The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Mialy Andriamananjara Momba ny mpandika teny

RSS ho an i Mialy Andriamananjara

Momba ny mpandika teny

mikasika an i Mialy Andriamananjara

21 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 2007-09-11

Mazoto mitoraka blaogy hatramin'ny 2004. Sady reny, no vady, no zanaka vavy, no anabavy, no rahavavy, no namana ihany koa. Tia manoratra ny momba ny vehivavy mpiavy sy mpila ravinahitra aty ivelany aty.

imailaka Mialy Andriamananjara

2008-09-03

Fa aiza mihitsy ary no mipetraka ny mpandika tenin' ny Global Voices?

Ny mpandika tenin'ny Global Voices Lingua izao dia mamoaka ity tranonkala ity amin'ny teny dimy ambiny folo isankarazany (18 raha isaina koa ny tranonkala vaovao Swahili, Rosiana ary Serbiana) mamela ny olona eran-tany tsy miteny anglisy mba handray anjara koa ao amin'ny fifanakalozana hevitra. Nandray mpandika teny manome miasa maimaim-poana ...

2008-08-15

Fikirizan'ny mpitoraka blaogy iray hanampy an'i Baby Kamba

Rising Voices
Raha miezaka ianao manaraka vaovao momba an'i Madagasikara, dia angamba mamaky matetika ny Madagascar Tribune. Ary raha nanao famandrihana ianao, dia namaky angamba vaovao nosoratan'i Herimanda R momba ny fandidiana tsy dia fanao ary vita soa aman-tsara nataon'ny departemantan'ny neorochirurgie teo amin'ny hopitaly Ravoahangy tamin'ny fahafolon'ny volana Jona. Herintaona i ...

2008-03-28

Kiobà : Manakana mpitoraka blaogy

Tianao hitakoritsika ve ny blogosfera Kiobàna ? Bahano ary ny famakiana blaogy tian'ny maro. Hatramin'ny nibahanan'ny manam-pahefana Kiobana blaogy tsy manohana ny fitondrana avy ao Havana tamin'ny fiantombohan'ity herinandro ity, dia nanohana tanteraka ny mpitoraka blaogy Kiobàna ny diaspora mpiblaogy - indrindra moa fa i Yoani Sancehz sy ny blog-ny ...

2008-03-24

Sina : Miady amin'ny mpanao gazety tandrefana milaza ny momba an'i Tibet ny mpitoraka blaogy sinoa

Raha nandre ny vaovao hoe ny Tibetana dia mandidy sofin-jaza sy mandoro olona velona, dia nandrobaka ny voalaza diso momba ny toejavatra any Tibet ny Sinoa amin'ny Internet ary toa tsy vonona ny hiala maina. Ady no tadiaviny amin'ny mpanao gazety tandrefana lehibe indrindra, ary i anti-CNN.com no foibe. Isan'ny ambony ...

2008-03-17

Trinidad & Tobago

Notes avy any Port of spain dia manontany hoe :”Ary iza no hiambina ny mpiambina?”

Fandraharahana ,
Ekonomia

Danny Choo manoratra momba ny filazana fa ny ISPs japoney dia terena hanala mpampiasa Internet izay mizara fichiers amin'ny Internet, manasongadina ny fahasamihafan'ny lazain'ny mpiteny anglisy sy mpiteny japoney ity resaka ity.

Armenia ,
U.S.A.

Mamela hafatra momba ny op-ed nosoratan'ny prezidanta voafidy Serge Sargsyan sy ny mpisolo vava tao amin'ny parliamanta taloha Artur Baghdasarian, voatontan'ny Washington Post i Unzipped. Ity op-ed ity dia valin'ny op-ed anankiray nosoratan'ny lehiben'ny mpanohitra sy prezidanta taloha Levon Ter-Petrossian, natonta tao amin'io gazety io ihany.

Sri Lanka

ramblinglankan mitoraka blaogy amin'ny teny Sinhala any Sri Lanka ary manontany tena raha misy antony izany.

Afrika Avaratra & Proche Orient

“Isan'ny fombafomba ahiana indrindra any amin'ny faritra afovoany atsinanana ny “fitadiavam-bady”. Tsy mampiahiahy ny mpitady vady lahy sy ny fianakaviany irery ihany. Fa koa hita fa mampietry ny vehivavy izay mihevitra fa manambay vehivavy izy ity” hoy i Qwaider, avy any Jordana.

Fivoriambe Global Voices 2008

Faly mampandre ny hisian'ny Fivoriana Global Voices Olon-tsotra Mamita Vaovao 2008 ny Global Voices sy Global Voices Advocacy, ho atao any Budapest, Ongaria ny 27-28 Jiona 2008, miaraka amin'ny fanampian'ny McCormick Tribune Foundation, Berkman Center for Internet and Society ary MediaHungaria. Ity fihetsiketsehana ity dia hampivory ny mpikambana ao amin'ny tetikasa ...