Global Voices teny Malagasy » Mialy Andriamananjara
Fa aiza mihitsy ary no mipetraka ny mpandika tenin' ny Global Voices?
Ny mpandika tenin'ny Global Voices Lingua izao dia mamoaka ity tranonkala ity amin'ny teny dimy ambiny folo isankarazany (18 raha isaina koa ny tranonkala vaovao Swahili, Rosiana ary Serbiana) mamela ny olona eran-tany tsy miteny anglisy mba handray anjara koa ao amin'ny fifanakalozana hevitra.
Nandray mpandika teny manome miasa maimaim-poana fitopolo avy amin'ny tany miisa fara faharatsiny 21 ny mpifandray eto amin'ny Global Voices tao anatin'ny herintaona sy tapany lasa teo.
Tsy mora ny manaraka ny mpanoratra mihoatry ny 150, ny mpitsara teny, ary koa ny mpandika teny izay manome ezaka lehibe an'i Global Voices.
Tsy misy birao azo raisina tanana mantsy, tsy misy foibe jeografika, ary tsindraindray ihany vao mifankahita tava. Afaka vakianao antsipirihany ny fomba fiasan'ny Global Voices ao amin'ny pejy natokana Momba an'i Global Voices.
Claire Ulrich izay mitantana ny Global Voices amin'ny teny frantsay dia nametraka ny toerana misy ny mpandika teny rehetra eto amin'ity sarin-tany Google ity.
Miangavy anao hanaparitaka ny momba ny fandikana teny Lingua amin'ny fametrahana rohy ho any aminy eo amin'ny toraka blaoginao.
Ny Global Voices amin'ny teny Malagasy dia misy mpandika teny 4 mavitrika izay hitanao eo amin'ny sarin-tany. [Raha toa ianao ka te hanampy]
Agrandir le plan
Fikirizan'ny mpitoraka blaogy iray hanampy an'i Baby Kamba
Raha miezaka ianao manaraka vaovao momba an'i Madagasikara, dia angamba mamaky matetika ny Madagascar Tribune. Ary raha nanao famandrihana ianao, dia namaky angamba vaovao nosoratan'i Herimanda R momba ny fandidiana tsy dia fanao ary vita soa aman-tsara nataon'ny departemantan'ny neorochirurgie teo amin'ny hopitaly Ravoahangy tamin'ny fahafolon'ny volana Jona. Herintaona i Tombotsara Antefindrazana, fantatra mandrakizay ho “Baby Kamba” ho an'ny mpitoraka blaogy eran-tany, vao teraka izy dia nisy ny “frontal-nasal meningoencephalitis“, izay nahatonga bontsina lehibe nivoaka teo anelanelan'ny masony roa, araky ny hita eto amin'ity sary ity :
Nisy lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Midi Madagasikara nilaza fa hatramin'izay dia vao 37 monja ny olona nisy meningoencephalitis hita tao amin'ny hopitaly Ravoahangy. Fa ny tsy voalazan'ireo lahatsoratra roa ireo kosa dia ny tantara niantombohan'ny fanavotana an'i Kamba : ny ezak'i Diana Chamia, mpitoraka blaogy vao 18 taona fotsiny, nikiry nitady fanampiana ho an'i Kamba tamin'ny alalan'ny lahatsoratra iray niseho tao amin'ny blaoginy ary nitondra ny lohateny hoe “Ampio aho hanampy azy“.
Diana Chamia hita sary miaraka amin'ny Kamba talohan'ny fandidiana, izay vita vokatry ny asa mafy nataon'i Diana.
Diana, mpianatra fanaovana gazety any Mahajanga, Madagasikara, dia nianatra fitorahana blaogy tamin'ny Foko Madagascar, nahazo vatsy tamin'i Rising Voices. Ireo olona hafa mpitoraka blaogy tany Mahajanga dia isan'izany ry Cylnice, Jombilo, Lomelle, Mielmanja, Rondro, Tonkataly, Ysiastella, sy Zouboon.
Mpitoraka blaogy avy amin'ny Foko Blog Club any Mahajanga, io i Diana miakanjo mainty eo afovoany.
Fa i Diana no nanapaka hevitra hampiasa ny blaoginy ho fitaovana fanaovana asa soa sosialy. Araka ny tantarainy ao amin'ny toraka blaogy tamin'ny April 19, dia hitany voalohany i Kamba sy ny reniny izay mpitondra tena, Philomène Georgine, raha variana loatra izy ka nilaozan'ny bisy ‘fitaterana' .
“Naka ny bisy faha 5 avy any an-trano aho ho any amin'ny Bazar Mahabibo, fa very saina, sa koa angaha efa lahatry ny zaza, ka adinoko ny nidina teo amin'ny fidinako mahazatra. Efa tery amin'ny tranobe an-tanàna aho vao tonga saina. Teo am-piverenana ho any an-tsena, dia nahita ity ramatoa ity aho , mibaby zaza kely iray, mitrotro iray eo aloha, ary kitapo mena lehibe iray eo an-tsaviliny. Ilay zaza trotroiny dia notakonany lamba maitso. Nanontany tena aho hoe maninona no rakofana kanefa mafana be i Mahajanga. Nisy rivotra be, dia hitako ny tarehin'ilay zazakely.”
Dia manohy i Diana mitantara ny fifaneraserany tamin'i Philomène izay miezaka mafy kanefa tsy mahita fika hanaovana ilay fandidiana hanesorana ilay vonto lehibe eo amin'ny handrin'ny zanany. Io andro io i Diana dia nivoady fa hitady izay hanampiana an'i Kamba mba ho zaza toy ny rehetra izy, tsy hojeren'ny mpandalo hafahafa intsony, fijery izay efa lasa nahazatra ny reniny.
Nandritry ny volana vitsy taty aoriana dia nantsoin'i Diana ny mpitoraka blaogy Malagasy maro hanampy azy. FOKO iray manontolo nanampy an'i Diana namorona ny “Zaza sy Vavy Gasy” (”Ho an'ny vehivavy sy zaza Malagasy”), pejy Internet miteny anglisy sy frantsay natao hanaovana fanampiana sy fitadiavana vatsy hanaovana ilay fandidiana lafo be hanesorana ny vonto eo amin'ny handrin'i Kamba. Nisy koa pejy Facebook nakarina tamin'izany.
Ny ezak'i Diana dia voatantara tsara ao amin'i blaogin'i Joan Razafimaharo, miasa ao amin'i Foko, ary koa ao amin'ny fitorahana blaogy iombonana, Malagasy Miray.
Tany Canada, i Jean Razafimandambo, Malagasy mpitady ravinahitra, ary mifanerasera matetika amin'i Mahajanga, dia nijery Internet ny andro nahaterahan'ny zafikeliny, ary nahita ny blaogin'i Diana. Araka ny nolazain-dRazafindambo  monina any Ottawa,
Nahatsiaro ny zafikeliko aho, izay salama tokoa, ary raha i Kamba moa no zafikeliko, dia inona no ho ataoko?
Nampian'ny namana, mpiara miasa ary koa olon-tsy fantatra malala tanana sy fo i Jean sy i Bako vadiny ary nahazo efa ho $1500 ho an'ny fandidiana an'i Kamba, raha nanao ny hazakazaka lavitra ezaka tao Ottawa tamin'ny volana May.
sary nindramina tamin'i Avylavitra
Araka ny hitanao ao amin'io sary io, dia miverina tsara ny fahasalaman'i Kamba, indrindra moa fa tena fandidiana henjana (mihoatry ny adiny valo). Ilay fandidiana dia tsy ho nisy mihitsy raha tsy nisy ny fitiavana be sy fikirizan'i Diana. Impiry moa isika no nandalo olona iray mila fanampiana, nefa kosa nanome tsiny fotsiny  ny fitondrana hoe tsy ampy ny fitsaboana na koa ny trano omeny hipetrahana? Dia avy eo isika anefa manohy ny lalantsika. Fa i Diana tsy nandalo fotsiny. Blaogy iray fotsiny sy fikirizana no azy, fa kosa nanovàny mandrakizay ny fiainan'ny ankizy lahikely izay fantatr'izao tontolo izao ho Baby Kamba amin'izao fotoana izao. Afaka mihaino mivantana an'i Philomene, renin'i Kamba sy i Diana ianao ao amin'ity video ity.
