Raveloaritiana Mamisoa · Jolay, 2014

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2014

Namoaka Lalàna Fanampenam-bava Ny Media Ny Fitondrana Miaramila Thailandey

GV Mpisolovava  31 Jolay 2014

Namoaka didim-panjakana vaovao mandràra ny media tsy hitati-baovao mitsikera ny governemantan'ny Fitondrana Miaramila thailandey. Navoakan'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana tamin'ny 18 Jolay, fa mihatra amin'ireo karazana media rehetra, anisan'izany ny elektronika sy ny media sosialy ny didy.

Toa Adinon'ny Minisitry Ny Raharaham-bahiny Bahrainita Ny Fampijaliana Ireo Mpanao Gazety Ao Amin'ny Fireneny

Nolavin'i Bahrain ny fidiran'ireo mpanao gazety iraisampirenena marobe tao amin'ny firenena mandritra ny famoretana mahery vaika amin'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Anjatony no namoy ny ainy ary an'arivony no nogadraina hatramin'ny nipoahan'ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Febroary 2011, nanempotra ny fahalalaham-pitenena ny fitondrana jadona sonita -.ary mbola manohy manao izany.