Raveloaritiana Mamisoa · Avrily, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Avrily, 2012

Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman

Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handefa fandaharana momba ny resadresaka manokana hiarahana amin'i Othman izy amin'ny 25 Aprily. Tamin'ny fandaharana fampahafantarana...

Tonizia: Niteraka Fitroarana Ny Fanorohana ny Tanan'ny Filoha

Fanafintohinana, fahatezerana, ary fahasosorana; izany no tsapan’ny mpiserasera Toniziana raha nahita ilay lahatsary tao amin’ny Youtube mampiseho lehilahy manoroka ny tananan’ny filoha Moncef Marzouki tamin’ny 26 Aprily. Ahitana an’i Marzouki mitsidika tampoka tsenam-bahoaka  ny lahatsary. Raha vao niditra tao an-tsena izy, nihiaka ny sasany tamin’ireo olona tao hoe “Ho ela...

Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena

  29 Avrily 2012

Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana  A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...

Nandao An'i Brezila Ilay Diplomaty Iraniana Voampanga Ho Nikitikitika Ankizy Vavy

Voampanga ho nikitikitika ireo ankizy vavy tsy ampy taona nilomano tao anaty dobo filomanosana ilay diplomaty Iraniana monina ao andrenivohitry Brezila, Brasilia, tamin'ny 14  Aprily 2012. Nataon'ny polisy famotorana ity tompon'andraikitra Iraniana ity noho ny fitarainana napetraky ny ray aman-drenin'ireo ankizy, nalefa nody avy hatrany anefa izy rehefa nanambara fa manan-jo tsy...

Bahrain: Mihetsiketsika Samirery Ravehivavy!

Hatramin'ny niandohan'ny fitroarana manerana ny tontolo Arabo, efa lasa mahazatra antsika ny mahita sarin'olona an'arivony manao fihetsiketsehana eny an-kianja na eny an'arabe. Nampidirina tao amin'ny rakibolana ny fehezanteny toy ny  hoe Million Man March ( Diaben'ny Lehilahy An-tapitrasany, ary nanjary mariky  ny “Lohataona Arabo” ny sary tahaka ity ambany ity. Na...

Lahatsary: Fampahafantarana Ny Atao Hoe Islamo Ho An'ny Fikambanana Mpanao Asa Soa

  23 Avrily 2012

Miompana amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny tsy fahampian'ny fahafantarana ny atao hoe Islamo sy ny fomba fandraisan'ny fikambanana momba ny asa soa sy ny fampandrosoana ny atao hoe fiarahamonina Miozolomana ny adihevitra mandeha ao amin'ny vohikalan-tetikasa Uncultured Project. Shawn Ahmed nizara lahatsary tsotra sy fohy manazava ny atao hoe Isalmo, izay...

Espaina: Ny Mpanjaka Sy Ny Elefanta

  22 Avrily 2012

Natao fandidiana ny Mpanjaka Juan Carlos tamin'ny 14 Aprily lasa teo satria tapaka andilana noho ny fianjerana nahazo azy nandritra ny fihazany elefanta tany Botswana, ao Afrika. Nanambara izany voina izany ny solontenan'ny fianakavian'ny mpanjaka rehefa vita soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny mpanjaka ary mbola tsaboina an-kahamehana ao amin'ny hopitaly...

Palestina: Fifaninanana “Lahatsoratra Bilaogy Palestiniana100″

Nampahafantatra ny tetikasa avy amin'ny Palestiniana antsoina hoe “Diwan Ghazza” izahay ato amin'ny Global Voices tao anatin'ny lahatsoratra iray nosoratana vao haingana, seha-kolontsaina mikendry ny hanaitra sy handrisika ny tanora Palestiniana. Toy izao ny fanazavana avy amin'i Yasmeen El Khoudary, namana mpanoratra ao amin'ny Global Voices sy mpiara-manorina ny tetikasa: Miezaka hampahafantatra ny endrika...

Arzantina: Naneho Hevitra Momba Ny Fanomezana ny Orinasa YPF Ho Tantanin'ny Fanjakana Ny Mpamahana Bolongana

  20 Avrily 2012

Niteraka sahoan-dresaka teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Arzantina ny fanambarana fa omena ho tantanin'ny fanjakana ny orinasa mpamokatra solika YPF, izay fehezin'ny Repsol Espainola, sy ny famindrana ny 51%n'ny renivola ho an'ny govermanta Arzantina. Amin'ny ankapobeny, rehefa misy ny lohahevitra resahina ao Arzantina, mizarazara ny hevitra eo amin'ny mpanohana sy ny mpanohitra ny governemantan'i...

Korea Avaratra: Resaka Manodidina Ny Fandefasana Balafomanga Tsy Nahomby

  19 Avrily 2012

Nandefa balafomanga i Korea Avaratra tamin'ny 12 aprily 2012 na dia teo aza ny fampitandremana iraisam-pirenena sy ny fandrahonana fanokana-monina mafimafy kokoa. Indrisy anefa, fa nipoaka tanteraka ny balafomanga taoriana indrindra ny nandefasana azy ka nilatsaka tao anaty ranomasina ny potiny. Niteraka fanehoan-kevitra marobe teo anivon'ny aterineto Koreana-tatsimo izany voina izany. Tsikera...