miora · Novambra, 2010

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Novambra, 2010

Ejypta: Nosakànan'ny Facebook ny pejy malaza manohitra ny Fampijaliana

GV Mpisolovava  28 Novambra 2010

Fanavaozana 1: Miverina indray ny pejy nosakànana. Araka ny mailaka iray azon'ilay mpandrindra ity pejy ity, “Taorian'ny famerenana nandinika ny mikasika anareo, dia namerina indray ity pejy ity izahay, ary efa afaka mijery izany ao anaty aterineto ianareo.” hoy ny solontenan'ny facebook. Fanavaozana faha-2: Ny 30 Novambra 2010, nanameloka an'i ...

Syria: Filazana mikasika lalàna vaovao momba ny fanontàna anaty aterineto

GV Mpisolovava  27 Novambra 2010

Tonga amin'ny dingana farany amin'ny fanekena azy izao ny lalàna vaovao iray momba ny e-publishing (fanontàna amin'ny aterineto) any Syria. Nahazo fandrakofana bebe ihany ity lalàna ity hatramin'ny nanombohan'ny fandrafetana azy tany amin'ny voalohandohan'ny 2010 tany. Mbola tsy tena azo ambara mazava ny antsipirihan'ity lalàna ity, ary hatreto aloha dia...

Kazakhstan: Resaka fitantanam-pitondrana

  20 Novambra 2010

Tsy mitsahatra ny miady hevitra amin'ny lohahavitra tiany indrindra ny mpitoraka bilaogy Kazakh – ny kalitaon'ny fitondram-bahoaka. Mametram-panontaniana mikasika ny fahaiza-manaon'ireo mpitondra ambony i Megakhuimyak ary miteny fa matetika dia tsy mbola manan-danja noho ny “raharaham-pianakaviana” izany. Mbola olana goavana eo amin'ny fitsinjarana ny zavatra ilain'ny mponina Kazakhstani ny fisian'ny...

Haiti: Horohorontany, Kôlera; Tomas koa?

  07 Novambra 2010

Navarina sokajy i Tomas, izay narahin'ny faritra maso amin'ny maha tafiodrivotra tropikaly talohan'ny nivoarany ho rivodoza mahery sokajy faha-2 azy ka nandrava izay hitsin'ny diany tamin'ny namakivakiany ny nosy madinika maro. Niverina tamin'ny heriny teo aloha izy rehefa nitodi-doha nankany Haiti mbola miavotra noho ilay horohorontany nitranga ny 12 Janoary teo sy ilay areti-mifindra Kôlera.

Asia Atsimo-Atsinanana: Tranonkalam-panabeazana ifanakalozana momba ny ara-pananahana

  07 Novambra 2010

Nanomboka nisokatra ny Jolay 2010 teo tany Singapore, ny vohikala sexxie.tv dia nilaza ho sehatra fampianarana ara-pananahana voalohany sy tokana erantany izay novolavolain'ireo mpitsabo malaza mikasika ny fampianarana ifanakalozana ara-pananahana. Tsy sahala amin'ireo fandaraham-pianarana nentindrazana mikasika ny fananahana, ny sexxie.tv fa mampiasa ny sehatry ny aterineto mba hahatratrarana izay liana amin'izany.