Raveloaritiana Mamisoa · Mey, 2013

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Mey, 2013

Filatroana Pakistaney Iray ‘Avia ho Andevoko’ Voakilasy Ho ‘Mpanavakava-Bolonkoditra’

  21 Mey 2013

Nitarika fahatezerana manerana ny firenena ireo andian-tsary amin'ny boky novokarin'ilay tanora mpamorona lamaody ao Pakistana noho ny fisian'ny sarin'ankizy manana hoditra matroka manompo mpilatro mazava hoditra. Novokarin'i Aamna Aqeel ireo karazan'akanjo hita ao amin'ny “(meteza ho andevoko) -Be my Slave-” izay nivoaka tamin'ny gazetiboky Diva laharana 106, nampahafantara ny tenany i Aqeel...

Mitady Fiarahamiasa Aminà Orinasa Tsy Miankina Ny Orinasam-pifandraisana Saodiana Mba Hitsikilo Ireo Mpanjifany

Nangataka fiarahamiasa taminà orinasa tsy miankina iray ny orinasam-pifandraisana faharoa lehibe indrindra ao Arabia Saodita, Mobily, mba hanara-maso ireo fampiharana ara-pifandraisana amin'ny finday ampiasain'ny mpanjifany. Tamin'ny volana Martsa, nandrahona hanakatona ny WhatsApp, Skype sy ireo fampiharana hafa tsy mifanaraka amin'ny fepetra aman-dalàna Saodiana (mamela ny fanarahamaso na fitsikilovana) ny Vaomieran'ny Teknolojiam-pifandraisana sy ny...

Bahrain: Mpisera Enina Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Mpanjaka

Sazy herintaona antranomaizina avy no azon'ireo mpisera Twitter enina avy amin'ny fitsarana Bahrainita androany noho ny fanevatevana ny mpanjaka Hamad bin Isa Al Khalifa tamin'ny habaka bilaogy madinika. Araka ny tatitra nataon'ny Sampam-pahalalambaovaon'ny governemanta Bahrainita, “tranga dimy isan-karazany ” no niampangàna ireo “enina voarohirohy”, izay “mahakasika ny fampiasana tsy ara-drariny ny fahalalaham-pitenenana sy fanalam-baraka...

Andriana Espaniola, Mampifandray An'i Korea Avaratra Amin'Izao Tontolo Izao

  17 Mey 2013

Taranak'Andriana ao amin'ny lohasaha Aran, avaratr'i Catalonia, Andriana Argelejo sy olona ambony Rosalmonte i Alejandro Cao de Benós, teraka tao Tarragona, Espaina tamin'ny taona 1974. Ankoatra izany rohim-pirazanana tsy mahazatra izany, mety tsy ho fanta-daza mihitsy ny anaran'ity Catalàna 39 taona ity raha tsy izy mpitondra teny vahiny manana ny...

Nampisinda Vetivety ny Tsy Fitovian-kevitra Ara-politika Ao Pakistan Ny Ratra Nahazo An'i Imran Khan

  17 Mey 2013

Mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amin'ny kibay) manana ny lazany, niofo ho mpanao politika i Imran Khan, nahasarika tanora marobe sy mpifidy avy ao andrenivohitra ny fampielezan-keviny mampanantena “Pakistana Vaovao” tamin'ny famoriam-bahoaka nokarakarainy ho entina hiatrehana ireo fifidianana ankapobeny ao amin'ny firenena, saingy fotoana fohy alohan'ny hanaovany kabary, nianjera 15 metatra avy eny amiin'ny kalesy...

Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

GV Mpisolovava  10 Mey 2013

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy. Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy ny sazy henjana azon'ilay mpanao gazety an-tserasera nahazo loka Eskinder Nega, izay hiatrika sazy 18 taona an-tranomaizina ankehitriny. Nosamborina tamin'ny...

LAHATSARY: Famoretan'ny Polisy Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tamin'ny 1 Mey

  04 Mey 2013

Olo-tsotra 25 sy polisy 22 no naratra nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy Tiorka sy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 1 Mey tao Istanbul, lehilahy iray no voalaza fa jamba ny masony ilany satria tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ary tovovavy iray 17 taona kosa naratra teo amin'ny lohany ka nahatonga azy tsy nahatsiaro tena...

Niala Tsiny Tao Amin'ny Facebook Noho Ny Ady An-trano Tamin'ny Taona 1994 ny Jeneraly Yemenita

Mananganan-tsaina ny firenena sady miventsoventso teny filamatry ny fahaleovantena, an'arivony ireo tonga tao an-tanàna renivohitry Aden taloha sy tanàna hafa ao Atsimon'i Yemen tamin'ny 27 Aprily 2013, tanàna izay efa zatra mankalaza ny andro nanambaran'ny Tavaratra ady tamin'ny vahoaka tatsimo sy “nibodoina” ny taniny tamin'ny taona 1994, araka ny famaritan'ireo...