Raveloaritiana Mamisoa · Janoary, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2012

Singapore: Kolikoly Manafintohina

  30 Janoary 2012

Nandritra ny taombavaovao Sinoa, nipoaka ny vaovao fa ny lehiben'ny Tafi-piarovana Sivily (SCDF) sy ny Foibe misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina (CNB) dia  nanaovan'ny Birao Miady amin'ny Kolikoly (CPIB) fanadihadiana. Niteraka resabe momba ny kolikoly tao amina firenena  voasokajy hatrany ho anisan'ny firenena iray manerantany manana taha ambany indrindra amin'ny resaka kolikoly izany....

Yemen: Tsy Azo Samborina i Saleh

Nankatoavin'ny antenimiera ihany omaly ny lalàna manome alalana an'i Ali Abdullah Saleh tsy ho azo samborina sy gadraina famelan-tsazy tanteraka ho an'ny filohan'i Yemen teo aloha Ali Abdullah Saleh rehefa nahemotra in-dimy miantoana ny adihevitra mikasika izany.  Tsimatimanota i Saleh araka izany lalàna izany tamin'ireo heloka vitany nandritra ny fitondrany, tafiditra...

Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina

  26 Janoary 2012

Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana  na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po ireo filana isan-karazany sy maika atrehin'ny kontinanta, toy ny Heroreports [en], izay mamaritra ny toerana fanaovana asa soa ao Meksika, na...

Zambia: Guy Scott Filoha Lefitra Fotsy Hoditra Sy Ny Ambaran'ny Lalampanorenana

  26 Janoary 2012

Manontany ny maha ara-dalàna ny fanendrena ilay Zambiana fotsy hoditra notendrena ho filoha lefitra voalohany hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany,dia ny Dr Guy Scott, ny antoko nitondra teo alohaMMD, ka mandrahona ny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana  mba hamaritana ny maha-ara-dalàna azy eo anatrehan'ny Lalampanorenanana. Nanambara vao tsy ela akory izay ny filoha nasionalin'ny...

Iran: Mpamaham-bolongana Islamika Nogadraina Mitokona Tsy Hihinan-kanina Ao Am-ponja

Hatramin'izay 33 taona nisian'ny Revolisiona Islamika izay, karazana paradisa ho an'ny mpitondra fivavahana Islamika i Iran, izay nahazo ny fahefana sy mitondra ny firenena. Saingy tsy izy rehetra. Mohammad Sadegh (Arash) Honarvar Shojayi, mpitondra fivavahana sady mpamaham-bolongana, no anisan'ireo iharan'ny fijaliana ao am-ponja miaraka amin'ireo voafonja maro hafa  noho ny heviny sy ny...

Meksika: Mifanentana ny Mpiserasera Ho Fanampiana Ny Mponina Tarahumara

  20 Janoary 2012

Vaovao farany (18 Janoary, 2012): Nanohy hatrany ny fitantarana izay lazaina fa famonoan-tena nataon'ny mponina teratany Tarahumara ny Univisión. Ao amin'ny hafatra navoakany ao amin'ny pejiny Tumblr,  nilaza izy ireo fa “nahazo vaovao mametraka fisalasalana momba izany filazalazana izany.” Nanamarika izy ireo na dia izany aza fa , “Ny loharanom-baovao voarain'ny Univision dia...

Kenià/Somalia: Ady Ao Amin'ny Twitter Ifanandrinan'ny Tafika Keniana Sy Ny Al Shabaab

  18 Janoary 2012

Nivadika ady tao amin'ny Twitter ny fanafihan'ny miaramila Keniana tao Somalia ireo vondrona mpitolona Al Shabaab antsoina hoe “Tetikady Linda Nchi” “Operation Linda Nchi” (Swahili “Tetikady ho Fiarovana ny Firenena”). Tonga  izany ady izany noho ny famoahan'ny mpitondratenin'ny miaramila Major E ChirChir sary taloha be tao amin'ny Twitter  @MajorEChirchir, sary ntaolo milaza fa nisy Keniana...

Myanmar: Mahafinaritra Ity Zoma 13 Ity

  17 Janoary 2012

Noporofoin'ny Filohan'i Myanmar Thein Sein fa tsy misangy ny governemanta amin'ny fananganana ny demokrasia tamin'ny alalan'ny fanafahana ny gadra politika rehetra androany. Araka ny vaovao notaterin'ny fahitalavim-panjakana, mpanohitra 651 no navoaka ny fonja. Heverina ho toy ny dingana lehibe mankany amin'ny lalan'ny demokrasia ao Myanmar ny fanafahana ireo gadra politika malaza ireo. Anisan'ny...