Kiobà : Manakana mpitoraka blaogy
Tianao hitakoritsika ve ny blogosfera Kiobàna ? Bahano ary ny famakiana blaogy tian'ny maro. Hatramin'ny nibahanan'ny manam-pahefana Kiobana blaogy tsy manohana ny fitondrana avy ao Havana tamin'ny fiantombohan'ity herinandro ity, dia nanohana tanteraka ny mpitoraka blaogy Kiobàna ny diaspora mpiblaogy - indrindra moa fa i Yoani Sancehz sy ny blog-ny Generacion Y, izay toa voalohany voapala.
El Diario de la Resistencia II sy Cuba File avy amin'ny lahatsoratra tao amin'ny Reuters :
Sanchez, whose critical Generacion Y blog received 1.2 million hits in February, said Cubans can no longer visit her Web page (http://www.desdecuba.com/generaciony/) and two other home-grown bloggers on the Web site on a server in Germany. All they can see is a “error downloading” message.
Sanchez, manana ny blaogy mavitrika Generacio Y izay nahazo mpitsidika 1.2 tapitrisa tamin'ny febroary, dia nilaza fa ny Kiobàna dia tsy afaka intsony mamangy ny pejiny (http://www.desdecuba.com/generaciony/) sy blaogy roa hafa mipetraka amin'ny server any Alemana. Misy hafatra fotsiny milaza fa “diso ny fampidinana ny pejy”.
Ny Cuban Triangle [Kiobàna telomirazoro] kosa mifandray amin'ny namany any Kiobà dia milaza fa “voabahana ilay pezy, dia nisy ‘fomba fidirana miadana' navela natao. Fa ity ‘fomba fidirana miadana' ity tsy manova ny hevitr'i El Cafe Cubano, izay mampitaha ny fitondran'i Raul Castro amin'ny apartheid:
While the media and some bloggers are praising raulita like he's some sort of saint or the catalyst for FREEDOM. He's using the Chinese model FOLKS! Wow computers are available now, but no one can afford them and as you can see the internet is restricted.
Raha faly ery ny mpanao gazety sy ny mpitoraka blaogy sasany mandoka an'i raulita ohatry ny hoe olomasina izy na mpamoha ny FAHAFAHANA. Ampiasainy ny modely sinoa rey olona! Wow, misy izao ny solosaina, fa tsy misy ampy vola mividy azy,ary hitanareo fa misy fanampenana sy fibahanana amin'ny aterineto.
Blog for Cuba manampy hoe:
What will Cubans do with all those new computers? One thing for sure, they won't be reading Cuban blogs that voice dissent. Raul the reformer, remains Raul the Oppressor.
Inona no ho ataon'ny Kiobàna amin'ireto solosaina vaovao ireto? Zavatra iray fantatra dia tsy afaka hamaky blaogy Kiobàna mampiseho hevitra tsy manaiky ny fanjakana ny Kiobàna. Raul ilay mpanavao dia mbola Raul ilay mpanitsaka.
Tsy misy mahagaga an'i Blue Star Chronicles izany, fa kosa misy tsy azony kely :
Don’t the progressives (aka communist) of our country just love the current Cuban form of government. I keep hearing how superior it is to ours. I keep hearing how they have a better medical care system, etc. Of course, the people who say that are almost exclusively well-to-do latte liberals who don’t have to live under the confines of a petty dictator. I’ve not seen a one of them actually move there.
Toa tian'ny progressives (fantatra koa hoe komonista) amin'ny tanintsika ity ny governementa Kiobàna amin'izao fotoana. Henoko foana hoe toa tsara noho ny antsika io governementa io. Henoko foana hoe tsara noho ny antsika ny fitsaboana any, etc… Eny fa ireo olona milaza izany dia olona manambola misotro “latte” ary liberaly tsy voatery miaina voatsindrin'ny mpanjadona. Tsy mbola nahita na iray tamin'ireo ary aho nifindra monina tany.
