwa, rehefa nangataka taratasy fanamarinana tamin'ny mpitandro filaminana nikasa hisambotra ireo olona arovany.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny