The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Jentilisa Momba ny mpandika teny

RSS ho an i Jentilisa

Momba ny mpandika teny

mikasika an i Jentilisa

758 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 2007-09-11

Mpamaham-bolongana araka ny fomba fiteniko manokana ary mpitoraka blaogy amin'ny teny malagasy ranoiray kosa raha amin'ny fiteny mahazatra. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa. Any amin'ny bolongako ao amin'ny Vaovao eto anToerana moa no tena fampahalalako izany zava-misy izany fa eto kosa dia fiezahana handika amin'ny teny malagasy ny vaovao mitranga any ivelany any. Ilaina ihany manko ny mahay teny vahiny na dia kely monja aza ary na dia ijerena rakibolana matetika ihany koa aza. Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Jentilisa

2009-09-22

Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe

Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo mihoatra ny iray hetsy ao Beijing. Misy ny mpianatra tsy faly loatra satria tsy maintsy manao mitabe avokoa ny ...

2009-09-19

Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketseham-panoherana nandritra ny andron'i QudsVideo post

Nitafy maitso ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana ny 18 Septambra teo ho fanohanany ny mpanohitra, izay mbola nihantsy ny fitondrana Iraniana indray teny an'araben'i Teheran, Shiraz, Isfahan, ary tanàna maro hafa hanoheran'izy ireo ny jadona. Ataon'ny Repoblika Islamika amin'ny fomba ofisialy ho Andron'i Quds ( andro atokana ho fanohanana ny ...

2009-09-18

Indonezia: voamarina fa maty tokoa ilay lehilahy natao savahao indrindra

Voamarina ankehitriny fa maty tokoa ilay lehilahy notadiavina indrindra teto Indonezia, Noordin M. Top, rehefa nifampitifitra tamin'ny mpitandro ny filaminana. Haingana dia haingana ny nitantaran'ny mpisioka an-tserasera Indoneziana ny tantara.

2009-09-17

Iran: Miomana hihetsika mafimafy kokoa amin'ny andron'ny QudsSary postVideo post

Mbola mihaika ny fitondrana islamika amin'ny fomba maro samihafa ihany ny hetsi-panoherana ao Iran, hatramin'ny fiantsoana ‘Allaho Akbar' (Lehibe Andriamanitra) hatreny an-tampon-trano amin'ny alina (fifampiarahabana hatramin'ny fotoanan'ny fanoherana) mandra-pahatongan'ny fihetsiketsehana amin'ny Andron'i Quds (Jerosalema). Ny andron'i Quds, voambolana Arabo milaza an'i Jerosalema — dia hotontosaina ny 18 septambra amin'ity ...

Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”Video post

Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran' ireo nandresy tamin'ny fifaninanana "2009 Democracy Now Challenge" (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary ...

Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny FrantsafrikaVideo post

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany ...

2009-09-09

Ejipta: Manana televiziona roa ny fiangonana kôpta

Rehefa nandamoka hatrany nandritra ny 15 taona ny andrana hametraka televiziona iray ho an'ny finoana Kôpta (kristiana ôrtôdôksa) dia nody ventiny izany ankehitriny fa nisy televiziona roa nahazo alalana ary misy efatra ihany koa eo am-panandramana. Nanandratra ny Aghapy TV - avy amin'ny teny kôpta hoe “fitiavana” - ho ...

2009-09-08

Ejipta: Ny fitiavam-pisehosehoan'i Naglaa El Emam

Lohatenim-baovao maro indray no nampiseho an'ity mpahay lalàna Ejipsiana maha-be resaka ity. Eto indray dia ny niovany finoana ho kristiana no anton-dresaka. Mitantara ho antsika i Marwa Rakha.

Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza

Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.

2009-08-22

Afghanistan : Androm-pifidianana

Afghans an-tapitrisany no nihaika ny fandrahonan'ny Talibans ka nandeha nifidy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena faharoa nisy hatramin'izay teo amin'ny firenena tamin'ny alakamisy, araka ny filazan'ny gazety tandrefana. Nisy ihany, araka ny tatitra herisetra madinika niseho tetsy sy teroa ary tahaka ny vitsy ny mpifidy tao an-drenivohitra sy tany atsimon'ny faritany ...