miora · Jolay, 2013

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jolay, 2013

Fandikàna Ireo Hira Pop Ho Amin'ny Teny Inuktitut

Rising Voices  29 Jolay 2013

Kelly Fraser, mpianatra sady mpihira Inuit, dia mihira ireo hira malaza taorian'ny namadihany azy ireo ho amin'ny teny Inuktitut. Miantefa any amin'ireo tanora Inuit ny hirany, izay mahita ny tenin'izy ireo tarafina anatin'ireo hira efa fantany, amin'ny alalan'ny fizaràny izany ao amin'ny YouTube sy ny SoundCloud.

MERCOSUR Sy Ny Hoavin'ny Aterineto Any Amerika Latina

GV Mpisolovava  24 Jolay 2013

Ny Zoma lasa teo, namoaka fanambarana hentitra manohitra ny fanaraha-maso goavana ataon'ny governemantan'i Etazonia ny olom-pirenena ao aminy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemantan'i Amerika Latina nandritra ny fihaonana maika nataon'ny MERCOSUR, firaisana ara-toekarena sy ara-diplomatikan'ireo mpitarika any Amerika Atsimo. Manakaiky io fihaonana io, nisy vondron'olona mafana fo, mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony ary Fikambanana tsy miankina avy ao Amerika Latina nanoratra taratasy misokatra [es] ho an'ny MERCOSUR, manasa ireo mpitondra haka ny hevitry ny fiarahamonina sivily mba hananganana politika miaro ny zon'olombelona ao amin'ny faritra

Brazila : Manokatra Ivontoeram-panabeazana ho an'ny indizena ny Foko Breziliana iray

  21 Jolay 2013

Ela ny ela ka nisokatra ihany ilay ivontoeram-panabeazana iray naorin'ny foko Paiter-Surui [en] any amin'ny faritra breziliana any Amazonia, izay hanome fanofanana arak'asa ireo indizena any amin'ny faritra. Manantena izy ireo fa hisy andiana tranobe hatsangana mba ho faritry ny anjerimanontolo ho an'ny foko Paiter-Surui any Brezila, tsy manam-paharoa any amin'ny firenena.

Ilay Vavy Antitra sy ny Ovy: Niparitaka ny Tantaran'ny Fahantran'i Ukraine

Olena Danko, mpanao gazety dia nanoratra lahatsoratra fohy momba ny fifanenany tamina vavy antitra iray tany an-tsena izay tsy nanana afatsy vola kely mba hividianana singan'ovy tokana. Tantara mampalahelo hahalalana an'i Ukraine izany, izay tsy mahagaga intsony ny olona izay efa nonina tany amin'ny firenena na dia nandritra ny fotoana fohy aza. Saingy tanaty ora vitsy monja dia efa niparitaka...

Miala Amin'ny Maha-Filohan'ny Anjerimanontolo Azy Fa Marary Mafy Ny Rain'ilay Rindrimbe Aro Afo Goavana Ao Shina

  07 Jolay 2013

Fang Binxing, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ny torohay, nomena solon'anarana hoe “rain'ny Great Firewall - Rindrimbe Aro Afo Goavan'i Shina”, dia niala tamin'ny toeran'ny filohan'ny Anjerimanontolon'i Beijing misahana ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Nampitraotra ny tao anaty aterineto ary nahatezitra ny vondrom-piarahamonin'ny manampahaizana mikasika ny Aterineto ny fanapahan-keviny tampoka ny hiala--nataony nandritra ny kabariny fanokafana taom-pianarana teny amin'ny anjerimanontolo.

Sempotry Ny Zavona i Singapore Sy Malezia

  07 Jolay 2013

Nahatakatra haavony mampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra any Singapore sy Malezia taorian'ny nandrakofan'ny setroky ny doro ala ny mpiray vodirindrina aminy, Indonezia. Io no zavona ratsy indrindra hita tany Azia Atsimo tanatin'ny taona vitsy. Nampiato ny fianarana tany amin'ireo toerana tratr'izany i Malezia raha nanome sosokevitra ny vahoakany hiomana amin'ny fihitaran'io zavona io. Efa nanao fialantsiny ofisialy i Indonezia manoloana io zavona io.