miora · Avrily, 2011

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Avrily, 2011

“Spambots” Twitter: Fomba Fiady Vaovao Mba Hampanginana Resaka

GV Mpisolovava  28 Avrily 2011

Ny 18 Aprily, nanoratra momba ireo “spambots” nikendry ny teny fototra #Syria mba hampanginana ny feo miantso, na mitatitra ireo fanoherana, i Anas Qtiesh. Raha nahasarika ny sain'ny maro ity tranga manokana ity, tao amin'ny Al Jazeera, Fast Company, sy tany an-toeran-kafa, dia tandindon'ny olana midadasika amin'ireo tambajotra sosialy izany:...

Okraina: Fitorahana Bilaogy Momba Ny Nofy

Rising Voices  28 Avrily 2011

Taorian'ny fampianarana momba ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, mino ireo mafana fo avy ao anatin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovavan'ny Fitsaboana Fanolo any Okraina [ru] ary mino fa mety ho fitaovana lehibe amin'ny fampahafantarana ny fitsaboana fanolo ny fitorahana bilaogy ary hiarovana ny zon'ny marary ny fitorahana bilaogy, sady fitaovana hanoratan'izy ireo momba ny fanantenany manokana sy ny nofinofiny.

Ejipta: Nampianatra Antsika Ny Fomba Hikomiana i Gene Sharp!

Ny Febroary lasa teo, Sheryl Stolberg ao amin'ny The New York Times dia nanoratra lahatsoratra momba ilay mpampianatra siansa politika, Gene Sharp, izay nolazainy fa ny hevitr'io mpampianatra io no nitarika nofinofim-pitakiam-piovàna Ejiptiana, tahaka ireo fikomiana maro hafa tany amin'ny faritra.Namaly izany filazana izany ireo mpampiasa aterineto Ejiptiana miaraka amin'ny tenifototra ao amin'ny Twitter.

Manohana Ilay ‘Mpitandro Filaminana Mandihy’ Ny Indoneziana Mpampiasa Aterineto

  17 Avrily 2011

Ny lahatsarina mpitandro filaminana avy any amin'ny faritra, mandihy sy manaraka amin'ny molony ilay feon-kiran'ny hira Indiana any Bollywood dia fankasitrahana tanteraka ny aterineto sy media any Indonezia. Nanasazy ilay mpitandro filaminana ireo manam-pahefana tamin'ny nandraketany ny fihetsiny teo am-pantanterahana ny asany nefa ireo mpampiasa aterineto dia naneho ny fanohanan'izy ireo ilay 'mpitandro filaminana mandihy'.

Voasambotra i Mahmood Al-Yousif, “rain'ny bilaogy” Bahraini

GV Mpisolovava  15 Avrily 2011

Fotoana fohy taorian'ny 3 ora maraina tany an-toerana, nosamborina tany an-tranony ny mpitoraka bilaogy fanta-daza Mahmood al-Yousif . Talohan'ny nialany niaraka tamin'ireo manam-pahefana, nitoraka tweet ilay mpitoraka bilaogy, "Eto amiko ny mpitandro filaminana." Samy nanamarina ny fisamborana azy na ny rahalahiny na ny zanany lahy.

Muhammad Bakr Radwan: Ejiptiana Iray Mafana Fo Voatàna Any Siria

GV Mpisolovava  09 Avrily 2011

Radwan dia mizaka zonm-pirenena Ejiptiana-Amerikana izay tena nazoto tamin'ireo hetsika tany Ejipta, niray hina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tahrir nandritra ireo andro taorian'ny #Jan25 ary nitatitra ireo vaovao mikasika an'i Siria sy ireo fikomiana Arabo ao amin'ny kaonty Twitter sy Facebook-ny.