Raveloaritiana Mamisoa · Janoary, 2013

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2013

Arabia Saodita: 36 Andro Tany Am-ponja Noho ny Mari-Pamantaran'ny Zon'olombelona

Nahatonga ny maro hampiasa fomba vaovao hanehoana ny tsy fankasitrahana ny famoretana mahery vaika ireo fihetsiketsehana ao Arabia Saodita. Ohatra iray efa notaterinay ny fitokonam-bahoaka tsy hihinan-kanina. Taminà andianà sioka, mpisera Twitter Saodiana Mohammad al-Olayan nizara ny tantarany manokana tamin'ny fanoratana mari-pamantaran'ny  zon'olombelona hoe “Tsy manaiky fanagadrana tsy amin'ny antony” teo amin'ny fiarany....

Pelaka – Vitsy An'isa Tsy Hita Maso Ao Bangladesh

  31 Janoary 2013

Misy ireo vitsy an'isa tsy hita maso ao Bangladesh. Miaina any ambanin'ny tany izy ireo amin'ny ankapobeny ary mahalana ny fisokafan'izy ireo imasom-bahoaka. Ho an'ireo fiarahamonina pelaka, mahatonga azy ireo ho meloka ao amin'ny fireneny ny fironany ara-pananahana. Ankoatra ny tsy famelana azy ireo hizaka ny zony, miatrika fanavakavahana, ompa, herisetra...

Mizaky Mafy Ny Vokatry Ny Ady Ny Ankizy Syriana

Nandritra ny 10 taona, tombanana ho 10 tapitrisa eo ireo ankizy namoy ny ainy vokatry ny ady, araka ny tatitra avy amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Zon'ny Ankizy “Children's Rights Portal”. Mamatreka ho sokajy manokana tahaka ny ankizy lasibatra tahaka ny anasokajiany ny olo-tsotra lasibatra, miaramila, mpitsoa-ponenana, kamboty, maratra na sembana, zaza nogadraina na nohararaotina...

Sazy An-tranomaizina Mandra-pahafaty No Azon'i Pınar Selek Taorian'ny Fotoam-pitsarana azy Naharitra 15 Taona

Pınar Selek, sosiology sady mpanoratra monina ao Strasbourg, no efa voampanga fa nidaroka baomba tao amin'ny tsenan-tsakay ao Istanbul, voaheloka higadra mandra-pahafaty ao amin'ny fonjan'i Torkia izy. Rehefa noafahana madiodio in-telo nandritra ny fotoam-pitsarana naharitra 15 taona teo izy, nivoaka tamin'ny 24 Janoary 2013 lasa teo ny didim-pitsarana. Hosamborin'ny polisy...

Kiorda Tery Anelanelan'ny Islamista Sy Ny PKK

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, izay ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.. Azaz, Syria: Tafintohina anaty toe-draharaha mangozohozo ny Antokon'ny Mpiasa Kiorda (PKK) ao Torkia, sy ny sampany mpanao politika Syriana, ary ny...

Maoritania: Manao Diabe 700km Mitaky Ny Rariny Ireo Mpiasa

Tamin'ny Asabotsy 5 Janoary [ar], nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka niainga tao an-tanànan'i Zouerat hihazo ny renivohitra Maoritania, Nouakchott ireo vondrona mpiasa tsy ara-dalàna na “Journalia” (mpiasa vonjimaika na isan-tonontaona). Raha ny fitambarany, diabe mirefy 700km no hovitain'ireo mpiasa mba hanoherana ny tsy rariny mihatra amin'izy ireo sy ny famitahana ataon'ny filoha Mohamed Ould...

Espaina: Seranam-piaramanidina Tsy Misy Voromby?

  25 Janoary 2013

Tsy dia fandre mahazatra amin'ny vaovao misongadina ny resaka seranam-piaramanidina, raha tsy resahina ny loza an-habakabaka na misy ny fitokonana ataon'ny mpiasa ka mivadika ho afo fandiovana ho an'ny mpandeha izany. Na dia izany aza, manana seranam-piaramanidina iray malaza i Espaina, izay nivoaka tamin'ny gazety sy tamin'ireo lohatenim-baovao antserasera hatramin'ny...

Iran: Heloka Bevava Ao Amin'ny YouTube, Famonoana Ho Faty Eo Imasom-bahoaka

  25 Janoary 2013

Zatovolahy roa, Alireza Mafiha sy Mohammad Ali Sarvari, no novonoina ho faty notapahan-doha tao Tehran, Iran vao maraimbe tamin'ny 20 Janoary 2013 teo imason'ireo mpijery [tandremo: mampihoro-koditra ny sary] tonga nanatrika izany, araka ny filazan'ny Sampam-pahalalamabaovao Repoblika Islamika (IRNA). Heloka bevava sy YouTube Ny fisamborana ireo lazaina ho mpihetraketraka no laharam-pahamehana voalohany indrindra...

Fahaiza-Mamorona Endrika Hetsi-Panoherana Amoahana Ny Tsy Fahafaliana Ao Espaina

  24 Janoary 2013

Miavaka amin'ny famoronana sy fananganana hetsika ny Fiaraha-mietana Manohitra ny krizy ao Espaina nanomboka tamin'ny 2011. Anisan'ireo fanta-daza ny fikambanana tahaka ny 15M (Hetsika 15 mey) tamin'ny “fibodoany” ny toerana an-kalamanjana, teo koa ny hetsi-panoherana nokarakarain'ireo vahoaka marobe solontena avy amin'ny sehatra maro samihafa voakasiky ny fampihenana tetibola (fampianarana, fahasalamana, fonenana, sns),...

Toro-lalana Amin'ny Fananganana Pejy Facebook Misy Fiantraikany

GV Mpisolovava  24 Janoary 2013

Nalefa voalohany tao amin'ny habaka rahavavy Rising Voices ity lahatsoratra ity. Tsy asa mora ho an'ny fikambanana madinika sy ireo mpikatroka ny miara-mametraka paikady amin'ny pejy Facebook, ary mety hampisavoritaka ny fiseraserana ao anatin'ny pejy fanomezana endriky (configuration) ny Facebook. Navoaka voalohany tamin'ny teny Arabo, vao avy namoaka dikany amin'ny teny anglisy...