Raveloaritiana Mamisoa · Novambra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Novambra, 2012

Ejypta: Miala ny Mpangeja -Fizarana Fahatelo!!

Amin'izay faritana ho andiany fahatelo amin'ny revolisiona Ejypsiana, nidina an-dalambe indray ny Ejypsiana manerana ny firenena fa tsy i Kairo ihany mba hampita hafatra goavana fa vonona izy ireo hanongana izay ho mpanao didy jadona hafa. Nanomboka ny antso taorian'ny nanaovan'ny filoha Muhammed Mursi fanambarana vaovao – mampiadi-hevitra- mikasika ny volavolan-dalàm-panorenana izay manasokajy...

Iran: Eritreritra Momba An'i Gaza sy Isiraely

Nalefan'i Peyman Majidzadeh voalohany tao amin'ny Arseh Sevom ny lahatsoratra Ady inona izany? Ny fanohanana ny Palestiniana no politika ivelany laharam-pahamehana ho an'i Iran araka ny filazan'ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Ramin Mehmanparast. Nilaza izy fa andraikitry ny firenena Islamika no manohana ireo Palestiniana ao Gaza ary manolotra fanampiana maha-olona. Lehiben'ny Hezbollah, Hassan Nasrollah...

Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy

  29 Novambra 2012

Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny Banky Espaniola) hampiato ny fandroahana taorian'ny roa taona nitolomana. Nambara fa mandritra ny roa taona izany didim-pitsarana fampiatoana izany, ary...

Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”

Akon  29 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina momba ny fampijaliana sy ny fanendahana atao azy ireo. Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora) (fantatra tsotra amin'ny hoe “shestyorka”) no...

Hain-trano-na Orinasa Nahafaty Olona Tao Bangladesh Mampiseho Ny Fampiasana Mpiasa Tsy Ara-drariny

  28 Novambra 2012

Nampametra-panontaniana marobe ny hain-trano mahatsiravina izay nahafatesana mpiasa maherin'ny 110 tao amin'ny orinasa fanenonan-damba ao Tazreen Fashions Ltd, tranobe rihana faha-sivy ao Nischintapur, Ashulia (akaikin'ny renivohitra Dhaka). Na dia manana fitaovana mpamono afo 335 sy mpiasa 300 nampiofanina momba ny famonoana afo raha sendra misy ny firehetana aza ilay orinasa, tsy nisy akory izay...

Bolgaria: Revolisiona Voatabia

  28 Novambra 2012

Nanao famoriam-bahoaka teo anoloan'ny Antenimiera Bolgariana ny vahoaka tamin'ny 24 Novambra, ary nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ilay fantatra amin'ny anarana hoe” Revolisiona Voatabia”. Mandrahona ny Antenimiera ny voatabia Tamin'ny 9 Novambra, namoaka ny sarin’ [bg] ny lapan'ny Antenimiera feno saosy voatabia ny fampahalalam-baovao tsy miankina OFFNews. Tsy fantatra izay olona nanao izany sy...

Hetsika Nandritra ny “Diabe Maitso” tao Malezia

  28 Novambra 2012

Olona 70 no nandray anjara tamin'ny fiandohan'ny ‘Diabe Maitso’ tao Malezia tamin'ny 13 Novambra tao Kuantan. Taorian'ny diabe 13 andro sy 300 kilometatra nanavatsava ny firenena, nifarana tao an-drenivohitry ny firenena ny diabe izay olona maherin'ny 15.000 no nandray anjara sy nanohana tamin'izany. Ny vondrona Himpunan Hijau no nikarakara ny ‘diabe lavitr'ezaka’ ho fanoherana...

Manohana An'i Palestina i Pakistana

  28 Novambra 2012

Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny fanontaniana tsara ho fantatra dia hoe efa nanomboka nampiharina ve ny fampiatoana ady. Efa niteraka famoizan'ain'olona marobe ny ady naharitra...

Maneho An-Tsarintany Ny Fandotoana Ny Ranon'ny Vazimba Teratany Peroviana

  28 Novambra 2012

Tao amin'ny The Engine Room no nalefa voalohany ity lahatsoratra ity. Niroborobo ny toekarena tao Però noho ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany nahazoana dolara amina miliara. Raha nanomboka tetikasa vaovao ireo mpitrandraka sy mpandavaka, inona ny fiantraikan'izany amin'ireo vahoaka izay monina akaikin'izy ireo? Ny olana iray ohatra dia ny loharano voaloto izay mitarika aretina sy fahafatesana....

Na dia Eo Aza Ny Mpitarika Vaovao, Mbola Marefo ny Hoavin'i Shina

  26 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro no nanatontosàna ny faha-18 ny Kongresy Nasionalin'ny Antoko Komonista Sinoa ary nifarana tamin'ny 14 Novambra 2012 teo. Taranaka mpitarika vaovao, izay tarihin'i Xi Jinping sy Li Keqiang, no nisolo toerana ny ekipa mpitarika teo aloha izay notarihin'i Hu Jintao sy Wen Jiabao. Raha tonga teo amin'ny fahefana i Hu sy Wen folo taona lasa izay, nihevitra...