miora · Avrily, 2012

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Avrily, 2012

Hong Kong: Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fanovàna ireo Mpanakanto

GV Mpisolovava  30 Avrily 2012

Eo an-dalàm-pametrahana ilay Volavolan-dalàna 2011 (fanovàna) Copyright (zon'ny mpamorona) any amin'ny Filan-kevitry ny Mpanao Lalàna mba hodinihana fanindroany amin'ny 9 Mey 2012 ny governemantan'ny RAS any Hong-Kong. Volavolan-dalàna manameloka ireo hetsika fandikana ny copyright amin'ny teknolojia rehetra izany raha toa ka "mihoatra ny fanimbana ara-toekarena bitika"

Bahrain: Aiza I Abdulhadi Alkhawaja?

Efa andro vitsy lasa izao no tsy nahazoam-baovao ilay Bahraini mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sady mpitarika ny mpanohitra Abdulhadi Alkhawaja, izay nanao fitokonana tsy hihinan-kanina hatramin'ny 8 Febroary. Atahorana fa mety fahanana sakafo an-katerena na mety ratsy tokoa ny fahasalaman'i Alkhawaja.

Quechua: Teny Fampaherezana Avy Amin'ny Ben'ny Tanànan'i Haquira

Rising Voices  30 Avrily 2012

Rehefa niverina tany amin'ny tany niaviany tany Haquira, Però i Irma Alvarez Ccoscco, mpandrindra an'ilay tetikasa vaovaon'ny Rising Voices Llaqtaypa Riymaynin (Feon'ny Vondrom-piarahamoniko), dia nahazo fanohanana mitafotafo avy amin'ireo mponina sy ireo manam-pahefana any an-toerana izy taorian'ny nampahafantarany azy ireo fa mizotra mankany aloha ny tetikasany.

Vohitr'i Ségou: Isan'ireo Mpifaninana Amin'ny Dingana Famaranana Amin'ny BOB I Boukary Konaté

Rising Voices  30 Avrily 2012

Misy galona hafa indray ny satrok'ilay mpikambana ao amin'ny tetikasan'ny Rising Voices sady mpandika tenin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay Boukary Konaté amin'ity taona ity. Tafiditra ao anaty lisitr'ireo hiatrika famanranana amin'ny Bilaogy Tsara indrindra (BOB) i Boukary, hetsika isan-taona karakarain'ny Vondrona Media Deutsche Welle hanomezana maripankasitrahana ho an'ireo bilaogy sy ireo mpitoraka bilaogy.

Teny: Ireo Feo Dizitalin'ny Bésiro (Chiquitano)

Rising Voices  29 Avrily 2012

Vao haingana izay dia nanomboka tetikasa antsoina hoe Monkox Bésiro ny vondronà mpandalina ny teny any Santa Cruz, Bolivia ho fomba iray hamelomana indray ny teny Bésiro (Chiquitano) avy amin'ny alalan'ny fampiasàna ireo fitaovana mediam-bahoaka dizitaly. Ho fanampin'ny fanokafana kaonty Twitter sy Facebook hamporisihana ny fandraisana anjara manerana ireo vondrom-piarahamoniny, nampiasa podcasts am-peo izy ireo hizarany ny feon'ny tenin-drazany.

Paragoay: Atrikasan'ny Mediam-bahoaka Miaraka Amin'ireo Vondrom-piarahamonina Aché

Rising Voices  26 Avrily 2012

Tsy ho ela dia hizotra ireo hetsika voalohan'ny sokajin'ireo tetikasan'ny Rising Voices 2012. Tsy ho ela dia hanomboka ireo hetsika voalohan'ny sokajin'ireo tetikasa tohanan'ny Rising Voices 2012. Any Paragoay, nanambara ny tetikasa Ache djawu/palabra Aché (Ny Tontolo Aché) tao amin'ny bilaogin'ny tetikasany [es] fa novolavolaina ho tontosaina ny 28 Aprily ny atrikasan'izy ireo voalohany [es] miaraka amin'ny fisafidianana tanora fito mpitarika avy amin'ireo vondrom-piarahamonina Aché enina handray anjara anatinà atrikasa any Asunción ho fanamafisana ny mediam-bahoaka .

Ginea-Bisao: Toerana Tsara Haleha Kokoa Ao Amin'ny Aterineto

Rising Voices  26 Avrily 2012

Matetika dia sarotra ny ahatongavan'ireo fidirana aterineto raitra sy azo antoka any Ginea-Bisao. Avy amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo ONG samihafa ao an-toerana, manome fahafahana miditra aterineto ho an'ireo fikambanana sy olon-tsotra liana amin'ny fifandraisana amin'izao tontolo izay ny tobin'aterineto CENATIC.

Tonizia: Fifandonan'ny Mpitandro Filaminana Tamin'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'asa Tao Radès

Ny 13 Aprily, nifandona ny mpitandro filaminana sy ny vondronà tanora mpanao fihetsiketsehana avy any amin'ny Cité El Mallaha tany amin'ny seranan-tsambon'i Radès, atsimon'ny renivohitr'i Tunis ary raisina ho toy ny ambanivohitrany. Nanatanteraka fitorevahana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, nitaky ny hizaràna ny asa sasany izay vao noforonina tao amin'ny seranan-tsambon'i Radès, akaiky ny Cité El Mallaha.

Pakistana: Aoka Izay Ny Fanaovana Anay Ho Toy Ny Fanariam-pako

  22 Avrily 2012

Lasa dabam-pako fanariana plastika sy fako ara-pitsaboana iray goavana i Pakistana tato anatin'ireo folo taona farany. Efa ela izao no tratran'ny aretina mampidi-doza ny mponina ao amin'io firenena io noho ny tsy fahampian'ny fitandremana. Mizara ny fihetseham-pon'ireo mpampiasa aterineto i Faisal Kapadia.