Raveloaritiana Mamisoa · Febroary, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Febroary, 2012

Meksika: Vondrona Mitady Olom-pirenena Tsy Miankina Hirotsaka Hofidiana Ao Amin'ny Kongresy

  29 Febroary 2012

Ankehitriny, ao Meksika, mila miditra amin'ny antoko politika ianao vao afaka mirotsaka hofidiana ao amin'ny Kongresy. Nentina nandresen-dahatra hatrany fa manome vahana ny kilasy politika mitady ny tombotsoan'ny antokony manokana amin'ny fanaovana ampihimamba ny fahefana izany rafitra izany. Volana vitsivitsy lasa izay, vondrona olom-pirenena no nanosika ny  fanovana  mafonja amin'ny demokrasia Meksikana,...

Rosia: Tatitra An-tsary Ataon'ny Bilaogera Sy Eritreritra Manoloana Ny Hetsika Ataon'Ireo Mpomba an'i Putin ao Moskoa”

Akon  25 Febroary 2012

Tamin'ny 23 Febroary lasa teo, folo andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa, nanao lahateny ho an'ireo vahoaka an'arivony tao amin'ny stady Luzhniki ao Moskoa ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin . Nanatrika ny hetsika tamin'ny 23 Febroary ihany koa ny mpamahana bolongana sasantsasany monina ao Moskoa. Ireto ambany ireto ny fantin-tsary nalain'izy ireo sy ny fijerin'izy ireo izany, ahitana fanamarihana vitsivitsy avy amin'ny mpihaino izany.

Trinite & Tobago: Nandray Anjara Tamin'ny Fetibe ny Mpamahana Bolongana

  25 Febroary 2012

Androany ny Talatan'ny Fetibe ao Trinite sy Tobago ka mpamahana bolongana maro no mandray anjara amin'izany fetibe izany,  nahavita namoaka sary nandritra ny fanatrehany izany Fetibe 2012 izany…ny sasany amin'izy ireo At the drop of a Heartbeat nandefa sary sasany misy ireo hetsika lehibe nandritra ny Fetibe Alatsinainy sy Talata : Globewriter vao...

Etazonia: Asiana Indray Ny Kolontsain'ny Mpifindra Monina

  24 Febroary 2012

Niteraka fahatafintohinana ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny tetikasa fampianarana Meksikana-Amerikana, izay efa napetraka tao  amin'ny sekolim-panjakana ao an-tanànan'i Tucson, ao Arizona, tamin'ny taona 1998. Ho an'ny maro an'isa, ny fanesorana ny tetikasa sy ny fandraofana an-keriny ireo boky toy izao dia mampiseho mazava ny  fomba konservativa tafahoatra, izay manohintohina ny harena ara-kolotsaina sy...

Espaina: Herisetran'ny Polisy Manoloana Ny Mpianatra Ao Valencia

  23 Febroary 2012

Nanao hetsim-panoherana ireo mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa IES (Instituto de Educación Secundaria) Luis Vives ao Valencia (#IESLluisVives) noho ny fampihenana ny fandaniana hampiharin'ny Minisitera ny fampianarana, satria voatery hitondra bodofotsy ao an-tsekoly izy ireo noho ny tsy fisian'ny hafanana na ny fahatapahan'ny milina famanàna.  Araka izany, maro ireo trangana fifanandrinana niseho tao...

Espaina: “Manana Fitadidiana Izahay, Mila Ny Rariny Izahay”

  22 Febroary 2012

Mpitsara manana ny lazany ao Espaina, Baltasar Garzón, no voampanga ary voarara tsy hanao ny asany mandritra ny 11 taona noho ny fanomezany baiko ny fametrahana tsy ara-dalàna fitaovam-pandraisam-peo tao am-ponja mba hihainoana ireo resaka ifanaovan'ny voafonja sy ny mpisolovavany tamin'ny raharaha Gürtel. Raharaha  mikasika ny fanodinkodinam-bolam-panjakana izay niafara tamin'ny fandroahana mpikambana am-polony...

Syria: Noafahana i Razan Ghazzawi sy ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

Noafahana niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy ilay mpamahana bolongana Syriana sy mpitolona ho amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, Razan Ghazzawi tamin'ny Asabotsy teo. Avy amin'ny rahavavin'i Razan izany vaovao izany, izay ni-tweet tamin'ny hariva: @NadineGhazzawi: Ato an-trano ny rahavaviko:) saingy tsy afaka mandao ny firenena intsony izy…tsy navelan'izy ireo izy. Amin'izao fotoana anoratana...