miora · Aogositra, 2010

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Aogositra, 2010

Ghana: Mifanerasera amin'ny vahoaka ao amin'ny Facebook ny Filoha teo aloha

  30 Aogositra 2010

Efa ho herintaona sy tapany izay no namindran'i John Kufuor ny fahefana ho an'i Filoha Atta Mills. Na dia nandao ny birao aza izy, Kufuor dia mbola mahita ny filàna miserasera amin'ny vahoaka. Noho tambajotra ara-tsosialy ao amin'ny aterineto, miresaka amin'ny vahoaka amin'ny alalan'ny kaonty Facebook-ny i Kufuor, izay manana mpanaraka 15.066 (amin'izao fotoana anoratako ity lahatsoratra ity izao).

Sina: fanatsaràna ny GFW

GV Mpisolovava  29 Aogositra 2010

Ny  tatitra avy amin'ireo loharano samihafa dia niteny fa voasakana  any Sina nanomboka tamin'ny Zoma (27 Aogositra) ny Freegate, iray amin'ireo fitaovana malaza fandinganana ny sakana . Rehefa mandefa ilay rindrambaiko ireo mpampiasa izany, dia misy hafatra fampitandremana miseho: Diso, tsy maintsy hajanona ny rindrambaiko. Azafady, raiso ny fialantsininay. Ity...

Toro-lalana efatra mikasika ny Advocacy hita amin'ny teny Albaney

GV Mpisolovava  27 Aogositra 2010

Faly izahay mampahafantatra ny fandikan-tenin'ireo toro-lalana efatra mikasika ny Global Voices Mpisolo vava amin'ny teny Albaniana. Niaraka tamin'ny fanampian'ny Metamorphosis Foundation, SEO Tips for Advocacy Bloggers, Geo-bombing: YouTube + Google Earth, Cross-posting for Advocacy, sy ny Blog for a Cause! dia efa afaka sintonina ao amin'ny aterineto. Blog for a...

Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto

  26 Aogositra 2010

Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.

Maraoka: Rehefa manolotra Ramadany amin'ny fomba Frantsay i Sarkozy

Rehefa nanoratra lahatsoratra fanesoana tao amin'ny blaoginy mikasika fanambarana tsy tena misy nataon'ny filoha Nicolas Sarkozy mikasa hametraka fomba Frantsay mikasika ny Islam na ireo Silamo Frantsay i Ahmed, tsy nanampo mihitsy izy hoe ho lasa lohatenin-gazety sy ireo vohikalan'ny media amin'ny aterineto ny "tantarany", tsy tahaka ny vosoboso-dratsy noheveriny fa tahaka ireo vaovao milaza zava-misy.

Video: Fanatontosana raki-kira antsary ambanin'ny 99 USD

  17 Aogositra 2010

Any amina indostria izay mitombo hatrany ny fandaniana, ny fanatontosana sy fandokafana horonantsarin-kira dia mety hanahirana. Ny vohikala 99 Dollar Music Video (horonantsarin-kira amina 9 dolar monja) dia manome fahalalahana ho an'ireo tarika sy mpanao sarimihetsika hamiratra miaraka amin'ireo famoronana horonantsary, alaina anatin'ny andro iray, avoaka ao anatin'ny andro iray ary tsy mihoatra ny 99 US Dollars ny sandany

Maneran-tany: Kisarisarin'ny Ramadany

Isan-taona, ireo silamo mpampiasa tranonkala maneran-tany dia mifampizara sary ho fankalazany ny Ramadany. Raha manetriketrika ny ankamaroan'ireo sary ireo, tahaka ny iray etsy ankavia, matetika dia feno hatsikana mivezivezy koa any, hoy ny voasoratr'i Jillian C. York, izay nizara sombintsombiny tamin'ity fifaliana ity.