Lahatsoratra farany an'i miora
20/05/2013
Brunei: ‘Efa Manakaiky Ny Fanivànana Ny Aterineto Mihisatra’
Mitaraina noho ny fidirana aterineto meda sady tsy azo antoka any amin'ny fireneny ireo mpampiasa aterineto ao Brunei. I Brunei dia iray amin'ireo manana fidirana aterineto lafo sanda indrindra any Azia Atsimo-Atsinana nefa maro amin'ireo mpampiasa aterineto ao Brunei no mahatsapa fa ratsy ny tolotra aterineto azon'izy ireo raha toa ka midangana be kosa ny sarany aloany.
Vehivavy Iray Avotra Rehefa Tafahitsoka 17 Andro Tany Ambaninà Orinasa Rava Tao Bangladesh
Tamin'ilay andro niakaran'ny isan'ny maty ho 1.055 nandritra ny firodananà orinasa manana rihana sivy tany Savar (any ivelan'ny Dhaka, renivohitr'i Bangladesh), dia nisy vehivavy mpiasa antsoina hoe Reshma Begum kosa hita velona taorian'ny nahavoafandrika azy tanatin'ilay trano rava nandritra ny 17 andro, firodananà tranobe nahafaty olona be indrindra hatramin'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro ny 9/11.
19/05/2013
Mitombo Ny Fihenjanana Eo Amin'ny Faritra Tsy Azo Dikaina Ao Moldova-Transnistria
Nitombo ny fihenjanana nandritra ny alin'ny 26-27 Aprily tany amin'ny Faritra Tsy Azo Dikaina ao amin'ny Repoblikan'i Moldova, satria nametraka toby roa fanarahamaso tsy nifampieràna eo anelanelan'ny vohitr'i Varniţa sy ny tanànan'i Bender ireo manampahefana Transnistriana. Mitatitra i Diana Lungu.
Myanmar: Nandresy An'i Lady Gaga i Suu Kyi Tamin'ny Fitsapan-kevitry Ny Gazetiboky ‘Time Magazine’
Voafidy ho olona tòteny indrindra tanatin'ny roapolo taona ho an'ny Time Magazine i Aung San Suu Kyi ny 17 Aprily 2013. Nandresy an'i Lady Gaga tamin'ny salan'isa 61 isanjato amin'ireo latsabato rehetra izy. Taorian'ny fandreseny rehefa nifarana ny latsa-bato, vahoaka maro no nizara ny hafaliany sy ny fankafizany tao amin'ny Facebook.
29/03/2013
Lahatsary: Mampiroborobo Ny Fitomboan'Ireo Horonantsary Fanadihadiana Ny Krizy Ao Gresy
Ny Fetibe Thessaloniki faha-15 ho an'ny Fanadihadiana - tanterahina ny 15 ka hatramin'ny 24 Martsa 2013 - dia ahitàna horonantsary dimy miresaka momba ny krizy Grika [el], tahaka ny tamin'ny herintaona lasa [el]. Raha mbola manohy miasa eo ambanin'ny trosa miavosa sy ny olan'ny fitsitsiana mafy amin'ny famoaham-bola ny Fetibe sy i Gresy iray manontolo, dia samy mihamifantoka amin'ny asan'izy ireo amin'ny fanehoana ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiaraha-monina avokoa ny mpamokatra horonantsary foronina sy fanadihadiana.
Aostralia: Hetsiky Ny Mponina Enti-manohitra Ny McDonald Any Amin'ny Vohitr'izy Ireo
Nanana fifandraisana mivantana tamin'ny hetsi-panentanana anaty aterineto ny hetsika fanoheran'ireo mponina ny McDonald vaovao any amin'ny havoanan'i Melbourne any ivelan'ny tanànan'i Tecoma. Ho fanampin'ireo fanasàna atidoha, fivoriana sy fidinana an-dalam-be, nitondra zava-mahafinaritra ho an'ireo hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ny famelàna olona kely an-jatony eo amin'ny tohotohotry ny birao foiben'ny McDonald ireo mafana fo.
27/03/2013
Pôlitikan'ny Zava-mahadomelina Sy Ny Drôna Any Shina
Novonoin'i Shina ny 1 Martsa 2013 teo ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina any Myanmar Naw Kham sy ireo mpikambana ao amin'ny tarika misy azy, Hsang Kham avy any Thailand, Yi Lai, ary Zha Xika avy ao Laos, taorian'ny nanamelohana azy ireo ho namono tantsambo Sinoa 13 tany amin'ny onin'i Mekong tamin'ny 2011. Nahatonga resabe eran-tany momba ny heloka nataony, ny pôlitikan'ny zava-mahadomelina any Myanmar ary ny faneken'ny ampahan'i Shina ny fahazoany drôna, ny fahafatesany.
26/03/2013
Miampanga Ireo Refôrmista Hiditra Am-ponja 10 Ka Hatramin'ny 11 Taona Ny Fitsarana Saodiana
Vao marainan'ny 9 Martsa, namoaka ny valim-pitsarany ny Lapam-pitsarana misahana ny Heloka Bevava any Riyadh mikasika ireo reformista roa sady mafana fo amin'ny zon'olombelona Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, taorian'ny fiampangana azy ireo ho “tsy nankatò ny mpitondra sy ny mpandimby azy” sy ny “fikasana hanakantsakana ny fivoaran'ny firenena”. Voampanga hiditra an-tranomaizina mandritra ny 10 taona i al-Qahtani ary 5 taona kosa i al-Hamid, miampy ireo saziny teo aloha (7 taona, navoaka herintaona taty aoriana noho ny famindram-pon'ny mpanjaka)
Nesorina Tany Kenya Ny Dokambarotra Amin'ny TV Momba Ny Fimailo Taorian'ny Fitabataban'ny Mpino
Nesorina tanatin'ireo fantsom-pampitam-baovao ny fanambarana iray ho an'ny tombotsoam-bahoaka entina hampiroboroboana ny fampiasana fimailo hiadiana amin'ny fiparitahan'ny tsimokaretina VIH sy ireo aretina hafa any Kenya, taorian'ny niterahan'ity dokambarotra TV ity hatezerana teny anivon'ireo mpitarika ara-pinoana ao amin'ny firenena.
Fanamboarana Ireo Paompy Mitete Ho Fikajiana Ny Rano Any Inde
Mety ho nahazo mari-pankasitrahana noho ny asasorany sy ny asatanany ny mpanoratra sy mpanao sary hosodoko Aabid Surti, fa sady nametraka ny dian-tongony taminà sehatra iray hafa ihany koa izy: ny fitehirizana rano. Nandritra ireo fito taona lasa izay, nandany ny Alahadiny mitety ireo trano any Mumbai ilay lehilahy 77 taona, ary manamboatra maimaim-poana ireo paompy mitete






























RSS ho an i miora




Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa