miora · Jona, 2011

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jona, 2011

Hong Kong: Fanamelohana Ireo Asa Nasiam-panovàna Tsy Nahazoana Alàlana

GV Mpisolovava  30 Jona 2011

Nametraka ny volavolan-dalàna(Fanitsiana) 2011 momba ny Zon'ny Mpamorona ireo asa  tany amin'ny Sampana mpanao lalàna ny 15 Jone 2011 teo ny governemantan'i Hong Kong. Hanameloka ireo asanasiam-panovàna ao amin'ny aterineto izay mampiasa ireo fitaovana misy fiarovana nefa tsy nahazon-dàlana ity volavolan-dalàna ity. Mino ireo mafàna fo amin'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny...

Iran: Firaisan-kina amin'ireo gadra mitokona tsy mihinan-kanina

Nisy ireo fihetsiketsehana nokarakaraina nanerana ny tanàna 25 fara-faha keliny maneran-tany ny Sabotsy 25 Jona 2011, mba hanehoana ny firaisan-kina amin'ireo gadra politika miisa 18 eo ho eo izay mitokona tsy mihinan-kanina any amina fonja Iraniana roa. Natombok'ireo gadra politika izany fitokonan'ny hanoanana izany tamin'ny fahafatesan'ny mafana fo ara-politika roa, Reza Hoda Saber sy Haleh Sahabi.

Hong Kong: Antsojay araka ny lalàna

GV Mpisolovava  22 Jona 2011

Eo ambanin'ny foto-kevitra hoe One Country, Two Systems (Firenena iray, Rafitra roa), nankafy ny fampitàm-baovao sy ny fahalalahana miteny lavitry ny fitondrana tsy refesi-mandidin'ny Rindrina Be sy ny fanenjehana ara-politika any Sina i Hong-kong.

Ejipta: Fisokafan'ny vavahady ifandraisan'i Rafah sy Gaza

Nanokatra ny toerana fandalovana ao Rafah mankany amin'i faritr'i Gaza i Ejipta androany, mamela ny olona hivezivezy malalaka any Ejipta indray tato anatin'i efatra taona lasa. Ny sisintany, izay vavahady lehiben'i Gaza mankany amin'ny tontolo ivelany, dia nosokafana tsindraindray nandritra ny fitondran'ilay filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak. Ity manaraka ity dia fihetseham-po vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter momba ity fivoarana faramparany ity.