Tim Worstall manako ity hevitra ity amin'ny sorany, ary TonyTeri.com manaiky fa
it takes extreme guts for her (Sanchez) to write about what she does. She actually has to roam about Cuba blogging from hotels and other areas with Internet access usually reserved for foreigners.
Mahery fo tokoa izy (Sanchez) manoratra momba ny ataony. Voatery mandeha eran'ny Kiobà mitoraka blaogy avy amin'ny hotely sy toerana hafa misy aterineto izay natokana ho an'ny vahiny.
Manindrahindra izany i 1Click2Cuba:
Blogging in Cuba can get you in a heap of trouble (translation: jail), but that threat hasn't stopped hundreds of bloggers on the island determined to get their messages out. Lately, Cuban bloggers have taken to dressing like tourists, feigning accents and secretly using hotel internet lines (native Cubans aren't allowed inside tourist hotels). Once inside the hotel, Yoani Sanchez has to write fast. Not only because she fears getting caught, but because online access is prohibitively expensive. An hour online costs about $6, the equivalent of half of what the average Cuban make in a month. Independent bloggers like Sanchez have to build their sites on servers outside Cuba, and they have more readers outside Cuba than inside.
Mety mitondra olana be ny mitoraka blaogy avy any Kiobà (fonja), fa tsy nanakana mpitoraka blaogy an-jatony izany akory izay tena vonona hamoaka ny heviny. Tato ho ato ny mpitoraka blaogy Kiobàna dia manao akanjo toa ny mpivahiny, mody miteny amin'ny fomba fitenin'ny vahiny, ary mampiasa ny aterineto avy amin'ny hotely (tsy afaka miditra anaty hotely ho an'ny mpivahiny ny teratany Kiobàna). Raha ao anatin'ny hotely i Yoani Sanchez dia mila manoratra haingana be. Tsy matahotra fotsiny mantsy hoe sao tratra, fa koa tena lafo vidy be ny aterineto. ATerineto adiny iray dia mandoa $6, mitovy amin'ny antsasan'ny karaman'ny Kiobàna tsotra isam-bolana. Ny mpitoraka blaogy tsy miankina toa an'i Sanchez dia mila manamboatra ny pejiny amin'ny servers any ivelan'ny Kiobà, ary manana mpamaky betsaka kokoa izy any ivelan'ny Kiobà.
Ny mpamaky dia ireo tany any Karaiba hafa, ary Child of the Revolution manamarika fa
the attempt to effectively shut down the sometimes critical blog has received wide coverage in the international media, in outlets as diverse as The Sun Sentinel and the Left-leaning London daily, The Guardian.
ilay andrana nanidy ny blaogy sasany dia nahazo vahana tamin'ny mpanao gazety erantany, hatramin'ny The Sun Sentinel ka hatramin'ny gazety miseho isan'andro miandany ankavia toa an'i The Guardian.
Jefferson Lives mieritreritra lalina momba ity toejavatra ity :
I have always found it fascinating that each country can have its own laws regarding something that is supposed to be the World Wide Web. Understandably it is tough to regulate something on a global scale. However, valuable information and potential freedoms are being violated repeatedly by restricting freedom of the press and freedom to post on a global scale. This begs this question, in an arena without borders, is Cuba violating essential rights for citizens in the US by restricting this website for all to see, or just their citizens?
Nahaliana ahy hatramin'izay ny fananan'ny tany tsirairay ny lalanany momba ny World Wide Web. Azo fa tena sarotra ny mametraka lalana eran-tany. Kanefa vaovao sy fahafahana no esorina imbetsaka rehefa mamehy ny fahafahan'ny mpanao gazety sy fahafahana hitoraka blaogy eo amin'ny laharana iraisam-pirenena. Mitondra ny fanontaniana hoe, anatin'ny sehatra tsy misy sisintany, manitsakitsaka ny zon'ny teratany amerikana ve i Kiobà raha mametra ny fahitana ity pejy ity, sa kosa zon'ny terataniny ihany no voahitsany?
