Raveloaritiana Mamisoa · Oktobra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Oktobra, 2012

Filipina: Fanairana “Epal” Zava-Mahamenatra Ataon'ny Mpanao Politika Hita Ao Amin'ny Aterineto

  31 Oktobra 2012

Herintaona latsaka alohan'ny fifidianam-pirenena 2013, namoaka fanentanana tao amin'ny aterineto ny mpiserasera, fanairana manohitra ny fomba fanaon'ny mpanao politika Filipina “mahamenatra” amin'ny fametrahana ny anaran'izy ireo amin'ny tetikasan'ny governemanta izay tohanana na/sy ampian'ny minisiterany. Petahana marika hoe “epal” ireo mpanao politika, “epal”, tenin-jatovon'ny Filipino midika hoe “tandremo mpangalatra,” noho ny fampiasana ny volam-bahoaka...

Panama: Nitodika Tamin'ny Vahoaka ny Filoha Martinelli Rehefa Nofoanana ny Lalàna 72

  31 Oktobra 2012

Niezaka nanakatona ny herinandro izay namoizan'ain'olona efatra ny filohan'i Panama, Ricardo Martinelli omaly. Nanao kabary fampihavanana izy izay manasa ireo vahoaka mba hitady fihavanana taorian'ny fifandonana tao Colon nandritra ny hetsi-panoherana ny Lalàna 72. Lalàna manome alalana hivarotra ireo tany miorina ao amin'ny Faritra Afaka  (Haba) ao Colon . Nalefa tao amin'ny fahitalavi-pirenena...

Okraina: Teknolojia Ho Amin'ny Fifidianana Mangarahara

Nifidy solombavambahoaka ny Okrainiana tamin'ny 28 Oktobra teo. Noho ny fanagadran'ny filoha am-perinasa ankehitriny ireo mpanao politika mpanohitra, nahasarika tanteraka ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fizotry ny fifidianana. Manoloana ny filazan'ny antokon'ny fitondrana amin'ny fampiasana ny fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra, nampanantena ny governemanta Okrainiana ankehitriny fa atao mangarahara, marina izany ary mpanara-maso iraisam-pirenena...

Afghanistana Aorian'ny 2014: Mbola Hiverina Ve Ireo Andro Manjombona?

  29 Oktobra 2012

Tamin'ny 7 Oktobra 2012 lasa teo no nitsingerina ny faha-11 taona nisian'ny ady notarihan'i Etazonia tao Afghanistana. Tokony handao ny firenena ny tafika iraisam-pirenena amin'ny fiafaran'ny taona 2014, na dia mbola “tsy tontosa aza ny ady“. Taorian'ny taona maro nisian'ny ady, voatery hiala ny tafika OTAN ary hamindra ny andraikitra ho an'ny...

Ghanà: Fampahalalàna An'i Agnes Chigabatia – Mpanao Politika Vehivavy Ghaneana

  29 Oktobra 2012

Nisy ny ezaka lehibe nataon'ireo vehivavy teo amin'ny sehatry ny politika Ghaneana. Ghana Decides, tetikasa tsi-mitanila izay mikendry ny hanome vaovao araka ny tokony ho izy ho an'ireo mpifidy mikasika ny fifidianana malalaka, madio sy azo antoka amin'ny fifidianana 2012, tamin'ny alalan'ny fampiasana fifampitam-baovao sosialy no nijerena ny mombamomba ilay kandida parlemantera...

Israely: Nikambana ny Antoko Ankavanana Mba Hanome Bibirman

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook sy Twiiter ny Israeliana manoloana ny fanambarana fa hanao biletam-pifidianana mitovy ireo antoko roa ankavanana lehibe mavesa-danja amin'ny fifidianana hoavy amin'ny Janoary 2013. Mikasa handrombaka ny governemanta manaraka ao Israely ny antoko, Likud, tarihin'ny Praiminisitra Binyamin (Bibi) Netanyahu, sy ny Antoko Yisrael Beyetenu tarihin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny...

Etazonia: Tsy Noresahana Nandritra ny Adihevitra Momba Fifidianana Filoham-pirenena Fahatelo sady Farany i Amerika Latina

  28 Oktobra 2012

*Raha hanaraka ny fitantarana teo aloha mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana, tsindrio eto sy eto [es]. Lynn University ao Boca Raton, Florida no nandray ny adihevitra fahetelo sady farany momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana eo amin'ny filoha Barack Obama sy ny Governoran'i Massachusetts teo aloha, Mitt Romney. Araka ny efa nampoizina, nifantoka momba ny politika...

Meksika: Reny Amerikana Tafovoany Ampikarohana Ireo Mpifindra-monina Tsy Hita Ny Nalehany

  27 Oktobra 2012

Araka ny tarehimarika avy amin'ny Mesoamerican Migrant Movement [es], nandritra ny enin-taona farany teo, manodidina ny 70.000 eo ho eo ireo mpifindra monina [es] nanjavona tao Meksika. Nandritra ny taona maro, nivezivezy manerana an'i Meksika ireo renim-pianakaviana Amerikana Tafovoany manana mpifindra-monina very na nisy naka an-keriny mba hitady ny zanany izay tsy hita popoka raha...

Ejipta: Soso-kevitra ho An'ny Mpanao Fihetsiketsehana ao Koety

Satria efa miditra amin'ny hetsi-panoherana goavana indrindra ny Koesiana hanamelohana ny fanovana lalàmpifidianana, nataon'ny mpandovan'ny fanjakana rehefa noravana ny Antenimiera, nisahirana tao amin'ny Twitter ny Ejipsiana mba hanome soso-kevitra ireo Koesiana amin'izay tokony atao sy tsy tokony atao. Resaka fomba fiakanjo ho an'ny lehilahy Koesiana, izay manao akanjo matsora lavabe antsoina hoe...