miora · Oktobra, 2012

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Oktobra, 2012

Zambia: Lahatsary Fanadihadiana Ao Amin'ny YouTube Mikasika Ny Fiantraikany Ratsy Momba Ny Fitrantrandrahana Varahina

  29 Oktobra 2012

Nisy lahatsary fanadihadiana iray mikasika ny fitrandrahana varahina any Zambia sy ny fiantraikany ratsy eo amin'ny fiarahamonina nipoitra tao amin'ny YouTube ary hatreto dia nisy mpitsidika mahery ny 6.000. Taorian'ny nijereny io lahatsary fanadihadiana io, nanoratra ny mpampiasa YouTube iray, "Mitomania ho an'ny tanindrazana malalantsika. Maninona isika no hahantra raha misy vokatra misavovona sy trandrahana ao an-damosin'ny fahasalamam-bahoaka."

Espaina: Mahazo Tombony Ny Banky, Maty Antoka Ny Vahoaka

  15 Oktobra 2012

Ny orinasa mpanao fandalinana Oliver Wyman, izay mandalina ny hamafin'ny fototra ho an'ireo banky lehibe espaniôla, dia namoaka ho fantatry ny rehetra ny famintinana avy aminy: mila 50.000 tapitrisa Euro ireo banky mba hialàn-dry zareo ao anatin'izao toerana ara-toekarena mananosarotra misy azy izao. Mandalina ny toe-draharaha i Lourdes Sada ary mitatitra ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra teny anaty aterineto.

Iran: “Avelao Any I Syria, Mba jereo Ny Aminay”

Tsy nisy tranombarotra nivoha tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranom-barotra sy ireo mpivarotra fitokonana hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe, sy ireo tranom-barotra nihidy ireo Iraniana mpampiasa aterineto.