Raveloaritiana Mamisoa · Avrily, 2013

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Avrily, 2013

Spark13: Forum Manerantany Momba ny “Telecentre”

Rising Voices  30 Avrily 2013

Faly mampahafantatra ny Rising Voices fa izy no ho media mpanohana ny Forum Iraisam-pirenena faha-4 momba ny Telecentre izay hatao ao Granada, Espaina amin'ny 28-29 Mey 2013. Ity fivoriana antsoina hoe Spark13 ity dia hifantoka amina lohahevitra telo lehibe: ny olona, ny zava-baovao, ary ny faharetana. Ireo mpandray anjara ao amin'ny Tambajotra...

Mampanahy ny Hoavin'ny Trano Famakiam-Pokonolona Ao Porto Rikô

  30 Avrily 2013

Miavaka ny Trano Famakiam-bokim-pokonolona San Juan, ao Porto Riko. Tsy mba manana kolontsaina momba ny trano famakiam-boky ho an'ny daholobe sy ny vondrom-piarahamonina ity nosy ity, satria natokana ho an'ireo mpikambana amin'ny toerana tahaka ny oniversite ny ankamaroan'ny trano famakiam-boky. Amin'ireo trano famakiam-boky misokatra ho an'ny daholobe, vitsy ireo azon'ny mpamaky boky...

Mampahafantatra Ny Fampiharana Wikimedia Commons Ofisialy

Rising Voices  30 Avrily 2013

Fanamarihan'ny Rising Voices: Navoaka voalohany tao amin'ny bilaogy Wikimedia ity lahatsoratra nosoratan'i Maryana Pinchuk ity ary navoaka tamin'ny alalan'ny CC BY 3.0 license. Tia maka sary amin'ny smartphone ianao? Ankehitriny, tsy mila miandry tonga any an-trano ianao vao afaka hampakatra ny sarinao fianarana avo lenta amin'ny Wikimedia Commons, fandraketan-tsary maimai-poana fampiasan'ny Wikipedia sy ireo tetikasa maro...

Niakatra Ny Tahan'ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika

  29 Avrily 2013

Violeta, tovovavy mpianatra 18 taona no hita faty [es] tao amin'ny làlan-tany ao amin'ny Faritra Chiapas, nahitana dian-dratra ny vatany. Nandritra izany ihany, tao amin'ny Faritra Guanajuato, fatim-behivavy iray antsoina hoe Olga no hita [es] nalevina ny tapan'ny vatany ary rakotra sokay. Toa nokendaina izy. Roa amin'ireo lasibatra manoloana ny fihanaky ny herisetra arahina...

Tsy Misy Fakàn-tsary? Tsy Misy Olana. Mamorona Lahatsary Amin'ny Fiteninao Manokana

Rising Voices  29 Avrily 2013

Noho ny fitaovana vaovao ao amiin'ny habaka Tetikasa Momba ny Fiteny Andalam-pahaverezana (Endangered Languages Project (ELP), afaka mitondra ny anjara birikiny ao amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny famelomana indray ny fiteniny andalam-pahaverezana ireo mpiaro fiteny tsy manana fakàn-tsary nomerika. Ahafahan'ireo mpampiasa azy mamorona media an'olo-tsotra ho azy manokana amin'ny alalan'ny fandraketana lahatsary...

Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis

  27 Avrily 2013

Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy izao ny fiarahamonina Ahmadi ao Pakistan, izay ahitana mpikambana 200.000. Noraisina ny fanapahan-kevitra mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny fiarahamonina. Tsy mba nandray anjara tamin'ny fizotry ny fifidianana izy ireo nanomboka tamin'ny taona 1985 raha natokana tao amin'ny lisitry ny fivavahana vitsy an'isa ny mpifidy Ahmadi. Tamin'ny...

Mandà Ny Fanampian'i Japana i Shina Taorian'ny Horohoron-tany

  27 Avrily 2013

Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity ankoatra izay lazaina manokana Nandà ny tolo-tanàn'i Japana hanampy azy taorian'ny fihovitrovitry ny tany izay nahazo ny atsimo andrefan'ny faritanin'i Sichuan nahafatesana olona 193 raha kely indrindra sy maratra mihoatra ny 12 000 [zh] ny governemanta Shinoa. Nitranga ny marainan'ny 20 avrily 2013...

Lahatsary: Ny Herisetra Sy Ny Fiarovana Ireo Mpanao Gazety Ao Meksika

GV Mpisolovava  26 Avrily 2013

Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana. Anisan'ny vaovao mbola malaza ny lohahevitra momba ny herisetra ao Meksika. Tamin'ny taona 2011, nikarakara Fetiben'ny Bilaogy ny Global Voices amin'ny teny espaniola izay maro tamin'ireo bilaogera Meksikana no nandray anjara (jereo ny lahatsoratra nadika tamin'ny teny malagasy 1, 2, 3 [fr], 4  [fr] ary 5). Nandritra...

Vehivavy Noraràn'ny Fitsarana Saodiana Tsy Hanatrika Ny Fotoam-pitsarana Ireo Mpikatroky Ny Zon'Olombelona

  26 Avrily 2013

Folo andro taorian'ny fanomezan-dalana ilay vehivavy Saodiana voalohany hanana mpisolo vava, noraràn'ny fitsarana tsy hanatrika ny fotoam-pitsarana ilay mpikatroka Dr. Abdualkareem al-Khudar izay misokatra ho an'ny daholobe ny vehivavy, mpikambana mpanorina ny Fikambanan'ny zon'olombelona voalohany manohitra ny Fanjaka-panjaka, Fikambanana Mpiaro ny Zo sivily sy politika Saodiana (ACPRA) i Dr. Abdualkareem. Sarotra ho an'ny fikambanana tahaka ny ACPRA ny hiasa...