miora · Jolay, 2010

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jolay, 2010

Fitorahana blaogy mivantana mikasika ny fanehoan-kevitra momba ny fiparitahan'ny antontan-taratasin'ady any Afghanistan

  31 Jolay 2010

Mihoatra ny 90,000 ireo antontan-taratasin'ny miaramila any Etazonia mikasika ny fanafihana tany Afghanistan naboraka. Ho fitsapana, mampiasa Google Wave isika mba "live blog global blog" iraisam-pirenena sy ireo resaky ny media mikasika ireo "boky mirakitra ireo ady" (#warlogs) nasehon'ny Wikileaks, Der Spiegel, New York Times sy The Guardian vahoaka androany.

Global: Teny Grika mankany amin'ny teny Anglisy, teny Sinoa mankany amin'ny teny Rosiana, ary teny Espaniola mankany amin'ny teny Masedoniana

  28 Jolay 2010

Samy efa nandre ireo zava-mahatsikaiky mitranga isika rehefa lasa mampihomehy ny fandikana ireo fomba fitenin'ny teny iray avadika amin'ny teny hafa. Ny fandikana ireo teny sarotra ireo dia anisan'ireo fifaninanana lehibe indrindra ao anatin'ny fandikan-teny, na ho an'ny olombelona izany na ho an'ireo solosaina.Ny Wikidioms dia loharano amin'ny aterineto vaovao manampy ireo mpandika teny handresy izany olana izany. Niresaka tamin'ny mpamorona ity vohikala ity, Pavel Kats, sy tamin'ny iray amin'ireo mpanampy azy, Yasna Trandafilovska.

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala

  19 Jolay 2010

Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo

Sina: Famelezana ireo blaogy bitika

  18 Jolay 2010

Araka ny vaovaon'ny Apple Daily androany, nandray fepetra hentitra amin'ny fanaraha-maso ny fiasan'ireo fitorahana blaogy fohy kely rehetra ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny serasera sy ny fampahalalam-baovao. Hatramin'ny nahavoasakana ny Twitter sy ny Facebook tany Sina no niroboroboan'ny valan-tserasera isan-karazany. Maro amin'ireo vavahadin'ireo vohikala, tahaka ny Sina, Sohu, 163.com ary Tencent,...