… i Uncommon Sense kosa manontany :
Looking for an easy way to stick it to the Cuban dictatorship?
Visit Generación Y, the most popular Cuba-based blog.
Mitady fomba mora handrangitana ny mpanao didy jadona Kobana va ianao?
Tsidiho Generacion Y, ny blaogy avy any Kiobà be mpankasitraka indrindra.
Sina : Miady amin'ny mpanao gazety tandrefana milaza ny momba an'i Tibet ny mpitoraka blaogy sinoa
Raha nandre ny vaovao hoe ny Tibetana dia mandidy sofin-jaza sy mandoro olona velona, dia nandrobaka ny voalaza diso momba ny toejavatra any Tibet ny Sinoa amin'ny Internet ary toa tsy vonona ny hiala maina. Ady no tadiaviny amin'ny mpanao gazety tandrefana lehibe indrindra, ary i anti-CNN.com no foibe.
Isan'ny ambony indrindra amin'ny lisitry ny teny fanalahidy amin'ny GFW ny hoe Tibet sy Lhasa taorian'ny herisetra sy korontana tany Sina atsimo andrefana tany andohan'ity volana ity, betsaka ary ny fikarohana ny anton'itony mitranga itony ka nijanona fotsiny ao amin'ny tahirin'ny sary, ny fanendrikendrehana feno fahasorenana, ny resaka tsy misy ifandraisany tao amin'ny anti-CNN.com, betsaka amin'ireo angamba no mahatanty famakafakana lalina, ilay tahiry mantsy dia mora ny mandika sy mampiasa azy amin'ny bilaogy.
Ho an'ny mpitoraka blaogy voaterin'ny lafiny roa anatin'ny ady famitana hevitra nahitana aina nafoy sy ny habetsahan'i Sina voafonjan'ny miaramila, dia tsapa betsaka ny fahasorenana amin'ny hoe ahoana ary ny fomba fotsiny hitorahana blaogy momba ity zava misy ity. Dia ao koa ilay hoe misy mpihetsiketsika Tibetana tanora an-tsesintany nikasa ny hanao korontana tao Lhasa tamin'ny andro Nationaly natokana ho an'ny Rotaka Tibetana ary efa volana maromaro izay no niresaka tsy niafina momba ny fikasany.
Ahoana no fomba fiatrehana ity fihetsika hita matetika eo amin'ny mpitoraka blaogy sinoa ity, araka ny hita eo amin'ny fampidirana eo amin'ny anti-CNN.com?
认清西方媒体卑鄙无耻的真面目
Jereo ny tarehy ratsy sy tsy mahalala menatra asehon'ny mpanao gazety tandrefana :
长期以来，以CNN、BBC为代表的西方某些媒体借新闻自由之名对广大发展中国家进行了肆无忌惮的污蔑和诋毁为了达到他们不可告人的目的他们栽赃陷害、颠倒黑白、混淆是非、无中生有……真是无所不用其极
Efa ela izao ny mpanao gazety tandrefana izay CNN sy BBC no tena misolo vava azy, amin'ny anaran'ny fahalalahan'ny fampitana vaovao, dia tsy te hahalala fa manaratsy sy manasoketa ny tany andalam-pandrosoana tsotra izao. Mba hahatanterahana ity tanjona tsy lazainy mazava ity, dia mamitaka ry zareo, ny mainty lazainy fotsy, ny ratsy sy ny tsara afamadiny, mamorona, vonona ny anao na inona na inona.
