miora · Septambra, 2011

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Septambra, 2011

Masedonia: Fankalazana Ny Fandresena Amin'ny Lalao Basketball Manerana An'i Litoania

  22 Septambra 2011

Niely manerana ireo arabe, lavarangana sy kianjan'ny firenena anatin'ny tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fahatafidiran'ny Niely manerana ny araben'ny firenena, lavarangana sy kianjan'ny tanàna, tanaty tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fidiran'ny Masedoniana amin'ny manasa-dàlana amin'ny fiadiana ny ho tompon-daka Eoropeana amin'ny lalao basket-ball. Mitatitra i Filip Stojanovski reports.

Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana

Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia. Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Tohina ireo mpitoraka bilaogy.

Sakanan'ny Governemanta Siriana Ny WordPress

GV Mpisolovava  18 Septambra 2011

Mitatitra ireo mpampiasa Twitter Siriana fa ny sehatra fitoraham-bilaogy be mpamhalàla, WordPress, dia voasakana amin'ireo ISPs (mpanome tolotra aterineto) ao amin'ny firenena. Manaraka ny onjam-panoheran'ireo mpanohitra ny fitondrana izay mampitroatra ny firenena izany fihetsika izany na dia eo aza ny famoretana henjana avy amin'ny governemanta