The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Mialy Andriamananjara Momba ny mpandika teny

RSS ho an ny Mialy Andriamananjara

momba ny mpandika teny

mikasika an'i Mialy Andriamananjara

21 Lahatsoratra ·

Nanomboka nandika tamin'ny 2007-09-11

Mazoto mitoraka blaogy hatramin'ny 2004. Sady reny, no vady, no zanaka vavy, no anabavy, no rahavavy, no namana ihany koa. Tia manoratra ny momba ny vehivavy mpiavy sy mpila ravinahitra aty ivelany aty.

imailaka Mialy Andriamananjara

2008-03-12

Ny famorana ve, vaksinin'ny SIDA?

Tao anatin'ny taona vitsivitsy dia nampiseho ny dinika sientifika fa ny lehilahy voafora dia ambany kokoa ny mety hahavoa azy ny virus HIV izay mahatonga ny aretina SIDA. Betsaka ny governemanta afrikana ny mandinika ny famporisihana ny fanaovana didy foitra malalaka miaraka amin'ny fiadiana amin'ny fiparitahan'ny aretina mahazatra. Zied, mpitoraka blaogy ...

2008-03-10

Bolivia : Fikambanana Twitter

Mitombo tsikelikely ny mpampiasa Twitter boliviana, ary nahazo tosika lehibe ry zareo tamin'ny fanamboarana ny pejy TwittBo [es], manantena ny hanome dokam-barotra be be kokoa ity fomba fifandraisana efa be mpakafy ity. Fanampin'izany dia nisy koa Facebook niforona mba hikambanan'ny mpanao twitter boliviana. Roa amin'ny mpamorona, Ricardo Zuna (@masaco) ...

2008-03-07

Afrika : Mpitoraka Blaogy Sary, Blaogy, Sary mihetsikaVideo post

Topazana maso i Afrika amin'ny alalan'ny sary mihetsiky ny gazetin'olontsotra. Hatramin'ny tompon-daka BoB, mpilaza tantara, mpanao sary mihetsika fanadihadiana momba ny mpanakanto, ny indostria mpanao sary mihetsika Nollywood any Nigeria sy ny maro hafa koa. Mahaliana sy vita tsara ny tantara an-tsarin'i Usnico : ny sary iray milaza ny manjo , ...

Iran : Mpianatra tsy manaiky fanasarahana ny lahy sy ny vavy

Mpianatra an-jatony tao amin'ny Shiraz University no nanohy ny fihetsiketsehana tsy mankasitraka ny fampisarahana ny lahy sy ny vavy tamin'ny atalata faha-4 marsa. Maniry ireo mpianatra mba hanafoanana ilay fanasarahina ny lahy sy ny vavy anaty lakilasy samihafy izay nanomboka tamin'ny volana febroary teo. Nangataka ny mpianatra ny hialan'ny prezidan'ny anjerimanontolo ...

Tsy mankasitraka vehivavy miakanjo maivana

Sarimbehivavy tsy manao Hijab, asehon'ny gazety miseho isan'andro, nanoratra momba ny fankalazana ny andron'ny fampianarana tany Bahrain, andro koa fanomezam-boninahitra ny mpianatra mahay indrindra, no niantombohan'ny raharaha. Mitaraina i Jaffar: من خلال تصفحي لجرائدنا المحلية الأسبوع الفائت.. كنت أشاهد صور كثيرة لفعاليات عيد العلم وأخذت أقلب الصور وأفكر فيها.. صور نساء ...

2007-10-10

Miharatsy ny tsy fahampiana ara-tsakafo any Zimbabwe

Dzimba dia mamoaka lahatsoratra ao amin'ny Zimbabwe online momba ny fiharatsian'ny ara-tsakafo any Zimbabwe : Ny ankabeazan'ny fianakaviana any Harare, izay misy mponina efa ho roa tapitrisa, dia miaina amin'ny sakafo iray isan'andro ary miha-betsaka ny tsy fahampiana ara-tsakafo ao amin'ny renivohitra zimbabweana, hoy ny manampahaizana ara-tsakafo tamin'ny atalata teo. Ndesanjo ...

2007-09-20

Tanora ary mamoy fo, vonona hiondrana

Misy orinasa mpitady mpiasa ahiana ho sandoka nentina eo anatrehan'ny lalana any Madagasikara. Gateway Global Consultants, tarihin'izany Steve Turmel izany, milaza fa mpanolo saina maneran-tany, dia nahazo fandrarana hialana an'i Madagasikara , fa nampanantena Malagasy ana arivony asa any Bahamas ao amin'ny « West Palm Textiles and Garnments», raha mameno ...

2007-09-13

Madagascar ,
France

Niverina i Rossy
Manoratra i Harinjaka fa i Rossy, mitondra koa ny anarana Paul-Bert Rahasimanana, azo lazaina fa isan'ny mpanao mozika Malagasy malaza indrindra, dia niverina any amin'ny tany niaviany, izay nilaozany ho any Frantsa taorian'ny fifidianana 2002 izay nisy fifandifirana nahery setra. Misy videon'ny hiran'i Rossy farany koa natorak'i Hari.

Jennifer Brea

U.S.A.

Manoratra momba ny Kamusi Project i Ethan :

“Evidently, Kamusi has had a conflict with Yale, which hosted the project. According to the Kamusi website, the project “has been ordered to remove all links to the sites that the project has relied on to raise revenue for project maintenance and improvement.”

Mazava fa tsy nifanaraka i Kamusi sy i Yale, izay mampiatrano ilay lahatra asa. Araky ny lazain'ny takelaka Kamusi, dia “nasaina nesorin' ny rehetra izay tsindry mitondra any amin'ny takelaka nianteheran'ny lahatra asa hahazoana vola mba hitohizan'ny asa sy hanamboarana azy.

Ndesanjo Macha

2007-09-12

Americas

Mitoraka bilaogy momba ny antsoiny hoe “fananjahana mivadika” i Marlon James, ary koa momba ny antony noheveriny fa nilainy ny nandao an'i Jamaika:

“I love my country but I’ve never missed it, perhaps because I have never forgotten the reasons I left.”

“Tiako ny taniko fa tsy nalahelovako mihitsy, angamba satria tsy adinoko mihitsy ny antony nandehanako.”

Janine Mendes-Franco