miora · Marsa, 2011

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Marsa, 2011

Shina: Voasakana Ireo Protocoles-n'ny PTP sy L2TP VPN

GV Mpisolovava  27 Marsa 2011

Fanavaozana tamin'ny 22 Martsa: mpamaky iray no nilaza taminay tamin'ny alalan'ny mailaka fa fa ny sasantsasany amin'ireo protocoles  PPTP sy L2TP ihany no voasakana sy tapaka any Shina ary tsy manana olona miditra amin'ny alalan'ny  PPTP sy L2TP izy avy any Beijing. Ny mpampiasa sasany avy any Guangzhou dia manamarika...

Haiti: Mananontanona ny herisetra amin'ny fifidianana

  24 Marsa 2011

Toa mihanika ny herisetra mifandraika amin'ny fifidianana any. Raha niomana hanomboka ny fivoriana mikasika ny fampielezam-peo any Mirebalais ny Talata 15 Martsa 2011 izao i Mirlande Manigat izay mpifaninana ho filoham-pirenena Haitiana sady mpampianatra lalàna, vosakantsakanan'ireo mpanohana [fr] ny mpifaninana mpanohitra Michel Martelly izany ireo mpanara-dia azy, izay nitarika sahotaka ka niafara tamin'ny fitifirana sy faharatrana.

Uzbekistan:Fantatra ireo fahavalon'ny Aterineto

GV Mpisolovava  19 Marsa 2011

12 Martsa no Andro Eran-tany enti-manohitra ny Fanivanana anaty Aterineto. Natsangan'ireo Reporters Without Borders tamin'ny 2008, ny tanjona amin'izany dia ny hanapariahana ny hevitra momba ny Aterineto tsy misy fetra sy malalaka ho an'ny rehetra.

Senegal: 19 Martsa, Andron'ny Hetsika

  19 Marsa 2011

Mitsoka manerana an'i Maghreb sy Atsinanana Afovoany ny rivotry ny fikomiana. Maneho ny tsy fifaliana amin'ireo firiorion'ny governemantany ny mpanohitra. Voafidy ho daty hanaovana ireo fihetsiketsehina ao amin'ny firenena ny 19 Martsa 2011.

Libia: Any Benghazi daholo ny maso (Lahatsary)

Benghazi tanàna faharoa lehibe indrindra eo amin'ny firenena no foibe politika sy fanahy mpikomin'ny hetsika manohitra ny Kolonely mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi. Miaraka amin'ireo hery ara-tafiky ny mpikomy izay voadoana mafy ihany tamin'ny fanafihan'ireo herin'i Gaddafi, na izany aza, mety ho lasa toerana famaharana farany ho an'ny fahafahan'ny Libiana i Benghazi.

Japana: Ireo lesona mikasika ny fitantanana ny krizy amin'ny fifaneraserana amin'ny vahoaka, omen'i Edano, Mpitantsoratry ny Governemanta

  17 Marsa 2011

Tian'ny manampahaizana amin'ny Fifandraisam-bahoaka Takashi Kurosawa ny fomban'ity lehilahy ity, milaza amin'ny antsipirihany ny zavatra tsara ataon'i Edano ao amin'ny lahatsoratry ny bilaogy "ireo zavatra 10 Fianatra amin'ny Mpitantsoratry ny Governemanta Edano mikasika ny Fifandraisam-bahoaka eo amin'ny Fahaiza-mandinika ny Fitantanana ny Krizy" (枝野官房長官から学べる10のこと:危機管理広報の視点から).

Japana: “Izay indray ilay feo”

  17 Marsa 2011

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana  ny Horohorontany Japan 2011 ity lahatsoratra ity. Ny feo mahazatra amin'ny rafitra fanairana alohan'ny  horohorontany any Japana (緊急地震速報 Kinkyū Jishin Sokuhō) dia lasa miraikitra any an-dohan'ny mponina noho ny fandefasana izany matetika ao amin'ny fahitalavitra sy ireo fanairana any amin'ny finday, satria mbola mitohy ireo horohorontany madinidinika mandritra...

Japana: Tahotra any Fukushima

  14 Marsa 2011

Ny andro taaorian'ny nandonan'ilay horohoron-tany manana tanjaka 8.9 an'i Japana, nisy fipoahana tao amin'ny Ozinina Famokarana Hery Nokleary any Fukushima Daiichi, 150 miles Avaratr'i Tokyo, dia sady nahatonga tahotra sy fikorontanan-kevitra tao amin'ny aterineto mikasika ny zavatra mety hitranga manaraka