miora · Jolay, 2009

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jolay, 2009

Hetsik'ireo mponina eran-tany ho an’Irana

Tamin’ny Sabotsy 25 Jolay 2009, ireo Iranianina sy ireo tsy tsy Iranianina dia nivondrona ao anatin’ny United4Iran ary nandray anjara amin’ny hetsika fanohanana ny fitakian’ireo Iranianina ho amin’ny fahalalahana sy ny zon’olombelona. Sary sy horonan-tsary maro momba ireo fotoana ireo no nampakarina anaty aterineto. Hamburg/Germany: Washington/U.S. London/UK Ny hetsika teo...

Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian

  30 Jolay 2009

Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny e-zine Ianyan mampiasa ny Wordpress .

Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana

  28 Jolay 2009

Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina  ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia. Ny 19 Jona,  mpianatra Iranianina manodidina ny zato mianatra any Hungary no nanao fotoam-pahatsiarovana tanaty fahanginana tao amin'ny Kianjan'ny Mahery-fo tao  Budapest,...

Maoritania: Hosoka tamin’ny fifidianana?

  24 Jolay 2009

Omaly, 11 volana taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila notarihan’ny jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, dia nofidin’ny Maoritania ho filoha ny jeneraly, izay mahatonga ireo mpifaninana tamin’i Abdel Aziz niteny fa “sarintsariny” io fifidianana io araka ny voalazan’ny BBC News. Raha mijery ao amin’ny tontolon’ny blaogy Sahelianina dia mahita fa mifandray ny tadin-dokangan’ireo mpifaninana aminy.

Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana

  18 Jolay 2009

Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa sady mbola manohina ny fo ihany koa.

Bangladesa: Ny fahitan'ireo nody an-tanindrazana azy

  18 Jolay 2009

Betsaka vondrona teratany niasa tany ivelany ary nody an-tanindrazana ao Bangladesh ka maro amin’izy ireny no miasa an-tsitrapo na mikarama amin’ireny fikambanana maro tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Tsy vitsy amin’izy ireny koa no mitoraka blaogy sy mizara ny zavatra niainany izay sady zava-marina loatra no voaporofo, fa tsy mba toy izay ambaran’ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena momba an’i Bangladesh.