miora · Aogositra, 2012

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Aogositra, 2012

Antso Misokatra Ho An'ny Fandraisana Anjara Anatin'Ireo Atrikasa Mikasika Ny Fitaovana Dizitaly Ho Amin'ny Fiovàna Ara-tsosialy Any Goatemalà Sy Nikaragoà

Rising Voices  25 Aogositra 2012

Ny Rising Voices dia faly miara-miasa amin'ireo atrikasa roa ho tanterahana any Nikaragoà sy Goatemalà ho an'ny tanora mampiasa ny media dizitaly ho amin'ny fiovàna ara-tsosialy. Miaraka amin'ny mpiara-miasa aminay, Hivos sy ny mpikarakara ny atrikasa, Dialogía, hampivondrona ny tanora manodidina ny 18-25 taona eo ho eo ireo "toby" ireo izay antsoina amin'ny anarana hoe "Activistmo", izay hisintona ny tombontsoa azo amin'ny Aterineto sy ireo fitaovana dizitaly hanandratana ny fiovàna ara-tsosialy

Afrika: Hialàna Amin'ny Ozon'ny Harena An-kibon'ny Tany

  24 Aogositra 2012

Maninona ireo firenena Afrikana feno harena an-kibon'ny tany tahaka ny Repoblika Demokratikan'i Kongô, Nizeria na Madagasikara raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy, no tratran'ny fahantrana tsy fahita any ankoatra ihany koa? Izany no hevitr'ilay ozon'ny harena an-kibon'ny tany, izay nanimba firenena maro tany Afrika ambanin'i Sahara.

Hong Kong: Voahenjika Ho Nanala-baraka Ny Google

GV Mpisolovava  18 Aogositra 2012

Albert Yeung Sau-shing, ilay lehiben'ny Vondron'ny Mpanjaka any Hong Kong dia manenjika ny Google Inc noho ny fanalàm-baraka..Efa nanaisotra fara-faharatsiny lahatsoratra telo tafiditra tanatin'ny lisitr'ireo voalaza fa manala baraka tsy ho ao anatin'ny fikarohana ny Google Google (google.com.hk). Amin'izao fotoana izao rehefa mikaroka ny anarana Albert Yeung Sau Shing isika, misy fanamarihana mipoitra ao anatin'ny vokatry ny fikarohana

Global Voices Podcast: Zavatra Maro Avy Amin'ny #GV2012

  18 Aogositra 2012

Anatin'ity andiany ity ianao dia haheno zavatra maro avy amin'ny Fivoriamben'ny Global Voices izay notanterahina tany Nairobi, Kenya, tamin'ny Jolay, izay ahitàna ny sasany amin'ireo mpandray anjara avy aminay sy ireo akademisiana voafantina eran-tany nasaina ihany koa hizara ny fahalalany sy hanovo fahalalana avy amin'ilay fianakaviambe.

“Don't Fear the Internet”: Ny Tetikasan'ny Voto Ciudadano, Shily

GV Mpisolovava  18 Aogositra 2012

Ny "Don’t Fear the Internet" [es], tetikasa mikatsaka ny hanasongadina ny lanjan'ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto, dia mifantoka amin'ny raharaha "Voto Ciudadano" (Safidim-bahoaka), sehatra fiadian-kevitra izay manome fahafahana ny vahoaka hisafidy amin'ireo olana maro samihafa.

Maoritania: Mandà Ny Fandroahana Azy Ny Lehiben'ny Fitsarana Avo

Niatrika onjanà hetsi-panoherana mitombo izay mitaky ny fandravana ny fitondrana miaramila i Mauritania. Araka ny voalazan'ny mpanohitra[ar], manohitra ny fisian'ny fanjakana misy rafitra ny fitondrana miaramila ho fanampin'ny fikasany hifehy ny fitsarana. Mandritra izany fotoana izany, nandà ny fanapahan-kevitra fanalàna azy amin'ny toerany alohan'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasàny ny lehiben'ny Fitsarana Avo ao Maoritania, Seyid Ould Ghailani. Ghailani, izay nipetraka teo amin'ny toerany efa roa taona izao, nandray ity didim-panjakana ity ho tetika fandravàna ny fitsarana sy fitsabatsabahana manala baraka ataon'ny fahefana mpanatanteraka anatin'ny raharahan'ny fahefana mpanao lalàna.