在对2008年3月西藏骚乱的报道中西方媒体的表演再一次向世人展示了他们丑恶的真实面目本网站旨在收集、整理并发布西方主流媒体作恶的证据 如果您看到任何西方媒体作恶的证据，请千万不要轻易放过他们 把它们保存起来并寄给我们多收集一份他们的罪证，就是为我们争取到了多一点的空间 我们关注所有西方媒体（不只是CNN），不限语言、内容（文本或图片）和国家
Ao amin'ny vaovao momba ny rotaka any Tibet, dia mampiseho indray ny mpanao gazety tandrefana ny tarehiny tena marikoriko. Ity pejy ity dia mitahiry, mandamina ary mamoaka ny porofon'ny maharatsy ny mpanao gazety tandrefana. Raha mahita porofon'ny maha ratsy ny mpanao gazety tandrefana ianao, dia aza avela mandeha maina fotsiny ry zareo ireo. Tahirizo io porofo io ary alefaso aty aminay. Vao betsaka ny porofon'ny ratsy ataony mantsy dia vao maika betsaka ny toerana niadiantsika sy azontsika ho antsika.Ny mpanao gazety tandrefana rehetra (tsy CNN ihany akory) no tadiavinay, ary tsy voafehin'ny teny, na vontoatiny (soratra na sary) ary koa tany.
这将是一场反抗西方话语霸权的斗争我们应该充分认识到这场斗争的长期性、艰巨性和复杂性但无论怎样，我们都坚信：西方国家妄图通过几个破媒体就一张臭嘴遮天的日子将一去不返了！
Ity dia ady manohitra ny fomba filaza vaovao tandrefana manjakazaka. Mila fantarintsika fa izy ity dia ady lava, sarotra ary manahirana. Fa na inona hidona na hitranga, mino marina izahay fa :Ny andron'ny fampitana vaovao fakon'ny gazety tandrefana mba hamitahana olona amin'ny zavatra adala lazainy dia efa ho lany!
Tsidiho azafady ny tahiry ataon'ny Global Voices Online misy rohy momba ny Rotaka any Tibet 2008.
Notes avy any Port of spain dia manontany hoe :”Ary iza no hiambina ny mpiambina?”
Danny Choo manoratra momba ny filazana fa ny ISPs japoney dia terena hanala mpampiasa Internet izay mizara fichiers amin'ny Internet, manasongadina ny fahasamihafan'ny lazain'ny mpiteny anglisy sy mpiteny japoney ity resaka ity.
Mamela hafatra momba ny op-ed nosoratan'ny prezidanta voafidy Serge Sargsyan sy ny mpisolo vava tao amin'ny parliamanta taloha Artur Baghdasarian, voatontan'ny Washington Post i Unzipped. Ity op-ed ity dia valin'ny op-ed anankiray nosoratan'ny lehiben'ny mpanohitra sy prezidanta taloha Levon Ter-Petrossian, natonta tao amin'io gazety io ihany.
ramblinglankan mitoraka blaogy amin'ny teny Sinhala any Sri Lanka ary manontany tena raha misy antony izany.
“Isan'ny fombafomba ahiana indrindra any amin'ny faritra afovoany atsinanana ny “fitadiavam-bady”. Tsy mampiahiahy ny mpitady vady lahy sy ny fianakaviany irery ihany. Fa koa hita fa mampietry ny vehivavy izay mihevitra fa manambay vehivavy izy ity” hoy i Qwaider, avy any Jordana.
Fivoriambe Global Voices 2008
Faly mampandre ny hisian'ny Fivoriana Global Voices Olon-tsotra Mamita Vaovao 2008 ny Global Voices sy Global Voices Advocacy, ho atao any Budapest, Ongaria ny 27-28 Jiona 2008, miaraka amin'ny fanampian'ny McCormick Tribune Foundation, Berkman Center for Internet and Society ary MediaHungaria.
Ity fihetsiketsehana ity dia hampivory ny mpikambana ao amin'ny tetikasa Global Voices citizen media ary ny mpikambana ampielezan'ny mpitoraka bilaogy, mpihetsiketsika, teknolojista ary mpanao gazety, olona hafa eran-tany, mba hidinika mandritry ny roa andro momba ny “Famitam-baovaon'ny Olona tsotra ary ny Maha-Olontsotra”.
