miora · Oktobra, 2010

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Oktobra, 2010

Angola: mpanao gazety nisy namono: Famoretana sa herisetra an-tanàn-dehibe?

  26 Oktobra 2010

Tamin'ny 5 Septambra dia namoy ny ainy teo an-tanan'olon-tsy fantatra ilay mpanao gazety Albert Graves Chakussanga izay tsy nisalasala akory nitifitra azy tao ivelan'ny trano fonenany, tany an-tanànan'i  Viana ao Luanda. Araka ny voalazan'ny Reporters without Borders (mpanangom-baovao tsy voafetran'ny sisintany), novonoina avy tany aoriana tamin'ny alalan'ny bala tsy re...

Handray anjara amin'ny Iray andro manerantany ny Rising Voices

Rising Voices  17 Oktobra 2010

Hampiseho ny fahasamihafany ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Rising Voices amin'ny fandraisany anjara amin'ny hetsika Andro Iray eto Ambonin'ny Tany. Haka sary ny manodidina azy ny olona mpampita vaovao maneran-tany amin'ny 10 Oktobra 2010 mba hitehirizana ny sary indray mihelatry ny fiainana eto an-tany. Jereo ny sasany amin'ireo mpandray anjaran'ny Rising Voices.

Ireo mpitoraka blaogy ao amin'ny Rising Voices mandray anjara amin'ny Blog Action Day 2010

Rising Voices  16 Oktobra 2010

Ny Blog Action Day dia hetsika miseho isan-taona izay hiarahan'ireo mpitoraka bilaogy eran-tany manoratra mikasika ny olana iray ao anatin'ny andro iray. Ny tanjona dia ny hananganana ny fitandremana sy ny hanaovana adi-hevitra eran-tany mikasika ny olana goavana iray izay miatraika amintsika rehetra. Ny lohahevitra amin'ity taona ity dia ny 'rano'. Nandray anjara tamin'ity hetsika ity ihany koa ireo mpandray anjara/mpanamora sasany ao amin'ireo fikambanan'ny Rising Voices.