miora · Janoary, 2011

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Janoary, 2011

Video: Ireo mpanao kiraro erantany

  25 Janoary 2011

Ireo horonantsary androany dia mifantoka amin'ireo mpanao asa tanana maneran'tany mbola manao kiraro amin'ny tanana. Avy any Mexika hatrany Japana: handinika ny fomba fanamboarana ireo kiraro, kiraro iva sy kapa.

Kamerona: Ireo mpamorona sy mpanamboatra

  24 Janoary 2011

Ny famoronana, ny fahaiza-mamorona sy ny fitantanana dia mihetsiketsika any Kamerona araka ny hitantsika ao amin'ireo horonantsary manaraka mampiseho ireo mpanefy vy eo am-piasana, tranona finday sy solosaina finday vita avy amina bararata sy asa tanana fampikotrehana atody.

Mpandika teny misongadina: Sarah Standish

Tanora Amerikana mpampianatra sy mpitoraka bilaogy manana anton-draharaha i Sarah Standish. Ankoatry ny fampianarany ny teny Arabo ireo mpianatra eny amin'ny kolejy any Etazonia, manantena ity mpikambana ao amin'ny Lingua Arabo ity fa hanangana tetezana eo amin'ny Andrefana sy Atsinanana ary hampisy fifankahazoana bebe kokoa ny fomba fiainana Arabo sy ny fisainany. Nanadihady azy tao anatin'ity lahatsoratra ity i Shams Ahmad.

Nisy niditra an-tsokosoko ny Twitter sy vohikala ofisialin'i Korea Avaratra

  12 Janoary 2011

Nisy fanafihana amin'ny aterineto nipoaka teo amin'i Korea Atsimo sy Korea Avaratra. Natomboky ny mpampiasa aterineto Koreana Tatsimo iray namoaka tononkalo manevateva mikasika ny fianakavian'i Kim tao amin'ny vohikala ofisialin'ny Korea Avaratra Uriminzokkiri, ary dia novalian'i Korea Avaratra tamina fanafihana DDOS. Androany, dia namely ny kaonty twitter ofisialin'i Korea Avaratra ireo piraty.

Tonizia : Voasambotra androany i Slim Amamou, mpitoraka bilaogy, mpiara-miasa amin'ny Global Voices

GV Mpisolovava  09 Janoary 2011

Voasambotra androany 6 Janoary teo amin'ny manodidina ny 1 ora tolakandro teo ilay mafàna fo sy mpitoraka bilaogy Slim Amamou. Amin'izao fotoana izao, tsy naharay vaovao mikasika azy ny namany sy mpiara-miasa aminy, ary mbola tsy fantatra ny tohin'ity fisamborana azy ity. Tokony nandeha niasa izy taorian'ny namitàny ny fijerena ara-teknika ny fiarany. Ny vaovao farany avy amin'i Slim dia tweet iray teo amin'ny manodidina ny 1 ora tolakandro teo.

Ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010

  06 Janoary 2011

Ao amin'ny Global Voices izahay dia miara-miasa amin'ny fikambanan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hamoahana tantara mikasika ny zava-mitranga ao anatin'ny bilaogy sy ny mediam-bahoaka eran-tany. Eto ambany, ny sasantsasany amin'ireo tantara izay nahasarika ny sain'ny olona be indrindra tamin'ny taona 2010 avy amin'ireo mpamaky amin'ny teny Anglisy.