Naomy · Desambra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Desambra, 2012

Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy

  30 Desambra 2012

Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo fianakaviana an-jato an'arivony ny fanampiana federaly sy ny kaonseritra tahaka ny 12.12.12 nokarakarain'i Bruce Springsteen, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny hetsika tahaka...

Nosakanana ny Fandefasana Mivantana Ny Kaonferansa Nokarakarain'ny Firenena Mikambana

GV Mpisolovava  30 Desambra 2012

Araka ny filazan'ireo mpikatroka ao Bahrain, nosakanana ny fandefasana mivantana ny Filankevitry ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'olombelona.   Nosakanan'ny manampahefana ao #Bahrain  ny fidirana ao amin'ny habaky #UN amin'ny fandefasana mivantana noho ny fanelanelanako ao amin'ny #HRC21twitpic.com/aucktm — Mohammed Al-Maskati(@MohdMaskati) 14 Septambra 2012 Mohamed Al-Maskati, filohan'ny Fikambanan'ny Tanora Bahrainita miaro ny Zon'olombelona, niresaka momba...

Fanentanana #FastforBassel Hiarovana Mpiserasera Syriana Hiatrika Fitsarana Miaramila

Hiatrika fitsarana miaramila ao Syria i Bassel Khartabil, fantatra amin'ny anarana Bassel Safadi ihany koa, ary tsy navela haka mpisolovava izy. Tany am-ponja foana ity mpilatsaka an-tsitrapo manam-pahaizana manokana momba ny rindrambaiko misokatra sy Creative Commons ity nanomboka ny volana Martsa. Nanatontosa hetsika  #FastforBassel tao amin'ny Twitter ireo mpanohana azy manerantany mba hanentana...

Espaina: Saina Sahisahy Eo Amin'ireo Tanora Mpifindra-monina

  17 Desambra 2012

Andro vitsy lasa izay, anisan'ireo lohahevitra malaza indrindra tao amin'ny Twitter i « Marina del Corral ». Del Corral, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy Ny Fiahiana Ara-tsosialy, na ny marimarina kokoa, Sekretera Jeneralin'ny Fifindram-ponenana sy ny Fifindra-monina, nanjary malaza izy noho ilay fanambarany niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy. Nanambara ity...

Espaina: Bilaogera Iray Notorian'ny Fahitalavitra Telecinco Tany Amin'ny Fitsarana

  16 Desambra 2012

*Vaovao farany: nanambara ny fahitalavitra Telecinco tamin'ny 27 Novambra, fa nosintoniny ny fitoriany an'ilay bilaogera Pablo Herreros. Nivory ny tale mpitantana ny Telecinco/Mediaset sy i Herreros ary nahita marimaritra iraisana. Azo vakiana ato amin'ny bilaogin'ilay bilaogera [es] ny fifanekena nataon'ny roa tonta sy ny fanehoan-kevitr'ilay bilaogera. Mety efa nandre ny anarana hoe Pablo...

Syriana 40.000 No Namoy ny Ainy Tao Anatin'ny 20 Volana

Vahoaka maherin'ny 4 tapitrisa no fantatra fa hila fanampiana ao Syria amin'ny fiandohan'ny taona 2013. Izany no lohateny navoakan'ny gazetin'ny Firenena Mikambana miresaka ny momba ny maha-olona ao Syria tamin'ny 11 Novambra 2012 [pdf]. Ankizy sy tanora avokoa ny 2 tapitrisa amin'izany, izay tsy manana foto-pivelomana ary mijaly ny ratram-panahy ara-tsaina ateraky ny...