Sary avy tamin'ny Fivoriambe Global Voices 2006 izay natao tany Delhi, India
Ny Fivoriambe Global Voices dia mamela antsika mizara fahaizana anatin'ny fikambanana mieran-tanin'ny mpitoraka blaogy, mpihetsiketsika, mpianatra ary mpiasa amin'ny fampielezam-baovao. Ity fivoriana ity dia handinika ny fivelaran'ny famitam-baovaon'ny olona tsotra tarihan'ny olona ivelan'ny Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana, ary hamakafaka ny fanovana sosialy ataon'ny olona mpampiely vaovao mitombo an'isa eran-tany.
Ny andro voalohan'ny Fivoriambe, ho tontosain'ny Global Voices Advocacy, dia hatokana ho an'ny fiadian-kevitra momba ny fanampenam-bava sy ny olana misy amin'ny fahalalahana ara-teny eo amin'ny Internet. Ny andro faharoa kosa dia ampiseho fampisehoana Web2.0 amin'ny fampielezan-kevitra politika amin'ny demokrasia vao misondrotra ; olana amin'ny fandikana teny ary ny fiheverana fa ny internet dia toerana tokony ho bahanan'ny teny maro; hampiseho valitenin'ny fampitana vaovao vitan'ny olon-tsotra amin'ny toe-javatra mahamaika. Ny programa roa andro koa dia hisy fampianarana famoronana fomba fihetsiketsehana miaraka amin'ny Google maps, Twitter ary fizarana horonantsara maimaimpoana eto amin'ny Internet.
Misy programa fohy amin'ny faran'ity lahatsoratra ity. Hisy pejy internet momba ny famandrihana sy programa afaka roa herinandro eo ho eo, fa kosa dia aza misalasala mandefa imailaka amiko ato amin'ny georgiap@globalvoicesonline.org raha misy fanontaniana hafa sy fangatahana fiantohana.
Ataovy amin'ny kalandrie anareo ny Fivoriambe Global Voices Citizen Media. Manantena ny hahita anareo any Budapest !
Global Voices Citizen Media Summit 2008
Budapest, Hungary -  27-28 Jiona 2008
PROGRAMA VAKIRAOKA
27 Jiona 2008
Fidirana 1: “Tambajotra iraisam-pirenena miady amin'ny fanampenam-bava”
Maninona no mila Tambajotra iraisam-pirenena miady amin'ny fanampenam-bava? Ahoana no fanamorana ny fizarana teknika, fomba fanao ary traikefa momba ny fiarovana ny fahalalahana miteny eto amin'ny internet ?
Fidirana 2: “Filazam-baovaon'ny Olon-tsotra ary Fahalalahana Miteny eto amin'ny Internet”
Miatrika ny fitandrohan'ny fitambenam-bava sy fanindriana hazo lena ny fampitana vaovaon'ny olona tsotra. Ohatra avy any Kenya, Burma, Egypta ary Hong Kong.
Fidirana 3: “Fiarahana miana amin'ny fanampenam-bava”
Mizara ny traikefany ny mpandray anjara miaina any amin'ny tany misy fitampenam-bava ary milaza ny ezaka ataony hiadiana amin'izany.
Fidirana 4: “Mpihetsiketsika sy ny Akademia : Fitaovana sy Hay”
Misy ny fitaovana fampiasa hialana amin'ny masontsivan'ny internet sy fomba hafa fanampenam-bava, fa kosa tsy tonga amin'ny olona mila azy izy ireo na dia tokony aza. Ahoana no fomba hanamorana ny fifanamboarana eo amin'ny mpanamboatra ireny fitaovana irey sy ny fihetsiketsehana miady amin'ny fanampenam-bava mila azy ireny ? Ary ahoana no fanamorana ny fifandraisana eo amin'ny mpihetsiketsika sy ny mpanamboatra ka afaka hanamboaran'ireo fitaovana mifanojo ny mpihetsiketsika kokoa ?
Fidirana 5: “Ny Fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy ny mpihetsiketsika eny an-toerana : eo am-piarovana ny feo”
Ahoana no fomba hiasan'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana miaraka  mpihetsiketsika eny an-toerana mba hiadiany amin'ny fomba mailaka kokoa amin'ny fanampenam-bava?
