miora · Septambra, 2010

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Septambra, 2010

Arabia Saodita: Fahazoan-dalana hitoraka blaogy!

Nanambara drafitra hanarahamaso ireo mpamoaka zavatra sy ny media ao amin'ny aterineto aloha i Arabia Saodita, anatin'izany ireo blaogy sy ireo sehatra fifanakalozan-dresaka, mba ho oarakitra ofisialy ao anatin'ny lisitry ny Governemanta. Ny Ampitson'iny, niteraka fanehoan-kevitra marobe izany, izay milaza fa ireo gazety ao amin'ny aterineto ihany no voakasik'izany. Manana ny tiany hambara ireo vahoaka Saodiana ao amin'ny aterineto.

Mila ny fanohananao ny mpikatroka Tailandey voasambotra taorian'ny #IAL2010!

GV Mpisolovava  26 Septambra 2010

Voasambotra tao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Bangkok Suvarnabhumi i Chiranuch Premchaiporn, mpitantana ny Prachatai. Niverina avy tany amin'ny Dinidinika “Aterineto ao amin'ny Fahalalahana 2010: Ny Fampanantenana sy ny loza mety hihatra amin'ny Fahalalahana Miteny” natao tany Bodapesta ny mpanao gazety sy mpanohitra ny fanivanana iray (@Jiew ao amin'ny twitter). Mitondra...

Brezila: fanokanana ilay Graffiti lehibe indrindra eran-tany

  21 Septambra 2010

Nanokana ny grafitti lehibe indrindra eran-tany izay mihoatra ny 37 000 sqaure feet any amin'ny faritr'i Foz do Iguaçu ny Filohan'i Brezila Lula da Silva. Ity faritany ity; malaza amin'ilay riandranon'i Iguaçu sy ny sisintany telo iraisan'i Paraguay, Brezila sy Arzantina, dia hody amin'ireo lalambe migodàna voaravaka manome lanja ny zon'ny ankizy sy ny tanora.

Karaiba: Veloma i Arrow

  21 Septambra 2010

Misaona ny fahalasanan'ny iray amin'ireo rain'ny mozika soca any amin'ny faritra - Alphonsus Cassell, fantatra kokoa amin'ny anarana "Arrow", ireo mpitoraka blaogy any Karaiba - ny hirany hoe Hot, Hot, Hot dia be mpitia tokoa ary nitondra nankamin'ny fitiavan'izao tontolo izao ny soca....

Kioba: fampiatoana amin'ny asa 500.000

  16 Septambra 2010

Mirona mankamin'ny fibabohan'i Fidel Castro (izay nialana bàla nony avy eo) fa tsy miasa intsony ny modely ekonomikan'i Kioba, dia nanambara ny governemanta [ES] fa mikasa ny hampiato mpiasa maro ao amin'ny asam-panjakana, izany dia ezaka mba hanomezana aina kely ho an'ny ekonomian'ny firenena. Miady hevitra mikasika ireo fepetra ry zareo Kiobana mpitoraka blaogy .

Iran: Ny mpitoraka blaogy voatana an-tranomaizina Shiva Nazar Ahari dia nafahana rehefa nadoa antoka $500,000

Shiva Nazar Ahari, gadra mafana fo mpiaro zon'olombelona sy mpitoraka blaogy, dia nafahana omaly. Araka ireo vohikalam-baovao maro, dia antoka $500,000 no naloha tamin'ny famoahana an'i Shiva. Nankany amin'ny fitsarana niaraka tamin'ny tanany nisy rojo-vy izy tany amin'ny voalohandohan'ny volana Septambra ary nampangaina ho nampangaina ho niaraka tamin'ilay fikambanana, Mponina Mujahedin ao Iran.

Ny Telefónica ao Espana sy ny tsy fiandaniana eo amin'ny aterineto

GV Mpisolovava  13 Septambra 2010

Mbola miresaka tsy fiandaniana eo amin'ny aterineto indray ireo mpitoraka blaogy Espaniola, fa amin'ity indray mitoraka ity dia tsy ny Fankatoavana ny Google-Verizon sy ny politika arosony ao Etazonia no ifantohana, fa zavatra somary akaiky kokoa sy manana fiatraikany haingana amin'izy ireo: Telefónica (ny mpamatsy faran'izay goavana amin'ny resaka fifandraisan-davitra ao amin'ny...