miora · Febroary, 2011

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Febroary, 2011

Kambodza: Iza no nanome baiko amin'ny fanakanana ireo vohikala mpanohitra?

  28 Febroary 2011

Hatramin'ny Janoary, misy ireo vohikala sasany manohitra ny governemanta tsy afaka hidirana any Kambodza. Milaza ireo mpandrindra ny raharaha fa noho ny fahasimbana ara-teknika izany raha milaza kosa ny governemanta fa tsy manao fanivanana izy. Kanefa namoaka taratasy fangatahan'ny governemanta ireo tamban-jotra mba hanakana ireo vohikala maro ny vondron'ny media.

Malezia: Mitombo ny famonoan-tena

  28 Febroary 2011

Voahazon'ny olana sosialy mampanahy i Malezia tato ho ato: ny famonoan-tena. Voavinavina fa eo amin'ny 60 eo ireo famonoan-tena isam-bolana mitranga any Malezia. Nisy mihitsy aza tanora Maleziana iray namoaka naotina famonoan-tena tao amin'ny Facebook.

Côte d’Ivoire: Fanentanana ao amin'ny Twitter mba hisarihana ny sain'Anderson Cooper

Nitana ny anjara asany ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices Anna Gueye tao anatina fanentanana vao hainagana handresena lahatra ny mpitatitra mora resen-dahatry ny CNN Anderson Cooper mba tena hijery ireo mpanohitra any amin'ireo firenena Afrikanina tahaka an'i Gabon sy Côte d’Ivoire, tahaka ny nataony tamin'ireo fikomiana tany Tonisia, Ejipta sy ny tontolo Arabo hafa.

Libia: “Tsy mendrika ny ho velona ny vahoaka tsy tia ahy” hoy i Gaddafi

Milaza amin-kambo ireo mpanohana ny any amin'ny Kianja Maitso any Tripoli ny mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi, manome toky fa mbola ho be ny fahoriana sy ny fahafatesan'ireo vahoaka manohitra ny fanjakany. Tamin'ny fitenenany farany, izay mivoaka anio any amin'ny TV Libiana, niantso ny Libiana hiaro ny fireneny i Gaddafi, nanampy fa hodorany izany raha tsy misy miaro azy ny vahoaka.

Jordan: Voavaly ny fangatahana hamaly an'i Libia

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomian'i Libia 2011 ity lahatsoratra ity. Nandritra ireo Fihetsiketsehina marobe niseho tany Tonizia ary avy eo tany Ejipta, nanao fihetsiketsehina tamim-pirahalahiana ireo Jordaniana, ary namoaka bilaogy maro sy tweet tsy voaisa intsony momba ireo hetsika ireo. Tsy niavaka tamin'ny modely ny fikomiana tany Libia; Namerina...

Madagasikara: Adihevitra amin'ny fikasan'ny filoha teo aloha Ravalomanana hiverina an-tanindrazana

  23 Febroary 2011

Vao avy namely an'i Madagasikara ny rivo-doza tropikaly Binziga, nahafaty olona enina ary namela olona 7,500 tsy manan-kialofana. Kanefa dia mbola mifantoka amin'ny fiverenan'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany ny sain'ny maro, izay nanao fanambarana ary nanao fanambarana nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety tany Johannesburg fa hiverina avy nanao sesintany tany Afrika Atsimo ny tenany.

Bahrain: Fankatoavana ireo Maritiora

Hatramin'ny Asabotsy, nanao fihetsiketsehana tamim-pilaminana sy tamin-kalalahana ireo mpanohitra ny fanjakana tany amin'ny Rondpoint Pearl (Lulu). Manamarika ny andro fahavalon'ny Andron'ny hetsi-panoherana mifono hatezeran'i Bahrain androany, satria dia nanao diabe avy any amin'ny tranobe fivarotana any Bahrain ka hatrany amin'ny Roindpoint Pearl (Lulu) ho mariky ny fankatoavana ireo maritoira valo niamboho nandritra io hetsi-panoherana io.