The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

koloina Momba ny mpandika teny

RSS ho an i koloina

Momba ny mpandika teny

mikasika an i koloina

75 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 2008-12-8

I'm a guy who want to give the best from me for GVOM

imailaka koloina

2009-03-11

Cambodia: Mitohy ny fanampiana avy any ivelany mandritra ny Krizy ara-teo-karena

Mitohy hatrany ny tatitra eo amin’ny fanampiana any ivelany ho an’I Cambodia na eo aza ny krizy fahobe ara-toe-karena. Mizara vaovao I CAAI News Media fa hanome vola mitentina 21 tapitrisa dollar ho an’I Cambodia mba analefahana ny fahantrana eny ambanivohitry ny firenena

Ejipsiana manohitra rikoriko: fampielezan-kevitra anterineto anoherana ny tabilaoben’ny Maadi

Nifoha tamin'ny torimasony ny mponina Maadi teo anatrehan'ireo tabilaobe elekronika izay napetraka teo amin'ny fidirana mankao amin'ny faritra misy azy ireo. nandray ny fanapahan-kevitra ny mpamaham-bolongana iray manohatra ny kirakira vaovao anterineto, ary mitarika ny mpanohana rehetra hametraka ny lalana vaovao entina hamehezana ny fampiasana ny tabilaoben-dokambarotra sy hiarovana ny tontolon'ny faritra, araka ny tatitra nentin'i Nermeen Edrees.

Ejipta: Navoaka ny fonja ny mpamaham-bolongana Mohamed Adel

Novotsorana ny mpitoraka bolongana Ejipsiana antsoina hoe Mohammad Adel izay namahana ny blaogy antsoina hoe Maeit ary efa voafonja nanomboka tamin’ny 22 Novambra 2008. Mamehy izany rehetra izany ao anatin'ity lahatsoratra ity i Marwa Rahka.

2009-03-09

Bahrain: Napetrak'ilay mpisolovava ho toy ny “revy tsy manimba” ny fanolanana

Nanintona ny sain’ireo mpitoraka bolongana sasany ao Bahrain ny raharaha fitsarana mahakasika fanesorana tsy nahitana porofo sy ny fanolanana vehivavy iray, satria nofohanan’ny mpisolovava vehivavy ho toy ny “ny ditra tsy mampaninona” ny asa ratsy natao.

Myanmar: Fanesorana ny vola nivoaka tamin’ny 1987

Mampatsiahy mahakasika ny fisintonana ilay vola voasolo vaovao toy ny tamin’ny 1987 ny mpamaham-bolongan Niknayman, izany no antony nahatonga ny fiandohan’ny hetsiketsika fitokonana tamin’ny taona 1988 taty aoriana.

2009-03-08

Israely: Noraisina tamin-kafanampo ny rindrin’ny hatsiakaSary post

Noraisin’ireo mponina tamin-kafaliana aok’izany ny rotsa-panala sy ny ranomandry izay nampangatsiatsiaka an’Israely tamin’ity herinandro ity. Kely sisa dia ho tapitra ny vanim-potoanan’ny orana, maro ireo matahotra fa ho tafiditra ao anatin’ny haitany mahatsiravina noho ny ny rotsak’orana kely dia kelin’ity taona ity ny vanim-potoanan’ny fararano.

Meksika: Notsongaina handray anjara amin’ny mozika Orkestra YouTube ny mpitendry anankiroa.Podcasts postVideo post

Notsongaina hilalao ao amin'ny Mozika Orkestra Iraisam-pirenena ireo mitendry Meksikana roa, tetika fiaraha-miasa ampiasaina ny gazety ara-tsosialy amin’ny alalan’ny haino an-tsofinan’ny horonantsary YouTube. Samy nampiditra horonantsary mampiseho ny talentany eo amin'ny mozika i Manuel Zogbi avy amin'ny saltillo sy ny mpikirakiran'ny YouTube Intisamente ao veracruz mba hiavaka ao anatin'ny fifaninana.

Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana

Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.

2009-03-07

Morocco: namoaka ny sangan’asa voalohany ny mpanoratra Morokan-AmerikanaVideo post

Efa ho taona vitsivitsy izay no nanoratany ny bokiny voalohany, vokatra azo avy amina fanakambanan tantara mitondra ny lohateny hoe Hope and Other Dangerous Pursuits (Fanantenana sy ny Fanenjehana hafa atahorana), no navoaka. Tafiditra tao anatin’ny mpanoratra fanta-daza ao Morocco I Laila Lalami. Rehefa voadika tamin’ny teny Anglisy ny asa soratra vitsivitsin’ny Marokana, eny fa na ny an’ireo mpanoratra vehivavy vitsivitsy koa aza, dia nameno ny banga eo amin’ny fifandraisan’ny literatiora Morokana amin’ny literaora tandrefana ny bokin’I Lalami voasoratra amin’ny teny Anglisy.

Isiraely: hanaraka ny fivavahana jiosy ve i Lindsay Lohan?

Niova hanaraka ny fivavahana jiosy i Lindsay Lohan no malaza ao Isiraely.Voalazany ao anatin’ny pejy Facebook-ny manokana hoe nanantena izy fa ny fiovany dia hitondra azy hanakaiky bebe kokoa ny namany jiosy, antsoina hoe Samantha Ronson. Ankehitriny dia ao Londres I Lohan sy Ronson manatrika ny fotoampivavaham-pianakaviana jiosy, ...