Raveloaritiana Mamisoa · Jona, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jona, 2012

Shina: Noteren'ireo Mpiasam-panjakana Mpanao Kolikoly Hanala Zaza Nefa Efa Tara Loatra

  29 Jona 2012

Nieli-patrana manerana ny fampahalalam-baovao sosialy sy ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika ka niteraka fenehoan-kevitra an-katezerana ny sarinà vehivavy iray tao amin’ny faritanin’i Ankang Shaanxi, ao Shina noterena hanala zaza tamin’ny fotoana efa tara. Mpitranga matetika ny karazan-javatra toy izao saingy tsy vitan’ny lalàna sinoa ny manafay ireny fihetsika ireny. Izany no antony mahatonga ireo mpanankarena mandao an’i Shina.

Espaina: Nitory ny Banky Bankia Ireo Tafintohina

  19 Jona 2012

[Amin’ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana]  Vitany ihany nony farany , haingana tsy araka ny nanampoizana azy. Nametraka  fitoriana  tao amin’ny Audiencia Nacional ao Madrid ny hetsiky ny 15M, noho ny fanaovana hosoka tamin’ny kaonty sy fisolokiana, entina hanenjehana ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Bankia, ka...

Tonizia: Niparitaka Ny Laza Adina Bakaloreà

Naneho ny fahatezerany ny mpiserasra noho ny fiparitahan’ny laza adina Arabo amin’ny fanadinana bakaloreà nasionaly.  Nivezivezy tao amin’ny Facebook sy Twitter ny filazana fa nametra-pialana ny minisitry ny fampianarana saingy nijanona ihany izany taty aoriana. Nanapa-kevitra ny Minisitera fa hampanaovina fanadinana vaovao ny kandidà ka tsy hanadinana ny laza adina...

Oman: Mitohy Ny Fanenjehana Mpikatroka Ny Zon'olombelona

Iray amin'ireo firenena tsy dia mahasarika loatra ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana samihafa i Oman. Hatramin'ny niandohan'ilay antsoina hoe “Lohataona Arabo” tamin'ny taona 2011, nanjakan’ny fihetsiketsehana marobe mitaky fanovana eo amin’ny karama, ny fitsarana ary ny firafitry ny politika ny tao Oman. Tamin’ny herinandro lasa, nampiseho ny anaran’ireo telo...

Kamerona: Vinavina Fampandrosoana Ny Herinaratra Amin'ny Taona 2035

  13 Jona 2012

Fitantarana manokana ataonay momba ny  Fifandraisana Iraisam-pirenena sy ny Fiarovana ity lahatsoratra ity. Taorian'ny nahavoafidy azy indray tamin'ny Novambra 2011, nanambara ny filoham-pirenena Kameroney Paul Biya fa ho lasa “toeran'ny fanaovazana goavana” ny firenena atsy ho atsy. Ny tanjony amin'izao fe-potoa-piasany vaovao izao dia ny hahatonga an'i Kamerona ho  firenena miroborobo amin'ny taona 2035...

Korea Atsimo: Nohamafisin'ny Fitsarana ny Didy Fandraràna Boky “Manakorontana” Eo Amin'ny Tafika

  09 Jona 2012

Nankatoavin'ny fitsarana ny fandraràn'ny minisiteran'ny Fiarovana mikasika ny fivezivezen'ny boky ao amin'ny tafika, boky voalaza fa “manakorontana”, izay miteraka tahotra eo amin'ireo Koreana ny amin'ny fahafahan'izy ireo maneho hevitra. Tsy noraisin'ny Fitsaran'ny Distrika afovoany ao Seoul  ny fitoriana nataon'ny mpanoratra sy ny tranom-pirinty namoaka ireo boky nosokajian'ny minisiteran'ny Fiarovana ho “manakorontana”...