miora · Febroary, 2012

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Febroary, 2012

Teny: Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Tenin-drazana any Mali

  27 Febroary 2012

Nankalàza ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny izay tanterahana isan-taona ny 21 Febroary i Mali tany Bamako. Miresaka momba ny fanantenany amin'ny anjara asan'ny teknolojia anatin'ny fanandràtana ny fampiasàna ireo tenin-janatany 13 any Mali ny mpitoraka bilaogy sy mpandray anjara ao amin'ny Rising Voices, Boukary Konaté.

Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana

  23 Febroary 2012

Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa miteraka fahasimbana eo amin'ny tontolo iainana sy eo amin'ny fahasalamana sahady.

Arabia Saodita: Mitsingilahila Ny Ampitson'i Hamza Kashgari, Mpanao Gazety

Nahatonga tsela-baratra tao amin'ny media sosialy i Hamza Kashgari, Saodiana iray mpanao gazety, rehefa nitoraka bitsika mikasika resaka noforonin'ny saina niarahana tamin'ilay Mpaminanilahy Mohammed ny tenany., izay nitarika ny fitsoahany ny firenena noho ny fandrahonana ho faty. Ankehitriny, miady hevitra ny amin'izay hahazo an'i Kashgari ireo mpampiasa ny media sosialy satria dia haverina an-tanindrazana avy any Malezia ny tenany.

Singapore: Miresaka Momba Ny Tantaranà Fijangajangana Ataon'ny Mpanao Politika amim-behivavy Ivelan'ny Fanambadiana Ny Vahoaka

  18 Febroary 2012

Misy mpanao politika avy ao amin'ny mpanohitra iray niala tamin'ny toerana maha-mpikambana azy ao amin'ny Komity Mpanatanteraky ny antokony manoloana ireo tsaho amina resaka fiarahana amim-behivavy ivelan'ny fanambadiana. Niresaka mikasika izany raharaha izany ireo mpampiasa aterineto anatinà tambajotra sosialy maro ary maro no naneho ny tsy fahatakarany mikasika ny fomba nitondran'ny Antoko Mpanohitra izany raharaha izany

Vaovao Farany Amin'ny Microgrant Rising Voices 2012

Rising Voices  13 Febroary 2012

Nahazo tolokevitra 1175 avy any amin'ireo firenena mihoatra ny 120 ny Rising Voices nandritra ny fifaninanana microgrant 2012 ho an'ireo tetikasa fanentanana amin'ny mediam-bahoaka anaty aterineto. Mandritra ireo herinandro enina manaraka, hamerina handinika ny tolokevitra tsirairay am-pitandremana izahay miaraka amin'ny komity mpifantina. Kasaina ho tanterahana any amin'ny tapaky ny volana Martsa ny fotoanan'ny fanambarana. Misaotra ho an'ireo rehetra nandray anjara.