28 Jiona 2008
Fidirana 1: “Miely eran-tany ny Web 2.0”
Ny fisehon'ny internet faharoa dia mihoatra nohony tagging sosialy, RSS ary trackbacks. Noho ny fielezan'ny broadband eran'ny tany an-dalam-pandrosoana sy ny fivoaran'ny mpandraharahan'ny internet eran-tany dia betsaka ankehitriny ny fanamboarana internet mitranga any amin'ny toerana tsy nisy internet akory vao folo taona lasa izay. Ity fivoriana ity dia ho an'ny mpitarika ny fanamboarana Web 2.0 avy any Bolivia, Botswana, Colombia ary Repoblika Demokratikan'ny Kongo.
Fidirana 2: “Ny mpifidy manana internet any amin'ny tany vao isondrotan'ny demokrasia”
Toa afaka mandray anjara kokoa amin'ny fomba fifidianana demokratika ny blogging, fitaovana fampifandraisana sosialy eto amin'ny internet toa an'i Facebook, Twitter, ny fizarana sary sy horonantsary toa an'ny YouTube, Flickr ary ny fielezan'ny teknolozia mobile eo anivon'ny olontsotra.
Ity fidirana ity dia handinika ny fiatraikan'ireo amin'ny fifidianana tany Kenya, Armenia, Iran ary hametraka ny fanontaniana : misy fiatraikany amin'ny demokrasia vao miakatra ve ny fampielezam-baovao ataon'ny olon-tsotra?
Fidirana 3: Fianarana Fihetsiketsehana Dizitaly
Vonona ve ianao amin'ny fahamehana manaraka amin'ny bontolon'ny blaogy? Amin'ity fidirana ity dia hivondrona isika mba hianatra miaraka amin'ny mpihetsiketsika efa nampiasa ireto fitaovana ireto ho Mashups toa ilay Access Denied mpa, mampiseho hoe aiza no misy fanampenam-bava ny takelaka Web 2.0,  Ushahidi.com, fampisehoana ny hery setra tao aorian'ny fifidianana tany Kenya, sy fizarana vaovao momba ny fahamehana amin'ny alalan'ny SMS ary Twitter.
Vondrona A) Google Maps mashups
Vondrona B) SMS sy flashmobbing
Vondrona C) Hetsiketsika ho an'ny mpitoraka blaogy voafonja
Vondrona D) Fizarana horonantsary
Vondrona E) Fizarana vaovao amin'ny blaogy madinika (microblogging)
Fidirana 4: “Fandikana teny sy ny Takelaka Web amin'ny teny maro”
Tao anatin'ny tantaran'ny fiseraserana eran-tany mampiasa , ny mpandinika, spesialista, mpitsikera fizaram-baovao, mpihetsiketsika sy mpanoratra dia nihevitra fa ny Internet dia toerana fifanakalozan-kevitra tsy misy fisakanana ho an'ny fizarana hay, hevitra sy vaovao eran-tany. Kanefa dia mbola voazaran'ny teny ihany anefa ireo fivondronan'olona ireo. Ny fizarazarana ara-teny ve dia olana teknika sa koltoraly ? Misy masinina mpandika toa an'ny google Translate ve afaka manantanteraka ny fanantenana fa ho Takelaka Web amin'ny teny maro izy ity, fa kosa tsy olona mpandika teny no manome fotoana sy aina hanamboarana tetezana hampitohy ny bolongana tsirairay ?
Fidirana 5: “Manavotra ny fampielezana vaovaon'ny olon-tsotra”
Rehefa misy korontana politika, matetika ny governemanta no mampangina ny gazety mahazatra amin'ny fomba ara-dalana, na amin'ny fampiorohoroana. Ny sisa tavela milaza ny tantara sy ny miseho dia olon-tsotra vavolom-belona, mizara sary sy tatitra eo amin'ny Internet. Amin'ity fidirana ity isika dia hamelabelatra ny fihantraikan'ny fampielezana vaovaon'ny olon-tsotra tamin'ny toe-javatra miaka toa ny tany Myanmar (Burma), Pakistan, Sina, teo an-toerana ary koa eran-tany.